Toko faha 3

1 Nifoha maray be i Josoa , sady la niala tao Sitima rozy. Nagnagny Jordana rozy, ie voho reo fokonolon'Israely manontolo, sady nivory teo mialohan'ny niampitany. 2 Afaky telo andro, reo manam-pahefa la nandeha teo agnivon'ny toby; 3 Nandidy gny olo rozy hoe:' Lafa mahita gny fiaran'ny fifagnenken'i Yaveh Ndranagnaharinareo iha, voho reo mpisoro bakamin'ny Levita milanja io, la ao hagnenga gnan'ny toy toera toy nareo ka hagnaraky gnan'io. 4 ao hisy agnelagnela roa arivo eo aminareo voho io. Ka magnariniky gnan'io, mba hahafahanareo mahita gny lal andehana, fotony mbo tsy nandeha tamin'io lala io nareo taloha." 5 Hoy Josoa tamin'ny olo hoe:'Hamasigno gny vatanareo hamaray, fa hanao fahagaga eo aminareo Yaveh." 6 Sady hoy Josoa tamin'ireo mpisoro hoe:' Andeso gny fiaran'ny fifagnenkea, sady mandalova eo agnatrehan'ny olo." Ka la nandry gny fiaran'ny Fifanenke rozysady nandeha teo agnatrehan'ny olo. 7 Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe:' Zao anio zao la hataoko johary mahery eo amason'Israely iaby iha. 8 Hahay rozy fa manahaky gny nombako gnan'i Mosesy, ro hombako gnanao. Iha la handidy reo mpisoro zay milanja gny fiaran'ny fifanenkena hoe:' Lafa avy egny amoron'ny ranon'i Jordana nareo, la ao ho tony eo amin'ny Reniranon'ny Jordaan." 9 La hoy Josoa tamin'ny olon'Israely hoe:' Mankanesa atoy, sady janjigno zao safan'i Yaveh Ndranagnaharinareo zao. 10 Amin'ny alalany toy ro hahafahanareo fa gny Ndranagnahary velo la eo aminareo sady handroaky reo Kananita, reo Hetita, reo Hivita, reo Perizita, reo Girgasit, reo Amorita sady reo Jebosita tsy ho eo agnatrehanareo. 11 Ingo! gny fiafaran'ny fifanenken'ny Tompon'ny tany iaby miampita eo alohanareo ho ao Jordana. 12 Amizao mifilia olo folo roamby bakamin'ny fokon'Israely, johary raiky bakamin'ny kirakiraiky. 13 Lafa mikasiky gny ranon'i Jordana gny faladian-tombok'ireo mpisoro ze mandaygny fiaran'i Yaveh, Tompon'ny tany iaby, la ho tapaky gny onin'i Jordana, ,sady ndra gny rano zay mikoria bakagny agnabo aza la hijano hivory raiky." 14 Ka lafa niala mba hiampita gnan'i Jordana reo olo, la nandeha teo alohan'ireo olo reo mpisoro ze nilanja gny fiaran'ny fifanenke. 15 Laha vao avy teo Jordana reo ze nilanja gny fiara, sady niroboka teo amoron'ny rano gny tombon-drozy( sady ranon'i Jordana la tondraky hatregny amin'ny sisiny lafa iaby nandritsa gny fotoam-pijalia), 16 Gny rano nikoria nijotso bakagny agnabo la nijano ka nivory ho raiky. Nijano bakegny lavitsy gny fikorian'ny rano. Nijano nikoria bakagny Adama, lay tana zay agnilan'i Zaretana, hatragny amin'ny lala mizotso nagnagny amin'ny riakin'i Negeva, lay Ranomasina Sira, gny rano. Niampita lay nagnariniky gnan'i Jeriko gny fokonolo. 17 Reo mpisoro ze nanday gny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh la nijano teo amin'ny tany maiky teo agnivon'ny Jordana mandram-pitan'ny olon'Israely iaby teo amin'ny tany maiky.