Toko faha 2

1 La Josoa anaky lahin'i Nona nagniraky roe lahy mangingina bakagny Sitima manahaky gny mpitsikilo. Hoy ie hoe;' Mandehana, zahao gny tany, imdrindra fa Jeriko.' La sa rozy sady avy tao an-tragnon'ny mpivaro-tena raiky kaihy hoe Rahaba, la nipetraky tao rozy. 2 Nolazainy tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe:' Ingo, avy ato gny johjarin'israely mba hitsikilo gny tany." 3 La nandefa hafatsy tamin'i Rahaba lay mpanjakan'i Jeriko sady nanao hoe:' Andeso miboaky reo johary zay avy taminao voho nilitsy tao an-tragnonao reo, fotony avy mba hitsikilo gny tany manontolo rozy." 4 Fa nalan-dravehivavy reo roa lahy ka naetany. Namaly ie hoe;' Eka, avy tao amiko reo johary , fa ingo tsy nahay ze niavian-drozy aho. 5 Lasa rozy lafa hariva igny, tamin'ny fotoa nihilian'ny vavahadin'ny tana. Tsy haiko ze nadehan-drozy. Mety ho tratrinao rozy laha magnaraky malaky an-drozy iha.' 6 Kanefa nampiakariny tao agnabo-tragno rozy sady najariny tao amin'ireo tahon-kasim-bazaha zay fa novelariny teo amy gny tafon-tragno. 7 Ka la nagnenjiky an-drozy an-dala nagnagny amin'ny lakan-dranon'ny Jordana reo johary. Vao tafavoaky reo mpagnenjiky la nihily gny vavahady. 8 Mbo tsy niroro reo johary gny haly, lafa avy niakatsy tao amin-drozy tao angnabo tragno lay ampela. 9 Hoy ie hoe:' Haiko fa namean'i Yaveh gnanareo gny tany sady avy teto aminay gny tahotsy gnanareo. hamely eo agnatrhanareo reo iaby mipetraky eto amin'ny tany. 10 Renay gny fomba nagnamaihan'i yaveh gnan'ilya Riaky Mena ho gnanareo lafa niboaky bakao Egypta nareo.Renay avao koa gny nataonareo tamin'ireo mpanjakan'ny Amorita roe tegny ampitan'i Jordana_la Sihona voho Oga_ zay naringanareo tanteraky. 11 vantany vao renayio , la namely gny fonay sady tsy nisy herim-po tavela tao amin'ia ia_ fa Yaveh Ndranagnaharinareo, la Ndranagnahary agny an-dagnitsy agnabo agny voho etoy ambany tany. 12 Amizao ary, mba mifanta amiko amin'ny alalan'i Yaveh re, halemy fagnahy amin'ny hasoam-pagnahiko taminareo avao. Omeo famantara azo antoky aho 13 Fa hamindra fo amin'ny ain'ny raiko, gny reniko, reo anadahiko, anabaviko, voho gny longony iaby nareo, sady hagnavotsy gnanay amin'ny fahafatesa." 14 La hoy reo johary taminy hoe:' Ho takalo amin'ny ainareo gny ainy, ndra la ho amin'ny fahafatesa aza! Laha tsy miresaky momban'ny raharahanay iha, la ho feno famindram-po voho hahatoky gnanareo rahay lafa amean'i Yaveh gnanay toy tany toy." 15 La namela an-drozy hilitsy hiboaky teo amin'ny lafonety tamin'ny fampiasa taly ie. Niory teo amin'ny mandalin'ilay tana lay tragno zay nipetrarany. 16 Hoy ie tamin-drozy hoe:' Mandehana egny amin'ny vohotsy mietaky laha tsy io ho hitan'ireo mpagnenjiky nareo. Mietaha agny mandritsa gny telo andro mandra-pimpolian'ireo." 17 Hoy reo johary taminy hoe;' Tsy ho voafehy amin'ny fampanantenan'ilay fiaigna ze nasaina nifantanay rahay, laha toa ka tsy manao zao iha. 18 Lafa avy eto amin'ny tany rahay, la tsy maintsy fehe eo am-dafonety toy taly mena ze hampiliranao gnanay toy, sady havorio ato an-tragno gny rainao voho gny reninao, reo anadahinao voho gny avorohotan'ny rainao manontolo. 19 Na ia ia miboaky gny varavagnan'ny tragnonao ho egny an-dala, la ho eo an-dohan-drozy manoka gny rany sady tsy ho meloky rahay. Fa laha misy tana mino eo amini iaby ze miaraky aminao ato an-tragno, la ho eo an-dohany gny rany. 20 Fa laha miresaky momba gny raharaha iha, la ho afaky amin'ilay fiaigna ze nampifatagninao gnanay rahay.' 21 La namaly Rahaba hoe:" Hatao anie ze voalazanareo." Nalefan-drozy ka lasa. Bakeo namehy lay taly mena teo am-dafonety ie. 22 Lasa rozy sady nandeha niakatsy tagny amin'ireo vohitsy ka nijano tegny nandritsa gny telo andro mandra-pimpolian'ireo mpagnenjiky rozy. nila nanera gny lala amontolo reo mpagnenjiky sady tsy nahita ndra ino ino. 23 La nimpoly reo johary roe sady niampita ka tafampoly tagny amin'i Josoa anak'i Nona, la nolaizan-drozy taminy gny raha iaby ze nitranga tamin-drozy. 24 Hoy rozy tamin'i Josoa hoe:' Fa natolots'i Yaveh antsika tokoa io tany io. Malemy iaby reo olo iaby ao amin'ilay tany noho gny amintsika."