Toko 1

1 Imdreto gny volan'ny gny Mpitoriteny, zay vavean'i Davida voho mpanjakan'i Jerosalema. 2 Gny Mpitoriteny ro magnamabara an'izao: "Manahaky gny sevo-draho, manahaky gny tsioky, gny fanjavognan'ny gny raha iaby, mametraky fagnontania maro. 3 Ino gny tombotsoa azon'ny gn'olombelo bakamin'ny gn'asa iaby zay nisasarany tambany masoandro eto? 4 Gny havorohota raiky nandeha, voho gny havorohota hafa niavy, fe gny tany la mitoetsy eo mandrakizay. 5 Vaky gn'andro, ka la tsofotsy koa zay voho malisa himpoly agny amin'ny gny toera zay hiposahany ndraiky. 6 Mitsioky magnantimo gny tsioky ka manao boribory miodiky magnanvaratsy agny, mandeha miodiky amin'ny gny lalany avao ka mimpoly ndraiky. 7 Mikororosy magnandriaky agny gny vavarano, fe la tsy mety atsiky riaky igny. Amin'ny gny toera zay handenan'ny gny vavarano reo, ro handenan'izay ndraiky. 8 Mandreraky gny raha iaby, ka tsy misy afaky manazava an'izay. Gny fijery tsy afa-po amin'ny gny raha hitany, na gny sofy tanteraky amin'ny gny raha janjiny. 9 Gny fa teo iaby la mbo ho eo, ka gny raha iaby fa vita la mbo hatao. Tsy misy raha vaovao gn'ambany masoandro etoy. 10 Va misy raha mety ho volany atao hoe: "Ingo, raha vaovao toy'? Gny raha iaby fa misy la fa nisy fa ela, tagnatin'ny gny tao zay fa lasa ela talohantsika. 11 La tsy misy mahatiaro gny raha iaby zay nitranga tamin'ny gny fotoa taloha, gny raha zay nitranga vo tsiela voho reo zay mbo hitranga amin'ny gny fotoa ho avy la tsy ho tiaro iaby koa." 12 Zaho gny Mpitoriteny, ka fa nimpanjaka teo amin'Israely ta Jerosalema agny. 13 Nampiasa gny kabesoko aho mba hianatsy voho hialy am-pahendrea gny raha iaby zay natao teo amanin'ny gny lagnitsy. Io fila io la asa mavesatsy zay namean'i Ndragnahary gn'olombelo mba hisasarany. 14 La fa nijeriko iaby gn'asa zay natao iaby teo amanin'ny gny masoandro, ka ingo, rozy iaby la ho setroky misamboaravoara voho fikasa hanohitsy gny tsioky. 15 Gny diso la tsy mety ho hitie! Gn'avy tsy azo isahy! 16 Nivola tamin'ny gny foko aho ka nanao hoe: "Ingo, aho la nahazo fahendrea bevata nohon'ireo zay talohako iaby ta Jerosalema agny. Ny saiko la nahita fahendrea voho fahaiza bevata." 17 Ka la nampiasa gny foko aho mba hahay fahendrea voho hatoboan-tsay voho hadala avao koa. Avy aho mba hahatakatsy fa fikasa gny hanohitsy gny tsioky avao koa zay. 18 Fa amin'ny fahamaroan'ny gny fahendrea ro mampisy gny fijaliam-be, ka gny mampitombo fahaiza ro mampitombo gn'alahelo.