Toko faha 18

1 La niara-nivory tao Silo gny fiangonan'ny fokonolon'Israely manontolo. Tao ro nagnoregnan-drozy gny lay fihaogna voho nandresen-drozy gny tany nagnatriky an-drozy. 2 Mbo nisy fito reo foko teo amin'ny fokonolon'Israely zay tsy notendre gny lovany. 3 La hoy Josoa tamin'ny fokonolon'Israely hoe:' Mandra-pahovia ro mba hihemoranareo tsy handeha ao amin'ny tany ze namean'i Yaveh, Ndranagnaharin'ireo razanareo, nareo? 4 Manendre telo lahy ho gnanareo isaky gny foko kirakiraiky, sady zaho koa hagniraky an-drozy. La hiainga voho hitety gny tany agnabo voho ambany rozy. la hanoratsy gny famarita gnan'io rozy rozy araky zay tiany ho lovany sady himpoly atoy amiko rozy bakeo. 6 Faritsy fito ro hamaritanareo gny tany sady ampolio eto amiko gny famarita. La hanao an-tsapaky ho gnanareo aho eto agnatrehan'i Yaveh Ndranagnaharintsika. 7 Reo Levita la tsy mana anjara eo aminareo, fa gny fisorogna ho gan'i Yaveh ro lovan-drozy . Gada, Robena, sady gny antsasa-pokon'i Manase la nahazo gny lovan'ireo, tany an-dafin'i Jordana. Io eo lova zay namean'i Mosesy mpanompon'i Yaveh an-drozy." 8 La nifoha reo johary ka nandeha. La nodidian'i Josoa reo ze nandeha namaritsy gny tany, nanao hoe:' Mandehana mitety gny tany ka farito io sady mimpolia ato amiko. La hanao antsapaky ho gnanareo eto agnatrehan'i Yaveh aty Silo aho," 9 La nandeha reo johary ka nitety gny tany agnabony voho ambany sady namaritsy io tany horonn-taratasy araky reo tanany agnaty faritsy fito, handahara reo tana isaky gny faritsy kirakiraiky. La nimpoly tagny amin'i Josoa tao an-toby tao Silo rozy bakeo. 10 La nanao antsapaky ho gnan-drozy tao Silo teo agnatrehan'i Yaveh i Josoa. Tao ro nanendren'i Josoa gny tany ho gnan'ny fokonolon'Israely, sady gny kiraiky la samby namea gny anjara taniny iaby. 11 Gny fanendrea gny tany ho gnan'ny fokon'i Benjamina la namea gny isam-pkon-drozy kirakiraiky. Gny faritanin'ny tany zay voatendry ho gnan-drozy la voafaritsy teo agnelagnelan'ireo avorohotan'i Joda voho reo avorohotan'i Josefa. 12 Tagny amin'ilay ilany avaratsy , tagny Jordana ro nanombohan'ny faritanin-drozy. Gny faritany la niakatsy hatragny amin'ny ilany avarats'i Jeriko, sady bakeo niakatsy nagnavatsavatsa gny tany havoa andrefa. hatreo io la anjohy gny efits'i Betavena. 13 Hatreo la nandalo nagnantimo nizotra nagnagny Lozy( Betela io) gny faritaniny. Bakeo nizotso hatragny amin'i Atarot-adara gny faritany, ao amin'ny tendrombohitsy ze magnitsaky gny antimon'i Beti-horona. 14 Nizotra nagnaraky lalan-kafa gny sisin-tany nohon'io: agny amin'ny ilany andrefa io ro miholiky magnantimo, la mitodi-doha amin'ny tendrombohitsy am-pitan'i Beti-horona. Io sisin-tany io la miafara agny Kiriata-bala( Kiriata-Jearima io), tana raiky ze gnan'ny fokon'i Joda. Io ro lasa faritany tagny amin'ny faritsy andrefa. 15 Nanomboky teo ivelan'i Kiriata-jearima gny lafiny antimo . Niainga teo gny faritany la nanjohy gnan'i Efrona, hatragny amin'ireo loharanon'i Neftoa. 16 Gny sisin-tany nohon'io la nizotso nanjohy gny magnolily gny tendrombohitsy zay tandrify lohasahan'i Ben-hinoma, ze tagny amin 'ny morony avaratsy gny lohasan'i Refaima. La nizotso hatragny amin'ny lohasahan'i Hinoma io, antimon'ny kintsin'ireo Jebosita, sady nitohy nizotso hatragny En-Rogela. 17 La nitoliky nagnavatsy io , nizotra nagnagny amin'i En-semesy, sady bakeo la niboaky nagnagny Geliota io, zay tandrifin'ny fiakaran'i Adomina. Sady nizotso hatragny amin'ny Vaton'i Bohana anaky lahin'i Robera io. 18 Nandroso hatramin'ny ilany avarats'i Beti-araba io sady nizotso nagnagnamin'i Araba. 19 La nandroso nandalo gny ilany avarats'i Beti-Hogla gny faritany. niafara tagny amin'ny helo-drano avaratsy gny ranomasin-tsira io, agny amin'ny morony antimon'i Jordana. Io ro sisin-tany an-timo. 20 La avy faritanin'i Jordana gny ilany antignana. Io ro lovan'ny fokon'i Benjamina, sady natolotsy gny isam-pokon-drozy kirakiraiky io, faritany isa-paritany, gny magnodidy manontolo. 21 Sady reo tanan'ny fokon'i Benjamina araky gny isam-pokon-drozy la Jeriko, 22 Beti-Hogla, Emeka, Bet-araba, Zemaraima, Betela, 23 Avima, Para, Ofra, 24 Kefara-hamony, Ofny, voho Geba. Folo roamby reo tana reo, agnisan'io reo ana-bohiny. 25 Ao avao koa reo tanan'i gibeona, Rama, Berota, 26 Mizpa, Kefira, Moza, 27 Rekema, Irpela, Tarala, 28 Zela, haelefa, Jebosita( Jerosalema io), Gibea, voho Kiriata. Folo efatsamby reo tana reo, agnisan'io reo ana-bihiny, Io ro lovan'i Benjamina ho gnan'ny fokon-drozy.