Toko 1

1 Taloha fa ela mare Ndranagnahary la nirehaky tamin'ny razantsika tamin'ny alalan'ny mpaminany tamin'ny fotoa maro voho tamin'ny fomba maro. 2 Fa amign' andro farany zao, la nirehaky tagnamintsika tamin'ny alalan'ny Gnanakilahiny Ie, ze nitendreny ho mpandova gny raha iaby. Tamin'ny alalan'ny avao koa ro naharean-Dranagnahary zao raha iaby zao. 3 Ie ro famirapiratan'ny voninahitrin-Dranagnahary, gny endriky gny vatany mare. Na gny raha iaby aza la tandrahany amin'ny alalan'ny herin'ny teniny. Tafaran'ny nagnadiovany gny fahota, la nifitaky teo ambanin'ny tagnan'ankavagnan'ny gny Bevata agny amin'ny abo ie. 4 Nanjary ambony manahaky gny anjely Ie, fotony gny agnara nolovainy la soa mare mandilatsy gny agnaran-drozy. 5 Fa ia tamin'ireo anjely ro mba nivolagnan-Dranagnahary hoe: " Anako iha, lasa babanao Zaho androany" Sady ndraiky hoe: " Ho babany Zaho, sady ie ho anaky ho Gnahy"? 6 Sady, lafa nanday gny lahimatoa teto amin'izao tontolo zao Ndranagnahary, la nivola Ie hoe: " Reo anjelin-Dranagnahary iaby la tsy maintsy mandrengy Gnazy." 7 Mikasiky reo anjely la nivola Ie hoe: " Ie ro nanao reo anjeliny ho fagnahy, sady reo mpanompony nataony lelam-bolo." 8 Fa mikasikin'ny Anaky la hoy Ie hoe: " Gny seza fiandriananao, Ndranagnahary, la mandrakizay sady ho traky farany. Gny tehin'ny fanjanao la tehin'ny fitsara. 9 Nitea gny fahamarigna iha sady nalay gny fandikan-dalagna. Noho izay Ndranagnahary, Ndranagnaharinao, la nanosotsy gnanao tamin'ny menaky gny hafalia mihoatsy noho reo mpiara-dia agnaminao." 10 " Tagny am-piandoha, ry Tompo, Iha ro namoro gny fototsy gny tany. Gny lagnitsy la asa-tagnanao. 11 Ho rava rozy, fa Iha hanohy. Ho tataky manahaky gny voron-damba rozy. 12 Hamoritsy gnan-drozy manahaky gny fisikina iha, sady hova manahaky gny voron-damba rozy. Fa iha la manahaky izay, sady gny taonao la tsy hanam-pahatapera." 13 Fa ia tamin'ireo anjely ro nivolagnan-Dranagnahary tamin'ny fotoa iaby hoe: " Mipetraha eo amin'ny tagna ankavanako mandra-panaovako reo fahavalonao ho seza ho gnan'ny tombokinao"? 14 Moa va reo anjely iaby tsy fagnahy manompo, voho nalefa hiahy reo zay handova gny famonjea?