Toko volohany

1 Paoly, apositoly,tsy apositoly bakamin'olo ndra bakamin'ny alalan'olo, fa bakamin'i Jesosy Kristy voho gny Andrianagnahary Baba,ze nampintsanga gnazy tamin'ny maty , 2 voho reo rahalahy iaby misondry agnamiko, ho gnan'ireo fiangonan'ny Galatiana: 3 Hasoava ho gnanareo voho fiandagna baka amin-Dranagnahary Babantsika voho Jesosy Kristy Tompo, 4 ze nanolotsy gnainy ho gnan'ny fahotantsika mba hagnafahany antsika amizao andron'ny haratia zao,arakin'ny sitrapon'Andranagnaharintsika voho Babantsika, 5 Ho Gnazy lahy gny voninahitsy mandrakizay doria.Amena. 6 Tseriky zaho hoe niala malaky tamin'ny azy nikaiky gnanareo tamin'ny hasoavan'i Kristy nareo.Tseriky zaho fa mitoliky amin'ny hafatsy hafa nareo. 7 Tsy midika anefa zay fa misy hafatsy hafa,fa misy olo lako ze manday fikorontana ho gnanareo voho te hagnova gny hafatsin'i Kristy. 8 Fa ndra zahay ndra anjely baka an-danitsy any aza ro hagnambara gny hafatsy hafa agnaminareo mitaha amin'ny hafatsy nambaranay tagnaminareo,la engaho i ho voahozo. 9 Araky ze nivolaninay taloha,la henanizao zaho magnambara ndraiky hoe:" Laha misy olo magnambara agnaminareo hafatsy hafa noho ze nirambesinareo,la la engaho i ho voahozo." 10 Moa zaho henanizao va mila fankantoavan'olo sa fankantoavan-Ndranagnahary? Moa zaho va mila gny raha hamalifaly gn'olo ? Laha mbo miezaky manohy hamalifaly gn'olo zaho,la tsy mpanompon'i Kristy. 11 Fa teako ho hainareo, ry rahalahiko,fa gny hafatsy ze nambarako la tsy hafatsin'olombelo. 12 Tsy nandramby gnan'izay tamin'olo zaho,ndra nampianary gnahy zay.Fa koa,zay la fagnambaran'i Kristy Jesosy tagnamiko. 13 Fa nareo nahaja gny amin'ny fiagnako taloha tamin'ny fomba fivavaha Jiosy,voho gny fomba nagnenjehako gny fiangonan'Andriagnahary mandilatsy gny tokony ho izy gny fiezahako handrava gnanizay. 14 Nandroso tamin'ny fivavahan'ny gny Jiosy zaho nandilatsy gny lako tagnamin'ireo nitovy tao tagnamiko,bakamin'ireo tana raiky agnamiko.Manahaky zay gny fomba nitanjahako mare gny fomban-drazako. 15 Fe Ndranagnahary, ze nanoka gnahy bakan-tron-dreniko,voho nokaiky gnahy tamin'ny alalan'ny hasoany, 16 lafa faly gny hagnatoro gny anakilahiny tagnamiko,mba hahafahako magnambara Gnazy any amin'ny Jentilisa,la tsy nila hevitsy bakamin'ny gny nofo voho gny ra zaho. 17 Tsy niakatsy ta- Jerosalema tagny ho agny amin'ireo fa lasa Apostoly talohako zaho.Fa koa,nandeha tagny Arabia voho bakeo nimpoly tagny Damaskosy zaho. 18 Ka telo tao tafara tato la niakatsy tany Jerosalema zaho mba hifankahay tamin'i Kefasy voho ninjano nisondry tagnaminy tagnatin'ny folo limy amby andro. 19 Fa tsy nisy hitako reo Apostoly ankoatsin'i Jakoba, azy rahalahin'ny Tompo iny. 20 Ka ao amin'ny ze nisoratako ho gnanareo,la magnome toky gnanareo agnatrehan-Dranagnahary zaho fa tsy mavandy . 21 bakeo zaho la nandeha tagny amin'ny faritsin'i Asiria voho Kilikia. 22 Mbo tsy nihain'ireo mpiagno tao Jodia zay ao amin'i Kristy Zaho. 23 Janjin-drozy avao gny voavola hoee:"Gny johary ze ngnenjiky gnantsika taloha,henanizao la magnambara gny finoa ze niezahany nipotehiny taloha." 24 Noho zay rozy la nandrengy gnan'Andrianagnahary nohon'ny agnamiko.