Toko faha 23

1 I Petera la nijery nivanta tagny amin'ireo mpikamba tao amin'ny filan-kevitsy sady nivola hoe: " Ry rahalahy, zaho la fa niay teo agnatrehan-Dranagnahary tamin'ny fieretrereta soa iaby mandraka androany." 2 Gny mpisorombe Ananiasy la nibaiko reo zay nitsanga teo agnilany mba hameleza gny tsihoviny. 3 Bakeo i Paoly nivola gnazy hoe: " Ndranagnahary la hamango gnanao, iha ry rindry voalalotsy foty. Iha va la mipetraky hitsara gnahy amin'ny lalagna, nefa mandidy gnahy mba ho vangoa, tsy araky gny lalagna? Reo zay nitsanga teo la nivola hoe: " Zao va ro fomba hanevatevanareo gny mpisoromben-Dranagnahary?" 5 I Paoly nivola hoe: " Tsy nahay aho, ry rahalahy, hoe ie gny lehiben'ny mpisorombe. Fa voasoratsy hoe: tsy tokony hivola raty gny mpanday gny vahoakinao iha." 6 Lafa jerin'i Paoly fa gny sasany tamin'ny filan-kevitsy la Sadoseo sady gny hafa Fariseo, la nivola mare tao amin'ny filan-kevitsy ie hoe: " Ry rahalahy, Zaho la Fariseo, anaky lahin'ireo Fariseo. Izay ro ie fotony la magnantena soa gny fitsanganan'ny maty zay hitsara gnahy." 7 Lafa nivola izay ie, la nanomboky nisy fifandira teo amin'ireo Fariseo voho reo Sadoseo, sady gny vahoaky la nizara. 8 Fa reo Sadoseo la nivola fa tsy misy gny fitsangana amin'ny maty, tsy misy reo anjely, sady tsy misy reo fagnahy, nefa reo Fariseo la nagnenky an-drozy iaby reo. 9 Noho izay la nisy fitabataba mare niseho, sady gny sasany tamin'ireo mpanora-dalagnan'ireo Fariseo la nitsanga sady nialy hevitsy, nivola hoe: " Rahay la tsy mahajery raha diso amin'io johary io. Nagnino laha gny fagnahy na gny anjely ro nisafa taminy?" 10 Nony nisy fifamalia mare teo, gny kapiteny mpitariky la natahotsy manjary hifandrotehan-drozy i Paoly, noho izay ie la nandidy reo miaramila mba hizotso voho hangalaky gnazy an-kery agny amin'ireo mpikamba ao amin'ny filan-kevitsy, sady handay gnazy agny an-dapa. 11 Gny haliky magnaraky gny Tompo la nijoro teo agnilany sady nivola hoe: " Ka matahotsy, fa manahaky gny nijoroanao vavolombelo mikasiky gnahy tagny Jerosalema, ro tsy maintsy hijoroanao vavolombelo agny Roma avao koa." 12 Lafa maraindray gny andro, gny Jiosy sasany la namory tetiky sady nanozo gny vatan-drozy miaraky amin'ny fianiagna mba tsy hihina na hino na ino na ino ambara-pamonoan-drozy gnan'i Paoly. 13 Mihoatsy gny efapolo olo rozy zay namoro io tetiky io. 14 Rozy la nandeha tagny amin'ireo mpisorombe voho reo loholona ka nivola hoe: " Rahay la fa nanao fanozogna bevata tamin'ny vatanay, mba tsy hihina na ino na ino mandram-pamonoanay gnan'i Paoly. 15 Henanizao, noho izay, engao gny filan-kevitsy hivola amin'ny kapiteny mpitariky mba handay gnazy hizotso eto agnaminareo, sady nareo manahaky gny hoe hanapa-kevitsy amin'ny raha misy mikasiky gnazy marina vatany. Fa ho gnanay, rahay la vonona gny hamono gnazy alohan'ny hahaviany eto." 16 Nefa gny anaky lahin'ny anabavin'i Paoly la nahajanjy fa teo am-pandignasa gny hamonoa gnazy rozy, noho izay ie la nandeha sady nilitsy gny lapa ka nivola tamin'i Paoly. 17 I P aoly la nikaiky gny raiky tamin'ireo kapiteny ka nivola hoe: " Andeso agny amin'ny kapiteny mpitariky toy tovolahy toy, fa mana raha ambara agnaminy ie." 18 Noho izay gny kapiteny la nandramby gny tovolahy sady nanday gnazy tagny amin'ny kapiteny mpitariky ka nivola hoe: " I Paoly zay gadra ro nikaiky gnahy ho agny aminy, sady nangataky gnahy mba handay toy tovolahy toy ho eto agnaminao ie." 19 Gny kapiteny mpitariky la nangalaky gnazy tamin'ny tana ho agny amin'ny toera mitoka sady nagnontany gnazy hoe: " Ino izay tokony ho ambaranao agnamiko izay?" 20 Gny tovolahy nivola hoe: " Reo Jiosy la fa nagnenky gny hangataky agnaminao mba handay gnan'i Paoly hizotso agny amin'ny filan-kevitsy hamaray, manahaky gny hoe rozy la handeha hagnontany gny mikasiky gnazy marina vatany. 21 Nefa ka magnenky gnan-drozy, fotony nisy olo mihoatsy gny efapolo zay fa vonona gny hamono gnazy. Nikaiky ozo ho gnan'ny vatany rozy, mba tsy hihina na hino mandram-pamonoan-drozy gnazy. Fa na la zao aza la fa vonona rozy, miandry fanekena bakagny aminao." 22 Ka nengan'ny kapiteny mpifehy handeha gny tovolahy, tafaran'ny nanoroany gnazy hoe: " Ka mivola na amin'ia na amin'ia hoe nivola reo raha reo tagnamiko iha." 23 Bakeo la nikaiky ho eo aminy gny roe tamin'ireo kapiteny ka nivola hoe: " Alao gny miaramila roanjato zay vonona gny handeha agny Kaisaria, voho mpiondra soavaly fitopolo avao koa, sady mpanday lefo roanjato. Handeha iha amin'ny ora fahatelon'ny haliky." 24 Ie avao ko la nandidy gnan-drozy mba hanome biby zay afaky hiondran'i Paoly, sady mba handay gnazy soa aman-tsara agny amin'i Feliksa gny governora. 25 Bakeo la nanoratsy taratasy manahaky zao ie: 26 " Klaodio Lisia ho gnan'i Feliksa governora soa mare, arahaba. 27 Io johary io la nisamborin'ireo Jiosy sady la fa ho nivinonon-drozy, lafa avy teo amin-drozy niaraky tamin'ireo miaramila aho la nagnavotsy gnazy, fotony nahay aho fa ie la olom-pirenena Romana. 28 Zaho la te hahay gny antony niampangan-drozy gnazy, noho izay la nandesiko nizotso tao amin'ny filan-kevitsin-drozy ie. 29 Nahay aho fa voapanga tamin'ny aly hevitsy mikasiky gny lalan-drozy manoka ie, nefa tsy misy fiampanga nanohitsy gnazy zay mendriky fahafatesa na fanagadra. 30 Bakeo la nampahaizy gnahy fa nisy tetiky hanohera gny johary, noho izay la nandefa gnazy teo noho eo tagny agnaminao aho, sady nahay reo mpiampanga gnazy avao koa mba handay gny fanamelohan-drozy gnazy eo agnatrehanao. Veloma." 31 Ka noho izay reo miaramila la nankato reo baikon-drozy. Nalan-drozy i Paoly sady nandesiny tamin'ny haliky tagny Antipatria. 32 Gny hamaray, gny ankamaroan'ireo miaramila la nagnenga reo mpiondra soavaly mba handeha hiaraky aminy fa rozy la nimpoly tagny an-dapa. 33 Lafa avy tagny Kaisaria reo mpiondra soavaly ka nanolotsy gny taratasy ho gnan'ny governora, la nanolotsy gnan'i Paoly taminy avao koa. 34 Lafa namaky gny taratasy gny governera, la nagnontany gny faritany zay niavian'i Paoly ie. Lafa hainy fa bakagny Kilikia ie, 35 la nivola hoe: " Zaho la hahanja tanteraky gnanao lafa avy eto reo mpiampanga gnanao." La nasainy nitandrahany tao ao amin'ireo foiben'ny fanjakan'i Heroda ie.