Toko faha 2

1 Hoy aho anakampo hoe: "Mamonjea, hitsapa anao amin'ny gny hafalea aho. Ka tiava fahafinareta." 2 Fa ingo, tsioky manadalo avao zay. Hoy aho tamin'ny gny hehy hoe: "Hadala zay," voho tamin'ny gny fahafinareta hoe: "Ino gn'ila an'izay?" 3 Nanenty gnam-poko ao aho ka nanao hoe manao ahoa gn'ahitako fahafinareta amin'ny gny divay. Engako ho hajarin'ny gny saiko amin'ny gny fahendrea aho ndra la mbo voatanjaky tamin'ny gny hadala avao aza aho. Ta-hahajery raha soa hataon'ny gn'olo ambanin'ny gny lagnitsy etoy aho agnatin'ireo andro iaignany. 4 Nagnatanteraky raha bevata aho. Nananga tragno ho aho ro namboly teo amin'ny gny tanim-boaloboky. 5 Nananga zariday voho baibo ho an'ny gny vatako aho; namboleako karazan-kazo fihinam-boa iaby teo. 6 Namorognako kotobo-drano mba hanondrahako gn'ala hitirignan'ny gny hazo reo. 7 Viniliko gn'andevo lahy voho gn'andevo vavy; nanagn'andevo teraky tan-dapako ao aho. Nanagn'aomby maro voho aondry, aosy ho hariko avao koa aho, Maro nohon'ny gn'an'i mpanjaka talohako zay nanampaky tao Jerosalema. 8 Namory volafoty voho volamena, gny hanagnan'ny mpanjaka reo voho tana ho ahy avao koa aho. Nana mpibeko lahy voho vavy ho an'ny gny vatako raiky avao aho ___ reo fahafinaretan'ny gn'anak'olombelo ___ voho valimasay maro. 9 Ka la nanjary olobe voho manankanagna mihoatsy anireo iaby zay talohako tao Jerosalema aho, ka gny fahendreako la nitoetsy tamiko. 10 Ndra ino ndra ino nirien'ny gny fijeriko, la tsy tinako aminy reo. Tsy nita gny foko tamin'ny gny fahafinareta iaby aho, fotony gny foko la nazoto tamin'ny gn'asako iaby ka gny fahafinareta ro valisoako tamin'ny gn'asako iaby. 11 La nanenty anireo asa iaby vitan'ny gny tagnako aho, voho gny fisasara zay nataoko, fa gny raha iaby la ho setroky voho fikasa hanohiysy gny tsioky ndraiky. Tsy nisy tombon-tsoa tami'ny gny zay gn'ambany masoandro etoy. 12 Bakeo la nitoky aho handiniky gny fahendrea, gny hatroboan-tsay voho gny hadala. Fa ino gn'azon'ny gny mpanjaka ho avy handimby gny mpanjaka atao, zay mbo tsy tanteraky? 13 La nanomboky nihanazava gny saiko fa gny fahendrea la hahazahoa tombony be be kokoa nohon'ny gny hadala, manahaky gny mazava soa nohon'ny gny maiky. 14 Gn'olo hendry la mampiasa gny fijeriny andohany egny mba hanenteany gny lala hombany, fa gn'adala la mandeha amin'ny gny maiky, ndra la haiko aza fa gny lahatsy la mitovy avao ho an'ny gn'olo iaby. 15 La hoy aho anakam-po hoe: "Gny manjo gn'adala, la hanjo ahy avao koa. Ka ino gny tsy mampitovy an'izay laha hendry vatany aho?" La finehiko tam-poko ao hoe: "Toy koa la setroky foty avao." 16 Fa gn'olo hendry, manahaky gn'adala, la tsy ho tiaro ela. Ho avy gn'andro zay hagnalignosa gny raha iaby. Gn'olo hendry la ho maty manahaky gny mahafaty gn'adala. 17 Ka la nagnaboka gny fiaina aho fotony raty amiko aby gn'asa iaby vita tambany masoandro eo. Fotony gny raha iaby la setroky voho fikasa hanohitsy gny tsioky. 18 Bokako iaby fisasarako reo zay nasaeko tambany masoandro egny fotony la tsy maintsy hienga an'irey ho an'ny gny johary zay magnoriky ahy afara ao aho. 19 Fa ia gny mahay na ho hendry ie na ho adala? Fe ie la ho tompo eran'ny gny raha iaby amanin'ny gny masoandro zay natsangan'ny gny fisasarako voho gny fahendreako. Setroky avao koa zay. 20 Nohon'izay la nanomboky namoe fo tamin'ireo asa iaby zay nataoko tambany masoandro eo aho. 21 Ka la mety misy olo zay misasatsy amin'ny gny nfahendrea, amin'ny gny fahaiza, voho amin'ny gny fahaia manao, fa hengany ho an'ny gny johary zay tsy nanao ndra raiky tamin'ireo aza gny raha iaby hanagnany. Zay koa gny setroky voho loza bevata. 22 Fa ino gny tombon-tsoa azon'ny gn'olo zay miasa mare voho miezaky manao amin'ny gny fony asanireo ambany masoandro eo? 23 Maharary ro mampialy eritseritsy isan'andro gn'asany, ka la tsy mahita fiadana gny fagnahiny amin'ny gny matogn'aly. Setroky avao koa zay. 24 Tsy misy raha soa amin'ny gn'olo mihoatsy gny mijabo voho mino avao ka afa-po amin'izay soa amin'ny gn'asany. la nahajery aho fa baka amin'ny gny tagnan'i Ndragnahary io marina io. 25 Fa ia ro afaky hijabo na ia ro afaky hana fahafinareta isan-karazany ankoatsin'ny gny baka amin'i Ndragnahary? 26 Fa gny mampazoto Azy, la homean'i Ndragnahary fahendrea, fahalala voho fifalea. Fe gny mpanonta la nameany asa famoria voho fagnajaria mba hahafahany magnomea an'izay ho an'ny gn'olo zay mampazoto an'i Ndragnahary. Io koa la agnisan'ny gny setroky voko fikasa hanohitsy gny tsioky.