Toko 1

1 Nreto gny raha mahakasiky an'Israely reto ro rinambin'i Amosa, raiky tamin'ireo mpiarak'aondry tao Tokea, tao amin'ny gny fagnambara. Nandramby ani'ireo raha reo ie tamin'ny gnandron'i Ozia mpanjakan'ny Joda, voho tamin'ny gny andron'i Jeroboama anakilahin'i Joasy Mpanjakan'Israely, roe tao mialohan'ny gny haromontany. 2 Hoy ie hoe: "Hiero baka Ziona agny i Yaveh; hampiakatsy gny feony baka a Jerosalema agny ie. Ho maiky gnakatan'ny mpiarsak'aondry reo; halazo gny tampon'i Karmela." 3 Zao gny vinolan'i Yaveh hoe: "Noho ny gny reo fahota telo nataon'i Damasikosy, eka, na efatsy aza, la tsy hangalaky gny saziny Aho, fotony fitaova vy ro namangoan-drozy an'i Gileada. 4 Handefasako bolo gny taranak'i Hazaela, ka handrava reo fiarova maherin'i Beni-Hadada Aho. 5 Ho tapahiko gny vy eny amin'ny gny vavahadin'i Damaskosy ka handringa gny johary zay mipetraky ao Bikata Avena Aho, voho koa gny lehilahy zay mitanjaky gny tehim-panjaka ao Bet-Edena. Gnolon'i Syria la handeha ho agny amin'ny gny fahababoa any Kira," hoy Yaveh 6 Izao gny nambaran'Yaveh hoe: "Nohon'ireo fahota telo nataon'i Gaza, eka, ndra efatsy aza, la tsy hangalaky gny saziny Aho, fotony nataon-drozy ho babo gnolo iaby, mba hanolora androzy an'i Edoma. 7 Handefa bolo amin'ireo rindrin'i Gaza Aho, ka handrava an'ireo fiarova maheriny zay. 8 Haringako gny johary zay mipetraky ao Asdoda voho gny johary zay mitanjaky gny tehim-pajaka bakagny Askelona. Hanohitsy an'i Ekrona gny tagnako, ka ho maty Filistina tavela reo," hoy gny Tompo Yaveh. 9 Zao gny nambaran'i Yaveh hoe: "Nohon'ireo fahota telo nataon'i Tyro, eka, ndra efatsy aza, la tsy hangalaky gny saziny Aho, fotony manolotsy gnolo iaby an'i Edoma rozy, ka nandika gny fifagnenkegnam-pirahalahiany rozy. 10 Handefa bolo eo amin'ireo rindrin'i Tyro Aho, ka handrava reo fiarova maheriny izay." 11 Zao gny nambaran'i Yaveh hoe: "Nohon'ireo fahota telo naton'i Edoma, eka, ndra efatsy aza, la tsy hangalaky gny saziny Aho, fotony nagnea gny rahalahiny tamin'ny gny sabatsy ie voho nagnary gny famindram-po iaby. gny siany la nitohy mandrakariva, ka naharitsy mandrakizay. 12 Handefa bolo ao Temana Aho, voho handrava gny lapan'i Bozora zay." 13 Zao gny nambaran'i Yaveh hoe: "Nohon'ireo fahota telo nataon'ny gnolon'i Amona, eka, ndra efatsy aza, tsy hangalaky gny saziny Aho, fotony nanataky ampela amintroky reo tao Gileada ie, mba hagnitarandrozy gny faritaniny. 14 Handrehitsy bolo ao amin'ny gny rindrin'i Raba Aho, ka handrava gny lapany zay, miaraky amin'ny gny koiky amin'ny gnandron'ny gn'aly, miaraky amin'ny gny tafiotsy amin'ny gnandron'ny talio. 15 Handeha ho agny amin'ny gny fahababoa gny mpanjakandrozy, rozy mbamin'ireo manam-boninahiny," hoy Yaveh.