toko faha 19

1 Gny antsapaky faharoe la lasan'i Simeona ka nontendre ho gnan'ny kirakiraiky amin'ireo fokony io. Gny lovan-drozy la teo agnivon'ny lova zay gnan'ny fokon'i Joda. 2 Nana gnan'i Beri-sheba, seba, Molada, 3 Hazara-Soala, Bala, Azema, 4 Etolada, Betola, sady Horma ho lovan-drozy. 5 Simeona avao la nana gnan'i Ziklaga, beti-marakabota, Hazara-sosa, 6 Beti-lebaota, sady sarohena. Reo ro tana folo teloamby, miaraky amin'ireo ana-bohiny. 7 Simeona avao koa la nana gnan'i Aina, Rimona, Etera, voho Asana. Reo ro tana efatsy , miaraky amin'ireo ana-bohiny. 8 Reo la niaraky tamin'ireo ana-bohitsy magnodidy reo tana reo hatragny bale-tabera ( mitovy amin'i rama tao Negeva). Io ro lovan'ny fokon'i Simeona, namea reo fokony. 9 Gny lovan'ny fokon'i simeana la nagnomeza gny faritsy gny fokon'i Joda, Fotony tena bevata loatsy ho gnan-drozy gny anjara-tany notendre ho gnan'ny fokon'i Joda, la nandramby gny lovan-drozy tamin'ny agnivon'ny anjarany gny fokon'i simeona. 10 Gny antsasaky fahatelo la azon'ny fokon'i Zebolona, sady namea reo fokony io. Gny farutsy gny lovany la nanomboky tao Sarida. 11 Gny faritaniny niakatsy nagnandrefa hatragny Marala sady nahazo gnan'i dabeseta; la nihitatsy hatragny amin'ny lohasahan-driaky zay tandrifin'i Jokneama 12 Hatreo Sarida gny faritany la nihodiky magnantignana hatragny antignana ka hatramin'ny faritanin'i Rislota-tabara. 13 Hatreo la nandeha hatragny Daberata sady niakatsy hatragny Jafia io. Hatreo la nandalo gny antignana hatragny Gata-hefera io, sady hatragny Ita-Kazina; bakeo nandroso hatragny Rimona sady niadiky nagnagny Nea. 14 Gny faritany nihodiky magnavaratsy hatragny Hanatona sady niafara teo amin'ny lohasahan'i Jifta-ela. 15 Tafilitsy amin'io faritsy io reo tanan'i Katata, Naholola, Simrona, Idala, sady Betlehema. La tana foloroamby, miaraky amin'ireo ana-bohiny. 16 Io ro lovan'ny fokon'i Zebolona, zay namea gnan'ireo fokony__ reo tana , miaraky amin'ireo ana-bohiny. 17 Gny antsasaky fahaefatsy la lasan'i Isakara, sady namea reo fokony io. 18 Gny faritanin-drozy la ahita gnan'i Jezirela, Kesolota, Sonema, 19 Hafraima, Siona, sady Anaharata. 20 Tafilitsy amin'io avao koa Rabita, Kisona, Abeza, 21 Rameta, Enganima, Enhada, Beti-pazera. 22 Reo faritaniny avao koa la nahazo gnan'i Tabara, sahazoma, voho Beti-Semesy, sady niafara tao Jordana. La tana folo anignamby, miaraky amin'ireo ana-bohiny. 23 Io ro lovan'ny fokon'i Isakara, sady namea reo fokony io__reo tana, miaraky amin'ireo ana-bohiny. 24 Gny antsapaky fahalimy la lasan'ny fokon'i Asera, sady namea reo fokony . 25 Tafilitsy amin'ny fari-tanin-drozy i Helkata, Haly , Batena, Aksafa, 26 alameleka, Amada, sady Misala. Eo amin'ny sisin-tany andrefa sady nihitatsy hatragny Karmela voho Sihora-libnata. 27 La nihodiky magnantignana hatragny Beti-dagona sady nagnalavitsy hatragny Zebolona io, sady la hatragny amin'ny lohasan'i Jifta-ela, la nagnavartsy hatragny Bet-emeka voho Neila. La nitohy magnavaratsy Kabola io. 28 La nandroso hatragny Ebrona, Rehoba, Hamona, sady Kana, ka hatragny sidona bevata io. 29 Gny faritany nitoloky hatragny Rama, sady la hatragny amin'ny tana mimandandan'i Tyra. Sady faritany nitoliky tagny Hosa sady niafara teo amin'ny ranomasina, tao amin'ny fari-tanin'i Akziba, 30 Oma, Afeka, sady Rehoba. Roapolo roamby reo tana reo , miaraky amin'ireo ana-bohiny. 31 Io ro lovan'ny fokon'i Asera, sady namea reo fokony io__ reo tana, miaraky miaraka amin'ireo ana-bohiny. 32 Gny antsapaky faheniny la lasan'ny fokon'i Naftaly, sady nameany reo fokony io. 33 Faritanin-drozy la hatragny Hlefa, hatragny amin'ny terebintana tao Zananima, hatragny Adami-hanekeba voho Jabniela, hatragny Lakoma; sady niafara tao Jordana io. 34 Faritany niodiky nagnantignana hatragny Aznota-tabolonaeo antimo io, sady nahatratsy gnan'i asera gny tany andrefa voho Joda gny tany antignana tagny amin'ny reniranon'i Jordana. 35 Reo tana mimanda la Zidima, Zera, Hamata, Rakata , Kinereta, 36 Adama, rama, Hazora, 37 Kadesy , Edrehy, Sady En-hazora. 38 Nisy gnan'irona, Migdaela, Horema, Bet-anata, sady Beti-semesy avao koa. Reo ro tana folo siviamby, miaraky amin'ireo ana-bohiny. 39 Io lovan'ny fokon'i Naftaly, sady namea reo fokony io__ reo tana , miaraky amin'ireo ana-bohiny. 40 Gny loka fahafito la lasan'ny fokon'i Dana, sady namea reo fokony io. 41 Tafilitsy amin'ny fari-tanin'io lova io Zora, Estaola, Ira-semesy, 42 salabima, Aijalona, sady Itla. 43 Tafilitsy agnatin'io koa Elona, timna, Ekrona, 44 Elteke, Gibetona, Baleta, 45 Jehoda, Bene-baraka, gat-rimona, 46 Me-jarkona, sady rakona miaraky amin'ny faritany ampitan'i Jopa. 47 Lafa votsotra tamin-drozy gny faritanin'ny fokon'i Dana, la nanafiky gnan'i Lesema i dana, nialy nanohitsy gnazy, sady nahababo gnazy. Novoan-drozy tamin'ny sabatsy gny olo iaby , nangalaky gnan'io ho fanagna, sady nipetraky tao. namean-drozy agnara vaovao i Lesema, nikaiky gnan'io hoe dana araky gny razamben-drozy. 48 Io ro lovan'ny fokon'i dana, sady namea reo fokony io__ reo tana, miaraky amin'ireo ana-bohiny. 49 Lafa nahavita gny fizara gny tany ho lovan-drozy, la nmea lova teo amin-drozy ho gnan'i Josoa anaky lahin'i Nona gny fokonolon'Israely. 50 Tamin'ny alan'ny didin'i Yaveh ro nagnomezan-drozy azy gny tana zay nangatahiny, Timna-sera ao amin'ny tany havoan'i Efraima. Nampoliny namboary gny tana sady nipetraky tao ie. 51 Reo ro lova zay notendren'i Eleazara mpisoro, Josoa anaky lahin'i Nona, sady reo mpitari-pokon'ireo avorohotan'ireo razambeny tao amin'ny fokonoln'Israely, voatendry tamin'ny loka tao Silo, teo agnatrehan'i Yaveh, teo amin'ny filira mandeha ao amin'ny lay fihaogna. ka la nahavita nanendry gny tany rozy.