Toko faha 2

1 Telo andro tafara tatoy , la nisy fagnalam-baly tao Kana ao Galilia, sady tao gny renin'i Jesosy. 2 Jesosy voho reo mpianany la voahasa tamy gny fangalam-baly. 3 Lafa lany gny divay, la niresaky tagnaminy gny renin'i Jesosy hoe:" Tsy mana divay rozy." 4 Ka hoy jesosy tagnaminy hoe:" Apela toy, nagnino iha ro mamonjy gnahy? Mbo tsy avy gny androko." 5 Ka hoy gny reniny tamin'ireo mpanompo hoe:' Ndra ino ino resahany agnaminareo, la tanteraho." 6 Sady nisy vato eny ze fampiasa amy gn'andro fisasany gny Jiosy teo, ze mirefy roe ka hatraminy telo metatsy iaby. 7 Hoy gnataony Jesosy tamin-drozy :" Feno rano gny siny." Ka nifenoan-drozy zisiky ambavany. 8 Lafa bakeo la hoy Gnataony tamin'ireo mpanompo hoe:" manobiza agnamin'io ka andeso agny amin'ny tompon'andraikitsy gny fikarakara." ka narahin-drozy io. 9 Nagnandrama gny tompon'andraikitsy gny fikarakara gny rano lasa divay, kanefa tsy nahay ze fiavian'io ie(fa reo mpanompo ze nagnova gny rano ro nahay ) . Bakeo la nikaiky gny mpangala-baly Ie . 10 Sady niresaky tagnaminy hoe:" Gnolo iaby la mandroso gny divay soa aloha zay vao gny divay moramora lafa mamo rozy. Fa gnanareo koa nagnajary gny divay soa zisiky henanio." 11 Io rovoaloham-pamantara nataon'i Jesosy tao Kana tagny Galilia, sady naneho gny vononahiny Ie, ka nino Gnazy reo mpianany. 12 Tafaran'io la nizotso ho agny Kapernaomy Jesosy , gny reniny, reo rahalahiny voho reo mpianany ka nijano andro kelikely tao rozy. 13 Sady fa marikitsy koa gny Paska gny Jiosy, la niakatsy tagny Jerosalema Jesosy. 14 Nahita mpamarotsy aomby, aondry voho voromahilala tantempoly tao Ie, voho nipetrakyteo avao koa reo mpanakalo drala. 15 Amin'io la nagnamboatsy karavasy ie ka nandroaky gnan-drozy iaby hiboaky gny tempoly , ndra gnaondry ndr gnaomby. Nandraraky gny dralan'ireo mpanakalo drala Ie sady nagnatonta gny latabon-drozy. 16 La hoy Ie tamin'ireo mpamarotsy voromahilala hoe:" Andeso miboaky lavitsy gnany toy toera toy reo raha reo. Tamoitsy zay gny fanaova gny tragnony Babako ho toera famarota." 17 Sady tiaron'ireo mpianany fa voasoratsy hoe:" Gny firehetako gny amy gny tragnonao ro handrava gnahy." 18 Bakeo namaly gnan'ireo lohandohany gny mpisoro Jiosy ka nanao tagnaminy hoe:" Ino ro famantara hatoronao gnanay, mahatonga gnanao manao gnan'iregny raha regny?" 19 Jesosy namaly hoe:" Akopaho toy tempoly toy, fa hantsangako agnatiny gny telo andro avao ." 20 Ka hoy gnataony reo mpanapaky gny Jiosy hoe:" Efapolo enignamby tao ro nagnorena toy tempoly toy, ka vo iha va gny hahatsanga gnazy agnatiny gny telo andro?" 21 kanefa , mahakasiky gny tempoliny gny vatany ro nirehafiny. 22 Tafarany gny nitsanganany tamy gny maty, la tiaronan'ireo mpianany fa niresaky mahakasiky gnan'io tokoa ie, ka nino gny Soratsy Masina voho gny safa niresahan'i Jesosy igny rozy. 23 Ka lafa tao Jerosalema Ie tamy gny andro firavoravoany gny paska, la lako ro nino gnagnarany lafa nahajery gnan'ireo famantara ze nataony. 24 Fa Jesosy koa tsy natoky gnan-drozy amy gny Fahaizany soa gnan-drozy iaby, 25 fotony tsy nila gnan' ia nia hagnambara agnaminy gny mahakasiky gnolo Ie, amy gny raha Hainy agnatiny gnolo ao.