Toko faha 3

1 Njanjigno zao rehake zay vinolan'i Yaveh taminareo zay, ry olon'ny gn'Israely, amin'ireo vavea iaby zay nadesiko hiboaky gny tany Egypta: 2 "Nareo raiky avao ro finiliko amin'ireo vavea iaby agnabon'ny gny tany eto. Nohon'izay, la holiloviko nareo nohon'ny gn'otanareo iaby." 3 Handeha va gny roe laha tsy mirai-kevitsy rozy? 4 Hiero angnala agny va gny liona laha tsy misy haza ie? Hiero andavany ao va gny liona tanora laha tsy nahazo ndra ino ndra ino ie? 5 Afaky ho lavo agnatin'ny gny fandriky amin'ny gny tany va gny voro laha tsy misy talim-baravagna voapetraky ho azy? Hikatoky va gny fandriky an-tany etoy laha tsy nahazo ndra ino ndra ino ie? 6 Hagneno an-tana ao va gnantsiva ka tsy hangitikitiky gnolo? Ho avy an-tana ao va gny loza laha tsy Yaveh ro mandefa an'izay? 7 Azo antoky fa tay hanao ndra ino ndra ino Tompo Yaveh laha tsy magnambara gny vetsivetsiny amin'ny mpaminany mpanompony reo ie. 8 Ia gny tsy hatahotsy; laha niero gny liona? Fa nivola gny Tompo Yaveh, ia gny tsy haminany? 9 Ambarao agny amin'ireo fiarova maherin'i Asdoda zay, voho agny amin'ny gny fiarova maherin'ny gny tany Egypta; volagno hoe: "Mivavaha antendrombohits'i Samaria egny nareo ka enteo gny fifanjevogna be zay aminy ao, voho ino gny fahoria aminy ao. 10 Fa tsy mahay gny fanaova gny to rozy __ zay gny fanambaran'i Yaveh ___ Magnajary hetraketraky voho faharava amin'ny gny valany ao rozy." 11 Nohon'izay, zao gny nambaran'ny Tompo Yaveh hoe: "Hagnodidy gny tany gny fahavalo. Handrava gny fiarova maherinao ie voho handroba gny valanao. 12 zao gny nambaran'i Yaveh: "Manahaky gny famonjean'ny gny mpiaky aondry gny tomboky roe avao amin'ny gny vavan'ny gny liona, na gny sombin'ny gny sofy, ro hamonjea gnolon'Israely zay mipetraky agny Samaria, anjoro-tseza eo avao, na anjoro-kitrely eo avao." 13 Mijanjina ka mitsangana ho vavaolombelo manohitsy gny vavean'i Jakoba ___ Zao gny fagnambara nataon'i Tompo Yaveh, Ndranagnahary Tompon'ny gny maro: 14 Fa amin'ny gn'andro zay handilovako gny fahotan'Israely, la ho liloviko avao koa gn'alitaran'i Betela. Hotampahy gny tsifan'alitara reo ka ho lavo amin'ny gny tany. 15 Haravako gny tragno asotry miarak'amin'ny gny tragno asara. Ho simba gny tragno ivory voho tragnobe reo la hanjavo, ___ zay gny fagnamaban'i Yaveh."