Toko faha 16

1 " Niresahako taminareo io raha iaby io mba tsy ho solafaky nareo. 2 Ho roahin-drozy ao amin'ny synagoga nareo. Fa avy gny andro lafa hihevitsy zay iaby mamono gnanareo fa rozy la manolotsy raha fa soa hp gnan-Dranagnahary. 3 Hataon-drozy io fotony tsy mahay gny Ray na gny Vatako rozy. 4 Niresahako gnanareo reo raha reo fa lafa avy gny oran-drozy, la ho tarovinareo fa fa niresahako taminareo gny momba gnan-drozy. Tsy nambarako taminareo reo raha reo tagny am-piandoha, fotony mbo teo aminareo Aho. 5 Fa amizao ho agny amin'Ilay nagniraky Gnahy Aho, nefa mbo tsy nisy nagnontany Gnahy nareo ho:' Handeha ho aia moa Iha?" 6 Fa fotony niresahako taminareo reo raha reo , la alahelo ro nameno gny fonareo. 7 Fa resahako marina aminareo, soa tokoa ho gnanareo gny handehanako. Fotony laha tsy mandeha Aho, la tsy ho avy aminareo gny Mpampahery, fa laha mandeha Aho, la handefa gnazy ho aminareo. 8 Lafa avy ie, la hagnaporofo amin'izao tontolo zao ho diso momban'ny fahota, gny fahamarigna, voho momban'ny fitsara__ 9 momban'ny fahota gny Mpampahery, fotony tsy mino Gnahy rozy; 10 momban'ny fahamarigna, fotony holy agny amin'ny ray Aho,ka tsy ho hitanareo sasy; 11 voho momban'ny fitsara , fotony gny mpanapaky zao tontolo zao la nitsara. 12 Mana raha maro hambara aminareo Aho, fa tsy ho azonareo gny hevits'io zao. 13 kanefa , lafa avy ie, Fagnahin'ny Fahamariga, la hitariky gnanareo ho amin'ny fahamarigna iaby, fotony ts hiresaky bakamin'ny vatany ie. Fa hiresaky zay iaby regny ie, sady hiresaky aminareo reo raha zay ho avy. 14 Hagnome voninahitsy Gnahy ie, fotony bakamiko avao ro hagnambara aminareo. 15 Zay iaby anagnan'ny ray la Gnahy. Nohon'io, niresaky Aho fa lay Fagnahy la hangalaky amin'izay Gnahy, sady hiresaky aminareo. 16 Afaky fotoa tsy ampy la tsy hahita Gnahy sasy nareo, voho afaky fotoa tsy ampy la hahita Gnahy ndraiky nareo." 17 Bakeo gny sasany tamin'ireo mpianany nifampiresaky hoe:" Ino ary io resahany gnantsika io hoe:" Afaky fotoa tsy ampy la tsy hahita Gnahy sasy nareo fa afaky fotoa tsy ampy hafa la hahita Gnahy ndraiky nareo; voho hoe:" Fotony ho agny amin'ny Ray Aho?" 18 Nohon'io la hoy rozy hoe:" Ino ary io resahany io hoe:" afaky fotoa tsy ampy? Tsy hainay gny tiany ho volagny." 19 Hitan'i Jesosy fa te-hagnontany Gnazy rozy, la hoy Ie tamin-drozy hoe:" Zao va ro agnontanianareo tena, la gny tiako hambara amin'ny fivilagna hoe;" Fotoa tsy ampy la tsy hahita Gnahy sasy nareo, voho afaky fotoa tsy ampy ndraiky nefa la hahita Ganhy nareo? 20 Resahako aminareo , marina la marina tokoa, fa hitagny nareo voho hitaray, fa zao tontolo zao koa hazoto. Ho feno alahelo nareo, kanefa ho lasa fahazotoa io alahelonareo io. 21 Lafa mihetsi-jaza gny ampela raiky la malahelo fotony avy gny fotoany, la lafa teraky koa lay zazakely , la tsy tiarony sasygny alahelony noho gny fahazotoany fa nisy zazakely teraky eo aminizao tontolo zao. 22 Ka malahelo nareo amizao, kanefa Aho mbo hiaona aminareo ndraiky, voho hazoto gny fonareo, ka tsy hisy hangalaky gnan'io fahazotoanareo io aminareo. 23 Amin'io andro io la tsy hangataky amiko na ino ino nareo. Resahako aminareo , marina , la marina tokoa , laha mangataky na ino ino amin'ny ray amin'ny agnarako nareo, la hameany gnanareo io. 24 Hatramin'izao anefa mbo tsy nangataky na ino ino tamin'ny agnarako nareo. Mangataha , la hamea nareo mba ho feo gny fahazotoanareo. 25 Fa niresahako taminareo tamin'ny fagnohara reo raha reo, fa avy gny ora lafa tsy hiresaky aminareo amin'ny fagnohara sasy Aho, fa koa hiresaky aminareo mazava gny momba gny Ray. 26 Amin'io andro io ka hangataky amin'ny agnarako nareo sady tsy hiresaky gnanareo Aho hoe hivavaky amin'ny Ray ho gnanareo, 27 fa gny ray mihintsy ro tia gnanareo fotony nitia Gnahy nareo voho nino fa bakagny amin'ny Ray Aho. 28 Bakamin'ny Ray Aho, voho avy teto an-tany. fa hagnenga zao tontolo zao Aho ka ho agny amin'ny ray." 29 Hoy gny mpianay taminy hoe:" Jereo amizao Iha miresaky mazava soa ka ts mampiasa fagnohara . 30 Hainay amizao fa mahay raha iaby Iha, ka tsy misy tianay hametraha fagnontania aminao . Nohon'io , la mino rahay fa bakamin-Dranagnahary Iah." 31 Namaly gnan-drozy Jesosy hoe:" Mino amin'izay va nareo?" 32 Ingo,avy zao gny ora, eka, avy tokoa, lafa hiparitaky nareo, gny kirakiraiky samby agny amin'ny tragnony kirakiraiky iaby, la henganareo raiky Aho. Nefa tsy raiky Aho fotony miaraky amiko gny Ray. 33 Fa niresahako taminareo reo raha reo mba hana fiadagna ato amiko nareo. Managn'olana nareo eto amin'izao tontolo zao, nefa mahereza: fa nandresy zao tontolo zao Aho."