Toko faha 4

1 Namaly Mosesy hoe: " Ka manao akory laha tsy mino gnahy rozy na tsy mijanjy gnahy fa hivola koa hoe: " Tsy niboaky aminao va Yaveh?" 2 Hoy Yaveh taminy: " Ino igny an-tagnanao igny?" Namaly Mosesy hoe: " Tehy" 3 Hoy Yaveh hoe: " Atoraho antany eo" Nanoraky an'izay an-tany eo Mosesy, ka nanjary bibilava. Nandositsy zany i Mosesy. 4 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: " Ahenjagno gny tagnanao ka rambeso amin'ny ohinio." Ka la nagnenja ie ka nandramby bibilava egny. La nanjary tehy tantagnany egny ndraiky. 5 Zay la mba hahaizan-drozy mino fa Yaveh, gny Ndranagnahary ny gny razan-drozy, Ndragnaharin' i Abrahama, Ndragnaharin'i Isaka, voho Ndragnaharin'i Jakoba ro fa niboaky taminao." 6 Hoy avao Yaveh taminy hoe: " Zao la ampiliro agnatinakanjonao ao gny tagnanao." La nampilirin'i Mosesy tagnatinakanjony tao gny tagnany. Lafa naboany amin'izay, ingo, boka gny tagnany, foty manahaky gny oram-panala. 7 Hoy Yaveh: " Ampiliro agnatinankanjonao ao ndraiky gny tagnanao." La nampilirin'i Mosesy tagnatin'akanjony gny tagnany, ka lafa naboany, la hitany fa janga ndraiky, manahaky gnambin'ny nofony iaby. 8 Hoy Yaveh hoe: " Laha tsy mino gnanao rozy__laha tsy miraharaha gny famantara valohany gny na tsy mino amizay rozy, la hino gny famantara faharoa. 9 Laha tsy mino na la reo famantara ny gny heriko roe reo rozy, na tsy mijanjy gnanao, la manovoza rano agny amin'ny gny vavarano ka araraho amin'ny gny tany maiky. Gny rano zay halaenao la hanjary lio eo amin'ny gny tany maiky. 10 La hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: " Ry Tompo, tsy mahary mamola-drehaky zaho, na tamin'ny gny lasa na hatramin'ny gny nirehafanao tamin'ny gny mpanomponao. Malaon-drehaky voho mipitidela zaho" 11 Hoy Yaveh taminy hoe: " Ia gny nagnamboatsy gny vavan'ny gnolo? Zay nanao gnolo ho moa na maregny na mahita na jiky? Moa tsy Zaho, Yaveh? 12 Noho ny zay mandehana, fa zaho momban'ny gny vavanao voho hampianatsy gnanao zay ho volagny" 13 Fa hoy Mosesy: " Ry Tompo, magniraha olo hafa, zay sitrakao hirahy." 14 La nasiaky tamin'i Moosesy Yaveh. Hoy Ie hoe: " Nanao akory gny momba an'i Arona rahalahinao, zay Levita? Hainao fa afaky mivola soa ie. Fagnampin'izay, ho avy hihao aminao ie, ka lafa mahita gnanao ie la hazoto am-pony ao. 15 Hivola aminy iha ka hametraky gny vola ho volagny ambavany eo. Zaho homba gny vavanao voho gny vavany, ka hatoroko anareo roe zay hatao. 16 Hivola amin'i gnolo ho gnanao ie. Ho vavanao ie, ka aminy iha la hanahaky Gnahy, Ndragnahary. 17 Handesinao egny antagnanao tehy io. Amin'izay rohanao reo famantara. 18 La nandeha nimpoly tagny amin'i Jetro rafozandahiny Mosesy ka nivola taminy hoe: "Engao zaho handeha mba hahafahako mimpoly agny amin'ireo longoko zay agny Egypta ka hanenty laha mbo velo rozy." Hoy Jetro tamin'i Mosesy hoe: " Mandehana amim-piadana." 19 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy tagny Midiana hoe: " Mandehana, mimpoly agny Egypta fa nimaty reo johary iaby zay nagniry hangalaky gnanainao." 20 Nangalaky gny valiny voho gnanakilahiny Mosesy ka nametraky an-drozy teo agnabo boriky. Nimpoly tagny amin'ny t6anin'i Egyptiana ie, ka nirampesiny antagnany egny gny tehin'i Ndragnahary. 21 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: " Lafa mimpoly agny Egypta iha, ao hataonao eo agnatrehan'i Farao reo fahagaga iaby zay fa napetrako teo amin'ny gny fahefanao. Fe hagnamafy gny fony Zaho, ka tsy hagnenga reo olo handeha ie. 22 Tsy maintsy hivola an'i Farao iha hoe: " Zao ro vinolan'i Yaveh: " Israely la ankilahiko talagnolo. 23 Ka mivola aminao Zaho: " Engao handeha gnanako, mba hahafahany manompo Gnahy." Fa gnantony nanda gny hangnenga gnazy handeha iha, la ho vonoeko vatany gnanakilahinao, la gny talagnolonao. 24 Ka tan-dalegny, lafa nijano ho amin'ny haly rozy, la nihao tamin'i Mosesy ka nagniry hamono gnazy Yaveh. 25 La nangalaky fiharatsy vato Zipora ka nanampaky gnanakilhiny ka nakasony tamin'ny gny tombony. La hoy ie: " Azo antoky fa valy amin'ny gnalalan'ny gny lio amiko iha. 26 La nagnenga gnazy raiky Yaveh. Hoy ie hoe: " Valy amin'ny gnalalan'ny lio iha." nohon'ny gny tampake. 27 Hoy Yaveh tamin'i Arona hoe: " Mandehana agnala agny mba hihao amin'i Mosesy." Nandeha Arona, nihao taminy tagny an-tendrombohitsy Ndragnahary, ka nagnoroky gnazy. 28 Vinolan'i Mosesy tamin'i Arona iaby reo volan'i Yaveh zay nagnirahany gnazy ho volagny voho gny mifotsy reo famantranny gny fahefan''i Yaveh iaby zay nagninany gnazy hataony. 29 La nandeha i Mosesy voho Arona ka namory reo oloben'ireo Israelita iaby. 30 Nambaran'i Arona iaby reo rehaky iaby zay vinalan'i Yaveh tamin'i Mosesy . Nabaribariny teo amason'ny gnolo iaby koa reo famantaran'ny gny herin'i Yaveh. 31 La mino gnolo. Lafa niren-drozy fa nandiniky reo Israelita Yaveh, ka fanahita gny fampijalea an-drozy, la nampiankohoky gny lohany rozy ka nanompo Gnazy.