Toko faha 21

1 Tafaran'ireo raha reo Jesosy la niseho tagnamin'ireo mpianatsy ndraiky teo amin'ny ranomasin'i Tiberiasy. Manahaky gnan'izao gny fomba nisehoany:" 2 Simona Petera la nagniraky tamin'i Tomasy zay atao hoe Didymo, Natanaela bakagny Kana agny Galilia, reo anak'i Zebedio, ka mpianats'i Jesosy roe hafa. 3 Hoy Simona Petera tagnamin-drozy hoe:" Handeha hagnarato aho." Ka hoy rozy tagnaminy hoe:" Rahay koa, handeha hisondry agnaminao." Ka lasa rozy sady nilitsy tao an-tsambokely raiky, fa tsy nahazo ndra ino ino rozy nandritra gny haly manontolo. 4 Voho , laha fa mangiran-draty gnandro , la nijoro tan-dranomasina Jesosy , fa tsy hain'ireo mpianatsy hoe Jesosy io. 5 Ka hoy Jesosy tagnamin-drozy hoe:" Ry tovolahy, tsy misy ho hany va nareo?" Namaly Gnazy rozy hoe:" Tsia." 6 Hoy Ie tagnamin-drozy :' Atoraho eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokely gny haratonareo, la hahazo nareo." Ka la nalatsan-drozy gny haraton-drozy la tsy nahavita nampiakatsy gnan'io tao noho gny hamaroany gny hazandrano. 7 Bakeo hoy gny mpianatsy zay tian'i Jesosy tagnamin'i Petera hoe:' Gny Tompo io." Lafa jan'i Simona Petera fa gny Tompo io, la nampilitsy gny agnabon'ankanjony ie( fotony tsy niakanjo ie), ka nitsamboko agnatiny ranomasina tao. 8 Gny sasany tamin'ireo mpianatsy hafa nandeha tan-tsambokely( Fotony rozy marikitsy gny tanety, sabosabony roan-jato hakiho teo), voho naninto gny harato feno hazandrano. 9 Lafa tafakatsy an-tanety rozy, la nahajery afon'arina tegny sady hazandrano tagnabony teo, miaraky amin'ny mofo. 10 Hoy Jesosy tagnamin-drozy hoe:" Magnandesa maromaro agnamin'ireo vo azonareo lehaniky ." 11 Ka la niakatsy Simona Petera ka naninto an-tanenty gny harato, zay feno fia bevata; 153. Maro maro mare, kanefa la tsy nitataky gny harato. 12 Hoy Jesosy tagnamin-drozy hoe:" Avia hisakafo maray." Tsy nisy tagnamin'ireo mpianatsy nahasaky nagnontany Gnazy hoe:" Ia moa Iha?" Hain-drozy fa gny Tompo io. 13 Namonjy Jesosy, nandramby gny mofo, voho nagnome gnan'io gnan-drozy, manahaky gnan'io koa gny fia. 14 Fagnintelo amin'io ro nisehoan'i Jesosy tagnamin'ireo mpianatsy tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty. 15 Lafa baka nihina gny sakafo maray rozy, la hoy Jesosy tagnamin'i Simona Petera hoe:" Simona anak'i Jaona, tea Ahy mandilatsy noho reo va iha?" Hoy Petera tagnaminy :" Eka Tompo, hainao fa tea Gnanao aho." Hoy Jesosy tagnaminy hoe:" Fahano reo aondriko." 16 Niresaky tagnaminy fagnindroeny ndraiky Ie:" Simona anak'i Jaona, tea Gnahy va iha?" Hoy Petera tagnaminy hoe:" Eka Tompo, faiko fa tea Gnanao aho." Hoy Jesosy hoe:" Karakarao gny aondriko." 17 Niresaky tagnaminy fagnintelo Ie:" Simona , anak'i Jaona, tia Gnahy va iha?" La nalahelo Petera fotony Jesosy nagnontany intelo tagnaminy hoe:" Tia Gnahy va iha?" Ka hoy ie tagnaminy hoe:" Tompo, Iha mahay gny raha iaby, haiko fa tia Gnanao aho." Hoy Jesosy tagnaminy hoe:" Fahano gny aondriko." 18 Rehafikko agnaminao ,to, la to tokoa, taminy iha mbo tanora la zatsy nampilitsy raiky gny akanjonao voho nandeha tamin'izay tianao, fa lafa niha-antitsy iha, la nahampatsy gny tagnanao, ka olon-kafa ro hampiakanjo gnanao voho handay gnanao aminy ze tsy tianao handehana." 19 Sady Jesosy nagnambara gnan'io mba hahaiza hoe amin'ny karaza fahafatesa Manao akory ro hagnomezan'i Petera voninahitsy gnanin-Dranagnahary. Lafa baka niresaky gnan'io Ie , la hoy Ie tagnamin'i Petera hoe:" Magnara Gnahy." 20 Nitoliky Petera ka nahatsipalitsy gny mpianatsy zay tian'i Jesosy nagnaraky gnan-drozy, gny raiky zay nianky ampitan'i Jesosy avao koa tagnaminy tel am-pisakafoana ka nanao hoe:" Tompo, ia gny raiky hamadika Gnanao?" 21 Nahatsipalitsy gnazy Petera ka hoy ie bakeo igny tagnamin'i Jesosy hoe:" Tompo, ino gny ataon'io johary io?" 22 Hoy Jesosy tagnaminy hoe:" Laha tiako hipetraky ie mandra-piaviako, la midika ino io agnaminao? Magnara Gnahy." 23 Ka niparitaky tagnamin'ireo mpiarahalahy io safa io, fa tsy ho maty io mpianatsy io. Nefa Jesosy tsy niresaky tagnamin'i Petera fa tsy ho maty gny mpianatsy hafa, fa hoe:' Laha tiako hipetraky ie mandra-pihaviako, la midika ino io agnaminao?" 24 Ie gny mpianatsy zay nijoro vavolombelo mahakasiky gnan'ireo raha reo, voho gny nanoratsy gnan'ireo raha reo, voho haintsika gny fagnambarany. 25 Misy raha maro hafa koa zay nataon'i Jesosy. Laha voasoratsy kirakiraiky iaby io, la heveriko fa ndra la zao tontolo zao aza tsy ho tendriky gny boky zay ho sorata.