Toko faha 15

1 Gny olo sasany la nizotso bakagny Jodia hatragny Antiokia voho nampianatsy reo rahalahy, ka nivola hoe: " Laha tsy vita savatsy araky gny fomba fataon'i Mosesy nareo, la tsy ho voavonjy nareo." 2 Izay la nanday gnan'i Paoly voho Barnabasy tao agnaty fifamalia voho aly hevitsy tamin-drozy. Noho izay i Paoly voho i Barnabasy la voatendry niaraky tamin'ny sasany hafa tamin-drozy hiakatsy agny Jerosalema mba hihao amin'ireo apostoly voho reo loholona mikasiky izay fanontania izay. 3 Noho izay rozy, nalefan'ny fiangona, la namakivaky gnan'i Foinika voho Samaria sady nagnambara gny fiovam-pon'ireo Jentilisa. Rozy la nanday hafalia bevata tamin'ireo rahalahy iaby. 4 Lafa avy tao Jerosalema rozy, la norambesin'ny fiangona voho reo apostoly sady reo loholona, ka nitatitsy reo raha iaby zay nataon-Dranagnahary tamin-drozy. 5 Nefa gny olo sasany izay tao amin'ny tarik'ireo Fariseo, la nitsanga voho nivola hoe: " Ila gny manao gny famorana gnan-drozy voho gny mibaiko gnan-drozy hitandry gny lalan'i Mosesy." 6 Noho izay reo apostoly voho reo loholona la niara-nivory mba handinika izay raha-misy izay. 7 Tafaran'ny aly hevitsy maro, nitsanga i Petera ka nivola tamin-drozy hoe: " Ry rahalahy, hainareo fa taloha ela be Ndranagnahary ro nanao safidy teo aminareo, mba ho amin'ny alalan'ny tsihoviko la tokony hahaja gny safan'ny filazantsara reo Jentilisa, sady hino. 8 Ndranagnahary, zay mahay gny fo, vavolombelo amin-drozy, nagnomea gny Fagnahy Masy gnan-drozy, manahaky gny nataony tamintsika; 9 Sady tsy nanao fanavakavaha tamintsika voho tamin-drozy Ie, nanadio gny fon-drozy tamin'ny finoa. 10 Sady noho izay nagnino nareo ro mitsapa an-Dranagnahary, hoe tokony hametrahanareo zioga eo amin'ny vozon'ireo mpianatsy nefa na gny razantsika na tsika aza tsy mahavita milanja? 11 Nefa mino tsika fa ho voavonjy amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Tompo Jesosy, toa an-drozy avao koa." 12 Gny olo iaby la nitandraky gny fahangina tagnatiny gny ninjanjignan-drozy gnan'i Barnabasy voho Paoly mitatitsy reo famantara voho reo fahagaga niasan-Dranagnahary izay niasa tamin'ireo Jentilisa tamin'ny alalan-drozy. 13 Lafa avy nijano nivola rozy, la namaly Jakoba, nivola hoe: " Ry rahalahy, njanjino aho. 14 I Simeona la fa nagnambara gny fomba nanampian-Dranagnahary tam-pahasoava voalohany reo Jentilisa mba hangalaky amin-drozy olo ho gnan'ny aragnany. 15 Reo safan'ireo mpaminany la mikasiky izay, araky gny voasoratsy hoe: 16 ' Afaran'ireo raha reo la himpoly aho, sady hananga ndraiky gny tragno lain'i Davida aho, zay nitonta; hagnamboatsy voho hampimpoly amin'ny pilasiny ndraiky reo faharavany aho, 17 mba hila gny Tompo reo olo sisa tavela, ao agnatin'izay reo Jentilisa iaby zay kinaiky amin'ny agnarako.' 18 Zao ro nagnambaran'ny Tompo, reo zay fa nanao reo raha reo zay hay tamin'ireo razambe taloha. (Fanamariha: Reo dikan-teny sasany taloha la mivaky manahaky zao: " Zao ro nambaran'ny Tompo amin'nireo zay hay tamin'ny andro taloha gny asany iaby.) 19 Noho izay, gny diniko la, tsy tokony hanakoronta reo bakamin'ny Jentilisa zay nitoliky tamin-Dranagnahary tsika. 20 Fa tsika la hanoratsy ho gnan-drozy fa tsy maintsy miala amin'ny fahalotoan'ireo sampy rozy, amin'ny fahavetaveta, sady amin'ny henan'ireo biby voakenda, voho amin'ny lio rozy. 21 Fotony Mosesy la fa voambara tamin'ny isan-tana tamin'ny andro taloha sady ie la vakia ao amin'ireo synagoga isaky gny Sabata." 22 La toa soa tamin'ireo apostoly voho reo loholona, niaraky tamin'ny fiangona iaby, gny hifily gnan'i Joda zay kinaiky hoe Barnabasy, voho i Silasy, zay mpitariky gny fiangona, voho gny handefa gnan-drozy agny Antokia miaraky amin'i Paoly voho Barnabasy. 23 Rozy la nanoratsy toy: " Hatrany amin'ireo apostoly voho reo loholona, reo rahalahinareo, hatramin'ireo rahalahy bakagny Jentily agny Antiokia, Siria, voho Kilikia: Arahaba! 24 Tsika la fa nahaja fa reo olo sasany la niala tamintsika, tsy nisy baiko baka amintsika, sady nanelingely gnanareo tamin'ireo fampianara zay nampikoronta gny fagnahinareo. 25 Zao ro ie, rahay iaby la fa nagnenky gny hifily reo johary voho handefa gnan-drozy agny aminareo miaraky amin'i Barnabasy voho Paoly malalanay, 26 johary zay nanao gny ainy tsy ho raha ho gnan'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika. 27 Noho izay rahay la magniraky gnan'i Joda voho i Silasy, zay hagnambara agnaminareo io raha io avao amin'ny safan-drozy manoka. 28 Fa toa soa amin'ny Fagnahy Masy voho agnaminay, gny tsy hampitondra gnanareo enta bevata noho reo raha tena ila reo: 29 mba hialanareo amin'ireo raha nataonareo ho fanatitsy amin'ireo sampy, lio reo raha voakenda, sady bakamin'ny fahavetaveta. Laha mitandrina gny vatanareo amin'izay nareo, la ho soa agnaminareo izay. Veloma." 30 Noho izay rozy, lafa voaroaky, la nizotso tagny Antiokia; bakeo rozy la namory gny vahoaky niaraky, sady nanolotsy gny taratasy rozy. 31 Lafa voavakin-drozy izay, la nifaly rozy noho gny fampahereza. 32 Joda voho i Silasy, mpaminany avao koa la nankahery reo rahalahy tamin'ny safa maro voho nampahery gnan-drozy 33 Lafa avy nijano fotoa kelikely tao rozy, la nalefa am-piadagna avy amin'ireo rahalahy ho agny amin'ireo zay nandefa gnan-drozy rozy. 34 [ Fanamariha: Gny dikan-teny taloha mare la mangalaky andininy faha 34 (jereo gny Asa 15: 40): "Nefa mbo tean'i Silasy gny hijano teo."] 35 Fa i Paoly voho Barnabasy la nijano tagny Antiokia niaraky tamin'ireo maro hafa, zay nampianaran-drozy voho nagnambaran-drozy gny safan'ny Tompo. 36 Tafaran'ny andro kelikely Paoly la nivola tamin'i Barnabasy hoe: " Ndao tsika himpoly henanizao sady hamangy reo rahalahy agny amin'ny tana iaby zay nagnambarantsika gny safan'ny Tompo, sady hahajery hoe manao akory rozy." 37 I Baranabasy la te handay avao koa gnan'i Jaona zay nikaiky hoe Marka hiaraky amin-drozy. 38 Nefa i Paoly nandiky fa tsy soa gny handaisa gnan'i Marka, zay nagnenga an-drozy tagny Panfilia voho tsy nanohy niara-niasa tamin-drozy niasa. 39 Bakeo la nisy fifamalia mare, ka nisaraky rozy, sady i Barnabasy nanday gnan'i Marka niaraky tagnaminy sady nandeha sambo nagnagny Sipra. 40 Fa i paoly nifily gnan'i Silasy sady nandeha, tafaran'ny nanomezan'ireo rahalahy gnazy andraikitsy ho gnan'ny fahasoavan'ny Tompo. 41 Bakeo ie la nandeha namakivaky gnan'i Syria voho i Kilikilia, ka nampatanjaky reo fiangona.