Toko faha 2

1 Zao gny nambaran'i Yaveh: "Nohon'ireo fahota telo nataon'i Moaba, eka, ndra efatsy aza, la tsy hangalaky gny fandilova azy Aho, fotony rozy la nagnoro gny taolan'ny gny Mpanjakan'i Edoma ho lavenoky. 2 Handefa bolo amin'i Moaba eo Aho, ka haravako gny fiarova maherin'i Kiriota, ho maty ao agnatin'ny gny kotaba voho koiky voho feon'antsiva Moaba. 3 Haravako gny mpitsara aminy ao, voho ho vonoeko miarak'aminy gny mpanjaka iaby," hoy i Yaveh. 4 zao gny nambaran'i Yaveh: "Nohon'ireo fahota telo nataon'i Joda, eka, ndra efatsy aza, la tsy hangalaky gny fandilovany Aho, fotony rozy la nagnary gny lalagnan'i Yaveh voho tsy niamby gny liliny. Nagniraky androzy tagny amin'ny gny lalan-diso gny vandindrozy, la nandeha nagnoriky an'izay avao koa razandrozy reo. 5 Handefa bolo amin'i Joda eo Aho, ka ho ravako fiarova maherin'i Jerosalema reo." 6 Zao gny nambaran'i Yaveh: " Nohon'ireo fahota telo nataon'ny gn'Israely, eka, ndra efatsy aza, la tsy hangalaky gny fandilovany Aho. Fotony navilin-drozy gny volafoty gny tsy manan-kavoa voho gny mijaly ho kapa. 7 Nagnitsaky gny lohan'ny gny mijaly manahaky gny fanitsahan'ny gnolo gny lemboky amin'ny gny tany rozy; niroahindrozy gny mijaly. Ny johary voho gny raeny la sambe mandry amin'ny gnampela raiky avao ka mandoto gnagnarako masy. 8 Mandry agnilan'alitara eo iaby amin'ny gn'akanjo azo amin'ny gny takalo rozy, voho antragnon'i Ndragnaharindrozy ao ro inomandrozy gny divay zay bakamin'ny gny voasazy reo. 9 Fe fa noravako tagnatrehandrozy eo gn'Amorita, gny halavan'izay la manahaky gny halanan'ny gny sedera, natanjake manahak'ireo koa Oka. Fa rinavako gny voany agnabo, voho gny fotony ambany. 10 Voho, nanday anareo niboaky bakagny amin'ny gny tany Egypta Aho ka nitariky anareo efapolo tao tandiomonto mba hahazoa gny tanin'ny gn'Amorita. 11 Nanandratsy mpaminany bakamin'ireo anakilahinareo voho Nazirita baka amin'ireo zatovonareo Aho. Va tsy zay va, ry gnolon'Israely? ___ Zay gny fagnambaran'i Yaveh. 12 Fe nareo la nandresy lahatsy Nazarita reo hino divay voho nagnina mpaminany reo tsy haminany. 13 Ingo, hagnitsaky anareo manahake gny fagnitsahan'ny gny sarety atsiky vary gnolo Aho. 14 Tsy hahita handosira gnolo malie; tsy hampitombo gny heriny gny matanjaky; ndra gny mahery mahavonjy gny vatany. 15 Tsy hahajilo gny mpadefa kititsy; tsy ho afaky mandositsy gny mpilay mahalay; tsy hahavonjy gny vatany gny mpiondra an-tsoavaly. 16 Ndra la gny mpialy be herim-po aza la handositsy tsy amin-tsiky amin'izay andro zay __ Zay gny fanambaran'i Yaveh."