Toko faha 16

1 Avy tagny Derbe voho Lystra avao koa Paoly, voho ingo, teo gny mpianatsy raiky kinaiky hoe Timoty, anaky lahin'ny ampela Jiosy zay nino; Grika gny babany. 2 Ie la soa laza tamin'ireo rahalahiny zay tagny Lystra sady Ikonioma. 3 Tean'i Paoly hiara-dia aminy ie; la nalany ie sady nofofany noho reo Jiosy zay teo amin'ireo toera reo, fotony hain-drozy iaby fa Grika gny babany. 4 Laha nandeha namakivaky reo tana maro rozy la nanolotsy toromariky ho gnan'ireo nmpino mba hankanto gny fampianara, zay nosoratan'ny Apostoly voho gny loholona tao Jerosalema. 5 Ka niha-natanjaky tamin'ny finoa gny fiangona sady nitombo isa isan'andro. 6 Nandeha namakivaky gny faritsy gny Frigia voho Galatia Paoly voho gny namany, fotony noraran'ny Fagnahy Masy rozy hagnambara gny safa agny amin'ny faritr'i Asia. 7 Lafa nilitsy nanariny gnan'i Mysia, la te-handeha ho agny Bitynia rozy, nefa nosakanan'ny Fagnahin'i Jesosy rozy. 8 Ka nandalo tamin'i Mysia, la nandeha nizotso tagny amin'ny tana gnan'i Troasy rozy. 9 Nahajery fahita i Paoly tamin'ny haliky: johary raiky Makedonia nitsanga teo, nikaiky gnazy sady nivola hoe: " Avia atoy makedonia sady vonjeo rahay." 10 Lafa avy nahajery gny fahita i Paoly, la nandeha hamonjy gnan'i Makedonia avy hatrany rahay, nahatsapa fa Ndranagnahary ro nikaiky gnanay hitory gny filazantsara amin-drozy. 11 Niantsambo noho izay avy agny Troasy, la nizotso mahity ho agny Samatrikia rahay, sady nitandraky gnan'i Neapolia rahay gny andro magnaraky. 12 Bakeo la nandeha nagnagny Filipy rahay, ze isan'ny tana Makedonia, zay tana manan-danja mare ao amin'ny faritsy voho gny zana-tany Romanina, sady nijano tao amin'izay tana izay tagnatiny gny andro maro rahay. 13 Tamin'ny andron'ny Sabata la nandeha tagny amonton'ny vavahady agnilan'ny renirano rahay, zay nieretreretinay fa misy toeram-pivavaha. Nipetraky rahay sady niresaky tamin'ireo ampela zay niara- niavy teo. 14 Nisy ampela raiky atao hoe Lydia, mpivarotsy salotsy volomparasy bakagny amin'ny tanan'i Tyatira, zay nanompo gnan-Dranagnahary, ninjanjy gnanay. Nanokatsy gny fony gny Tompo Hitandry gny safa zay nambaran'i Paoly. 15 Lafa vita batisa ie voho gny avorohotany, la namporisiky gnanay ie, nivola hoe: " Laha nitsara gnahy ho mahatoky amin'ny Tompo nareo, la milira sady mipetraha ao an-tragno." Sady nandresy lahatsy gnanay ie. 16 Sady tamin'izay, laha nandeha nagnagny amin'ny toeram-pivavaha rahay, la nisy zatovovavy raiky zay mana fagnahin'ny sikily nifakatonjy tagnaminay. Nanday tombony maro ho gnan'ny tompony tamin'ny alalan'ny sikily ie. 17 Nagnaraky gnanay voho Paoly bakao afara io ampela io sady nikaiky mare, nanao hoe: " Reo johary reo la mpanompon-Dranagnahary Abo Mare. Magnambara agnaminareo gny lalam-pamonjea rozy." 18 Nanao izay tagnatiny gny andro maro ie. Fa i Paoly la nanomboky sosotsy taminy ka nitoliky sady nivola tamin'ny fagnahy hoe:" Mandidy gnanao amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy zaho mba hiboaky ao aminy." Sady niboaky avy hatrany izay. 19 Lafa jerin'ireo tompony fa lasa gny fanantena gny amin'ny tombony ho gnan-drozy, la nosamborin-drozy i Paoly voho Silasy sady notaritiny rozy ho agny an-tsena teo agnatrehan'ireo manam-pahefa. 20 Lafa nanday gnan-drozy teo agnatrehan'ireo mpitsara rozy, la nivola hoe: " Manakoronta gny tanantsika reto johary reto. Jiosy rozy. 21 Magnambara fomba zay tsy ara-dalana ho gnan'ny Romanina gny manenky na mampihatsa gnazy reo." 22 La nitsanga gny vahoaky nanohitsy gnan'i Paoly voho Silasy; nangalaky gny lamban-drozy gny mpitsara sady nandidy gnan-drozy mba ho vangoa amin'ny hazo. 23 Lafa vinangon'ireo mare rozy, la nalefan-drozy agny an-tranomaiky sady nandidy gny mpiamby tranomaiky mba hiamby mare gnan-drozy. 24 Lafa naharamby izay lily izay gny mpiamby, la nalefany tagny amin'ny farany laliky mare amin'ny gadra rozy sady nifeheziny teo amin'ny hazo gny tombondrozy. 25 Nagnodidy gny misasak'aly la nivavaky i Paoly voho Silasy sady nihira fidera gnan-Dranagnahary, sady reo gadra hafa la ninjanjy gnan-drozy. 26 Tampoky teo la nisy horohorontany bevata, ka nampihozongozo gny fototsy gny gadra; sady avy la nisokatsy gny varavara iaby, voho nivaha gny fehin'ny olo iaby. 27 Taitsy tamin'ny torimaso gny mpiamby gny tragnomaiky sady nahajery reo varavaran'ny fonja nivoha; namoaky gny mesony ie ka saiky hamono gny vatany, fotony noeritreretiny fa nandositsy reo gadra. 28 Fa nikaiky tamin'ny feo mare Paoly, nanao hoe: " Ka mandratsy gny vatanao, fotony ato iaby rahay iaby." 29 Nampikaiky Jiro gny mpiamby tragnomaiky sady nilitsy malaky tao agnatiny, la nangitikitiky noho gny tahotsy, nihohoky teo agnatrehan'i Paoly voho Silasy, 30 sady nanday an-drozy niboaky voho nivola hoe: " Tompoko, ino ro tsy maintsy hataoko mba ho voavonjy?" 31 Hoy rozy hoe: " Minoa gnan'i Tompo Jesosy, la ho voavonjy iha,iha voho gny avorohotanao." 32 Nitory gny safan'ny Tompo tagnaminy rozy, niaraky tamin'ny olo iaby tao an-tragnony. 33 Bakeo la nandramby an-drozy tamin'ny haliky tamin'igny ora igny avao gny mpiamby gadra, sady nanasa gny ferin-rozy, sady ie voho rozy iaby tao amin'ny tragnony raiky iaby la natao batisa teo noho eo. 34 Bakeo la nandesiny niakatsy tao an-tagnony i Paoly voho Silasy sady nandroso sakafo teo agnatrehan-drozy, la nifaly vatany ie niaraky tamin'ireo zay tao an-tragnony, fa fa nino an-Dranagnahary ie. 35 Sady lafa maraindray gny andro, la nandefa safa tamin'ireo mpiamby reo mpitsara, nivola hoe: " Engao handeha reo johary reo." 36 Nitatitsy izay safa izay tamin'i Paoly gny mpiamby, nivola hoe: " Nampanday safa tagnamiko reo mpitsara mba hagnenga gnanareo handeha: noho izay henanizao miboaha, sady mandehana am-piadagna." 37 Fa nivola tamin-drozy Paoly hoe: " Namango gnanay ampahibeso tsy nisy fitsara rozy, na la mizaka gny zom-pirenena Romanina aza rahay_sady nalefan-drozy tao am-pigadra. Henanizao la tean-drozy ho alefa an-tsokosoko va rahay? Tsia! Ao gny safan-drozy ro ho avy eto voho hitariky gnanay hiboaky." 38 Nitatitsy izay safa izay tamin'ny mpitsara gny mpiamby, sady laha vo nahanjanjy rozy fa romanina i Paoly voho Silasy, la natahotsy rozy. 39 Avy la nialatsiny tamin-drozy gny mpitsara sady nanday gnan-drozy niboaky, nangataky gnan-drozy mba hiala ao an-tana. 40 Ka niala tao an-tragnomaiky i Paoly voho Silasy sady nagneo an-tragnon'i Lydia. Lafa nahajery reo rahalahy i Paoly voho Silasy, la nampahery gnan-drozy sady bakeo la niala tao an-tana rozy.