Toko faha 5

1 Tafaran'ny gny nitragan'ireo raha reo, la nandeha tagny amin'ny Farao Mosesy voho Arona ka nivola hoe: " Izao gny safan'i Yaveh, zay Ndragnararin'ny gny Israely, hoe: " Engao gnoloko handeha mba hanaovan-drozy firavoravoa ho Gnahy andiomonto agny. 2 Hoy Farao hoe:' Fa aia moa zao Yaveh zao? Nagnino Zaho ro tokony hijanjy gny volany ka hagnenga an'Israely handeha? Tsy mahay an'i Yaveh zaho, voho fagnampin'izay tsy hagnenga an'Israely handeha zaho." 3 Hoy rozy hoe: " Fanihao taminy gny Ndragnaharin'ireo Hebreo. Engao rahay handeha hateloa agnala agny ka hanao soro ho an'i Yaveh Ndragnaharinay mba tsy hanafihany gnanay amin'ny gny loza na amin'ny gny sabatsy. 4 Fa hoy gny mpanjakan'ny tamin-drozy hoe: " Ry Mosesy voho Arona, nagnino nareo ro mangalaky gnolo amin'ny asan-drozy." Mimpoly amin'ny gnasanareo." 5 Hoy koa ie hoe: " Henanizao misy vahoaky Hebreo maro aminy eto amin'ny gny taqminay, ka mampiegny an-drozy amin'ny gnasany nareo." 6 Tamin'ireo andro avao, la nagnomea lily tamin'ireo mpampiasa voho reo mpiamby Farao. Hoy ie hoe: 7 " Tsy manahaky gny taloha ao tsy hagnomea akata hanaovany boriky ho an'ny gnolo koa nareo. Engao rozy handeha ka hila akata ho an-drozy. 8 Na izay aza, la tokony mbo hitaky gnisam-bariky mitany tamin'ny gny nataon-drozy taloha avao nareo. Ka nagnenky zay tsy ampy hanomy zay, fotony kamo rozy. Zay ro mahavy an-drozy mikaiky mare voho nivola hoe: " Engao rahay handeha voho hanao soro ho an'ny Ndragnahariny. 9 Ampitombo gny fotoa hiasan'ireo lahilahy mba hifantohany amin'izay ka tsy hijanjy vola fitaky sasy." 10 Ka la nandeha nagnambara gny vahoaky gn'olo mpampiasa voho reo mpiamby. Hoy rozy hoe: " Zao gny nambaran'i Farao hoe: " Tsy hagnomea akata nareo koa zaho. 11 Ao nareo avao ro handeha ka hangalaky akata na aia na aia ahitanareo gnazy, nefa tsy hihena gnasanareo." 12 Ka la niely nagnenty gny tany Egypta nanontolo gnolo mba hamory fotobary ha tao akata. 13 Ka mpampiasareo nanohy nandrisiky an-drozy ka nanao hoe: " Vitao gnanareo, monahaky gny tamin'ny gny fotoa nagnomeza akata anareo." 14 Namango gny mpiamby Israelita reo mpampiasan'i Farao reo johary zay fa nampiambenin-drozy an'ireo mpiasa avao. Nagnontany an-drozy avao gny mpimpiasa hoe: " Nagnino nareo ro tsy manahaky gny biriky iaby zay tinakinay taminareo, na maly na androany, manahaky gny fataonareo taloha? 15 Ka la namonjy an'i Farao reo mpiamby Israelita ka nitaray hoe: " Nagnino iha ro nanday reo mpanomponao manahaky an'izao? 16 Tsy hisy akata hamea reo mpanomponao koa, kanefa rozy mbo mivola aminay hoe: " Magnambara biriky!", Rahay mpanomponao la voambango amin'izao, kanefa fahadisoan'ny gny vahoakinao avao zay. 17 Fa hoy Farao hoe: " Kanao nareo! Kamo nareo! Hoy nareo hoe:' Engao rahay handeha hanao soro ho an'i Yaveh." 18 Ka amin'izao mandehana mimpolia amin'ny gnasanareo. Tsy hisy akata hamea anareo koa, fa tsy maintsy manao isam-biriky mitovy avao ndreo". 19 Hitan'ireo mpiamby Israelita fa tafalatsaky tagnaty kizo lafa vinola hoe: " Tsy mahazo mampihena gny isam-biriky vokary isan'andro nareo. 20 Nihao tamin'i Mosesy voho Arona rozy, zay nitsanga tagny ambohon'ny gny lapa, laha nandeha bak'amin'i Farao rozy. 21 Hoy rozy tamin'i Mosesy voho Arona. Hanenty anareo anie Yaveh ka hagnasazy anareo, fotony nataonareo mafaikolitsy teo amason'i Farao voho reo mpanompony rahay. Nasianareo sabatsy gny tagnan-drozy mba hamonoany gnanay." 22 Handeha nimpoly tagny amin'i Yaveh Mosesy ka nanao hoe: " Ry Tompo, nagnino Iha ro mampidi-doza an'ireo olo reo? Nagnino zaho ro nalefanao voalohany? 23 Isaky gny namonjy an'i Farao handay gny hafatsao zaho, la nanday fikorontagna ho an'ireo olo reo ie, ka tsy nagnafatsy gn'olonao mihitsy Iha."