Toko 1

1 Sady tafaran'ny nahafatesan'i Mosesy mpanompon'i Yaveh, la niresaky tamin'i Josoa anak'i Nona i Yaveh, lehiben'my mpanompon'i Mosesy, nisafa hoe:' 2 " Mosesy, lay mpanompoko, la maty. a Ka amizao , mitsanga , mita gnany toy Jordana toy, iha voho toy fokonolo toy, ho agny amin'ny tany ze homeko an-drozy__la ho gnan'ireo ololn'Israely. 3 Fa nameako gnanao reo toera iaby ze handehahan'ny tombokareo. Fa nameako gnanareo io, araky gny fa nampanantenako gnan'i Mosesy. 4 Hatragny agny an-tany efitra voho Libanona, voho reo renirano bevata, gny Eofrata, gny tanin'ny Hetita iaby, ka hatragny amin'ny Riaky bevata, ze hilentehan'ny masoandro, la ho taninareo. 5 Tsy hisy olo ho afa-mijoro eo agnatrehanao amin'ireo androm-piaigna. homba gnanao Aho manahaky gny nombako gnan'i Mosesy. Tsy hagnary gnano aho na hagnenga gnanao. 6 Mahereza voho matanjaha. fa iha la hampandova gnan'ny toy olo toy gny tany ze fa nampanantenako reo razanao fa hameako an-drozy. 7 Mahereza voho matanjaha. Mitandrema mba hankato gny lalagna iaby ze nandidian'i Mosesy mpanompoko. Ka miala amin'io na ho amin'ny ankavia na ho amin'ny ankavana, ma hahomby iha ndra aia aia andehananao. 8 Hilaza momba gnan'ny toy lalagna toy mandrakariva iha, Hisaintsay andro ama gnaly amin'io iaha mba hahafahanao mankato ze iaby voasoratsy ao amin'io. La ho ambini voho hahomby iha. 9 Moa va tsy fa nandidy gnanao Aho? Mahereza voho matanjaha! Ka matahotsy. Ka kivy. Yaveh Ndranaganaharinao la homba gnanao ndra aia aia andehananao." 10 Avy Josoa nandidy gny mpitariky gny olo hoe:" 11 Mandehana mamakivaky gny toby sady mibaiko reo olo hoe:' Magnomana vatsy ho gnan'ny vatanareo. Afaky hateloa la hiampita gnany toy Jordana toy nareo sady handeha agny ka hangalaky reo tany ze amean'i Yaveh Ndranagnahary ho fanagna." 12 Ho gnan'ireo Robenita, reo Gadita voho gny antsasaky gny fokon'i Manase, la hoy i Josoa hoe: 13 " Ataovo an-tsay gny teny ze nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh gnanareo niteny ie hoe:' Yaveh Ndranagnaharinareo la fa nagnome fitsahara, sady ameany gnanareo io tany io. 14 Gny valinareo, reo zaza malinikareo, voho reo biby fiompinareo la hipetraky agny amin'ny tany ze nomen'i Mosesy gnanareo agny an-dafin'i Joradana. Fa reo johary mpialianareo la handeha hiaraky amin'ireo rahalahinareo sady hagnampy an-drozy. 15 Mandra-pagnomezan'i Yaveh fitsahara ho gnan'ireo rahalahinareo manahaky gny fa nagnomezany gnan'io gnanareo. sady rozy la hangalaky fo fanagna gny tany zay namean'i Yaveh Ndranagnahary amin'ny taninareo, lay tany ze namean'i Mosesy mpanompon'i Yaveh gnanareo agny an-dafin'i Jordana, ze hiposahan'ny masoandro." 16 Bakeo rozy namaly gnan'i Josoa , nanao hoe:' Reo iaby ze nandidianao gnanaay la hataonay, sady ndra aia aia agnirahanao gnanay la handehananay. 17 Hankato gnanao rahay manahaky gny nankatoavanay gnan'i Mosesy. 18 Ndra ia ia mikomy reo lilinao voho tsy mankato reo safanao la vonoa ho maty. Mahereza voho managna herim-po."