Toko faha 3

1 Amizao , ry rahalahy , mivavaha ho gnanay, mba ho rengea voho hameam-boninahitsy gny safan'ny Tomp, la manahaky gnan'io koa gny aminareo. 2 Mivavaha mba ho afaky amin'ireo raty fagnahy voho olon-draty rahay, fa tsy gny iaby ro manam-pinoa . 3 Fa gny Tompo la mahatoky , zay magnamafy ory voho miamby gnaareo amin'izay raty. 4 Mana fahatokia amin'ny Tompo mikasiky gnanareo rahay, mbo sady hanaovanareo ro hanohizanareo reo raha zay nandidia gnanay nareo. 5 Gny Tompo anie hitariky gny fonareo ho amin'ny hatean-Dranagnahary voho gny fiaretan'i Kristy. 6 Amizao mandidy gnanareo rahay, ry rahalahy, amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiala amin'ireo rahalahy iaby zay miay ao agnatin'ny hakamoa voho tsy araky reo fomban-draza zay nirambesinareo taminay. 7 Fa nareo vatanareo la mahay fa mety aminareo gny mangalaky manahaky gnanay. Tsy niay teo agnivonareo manahaky gnan'ireo zay tsy nana fitsipiky rahay . 8 Tsy nihina sakafon'olo tsy naloa drala rahay. Fa koa, niasa andro amagn'aly tamin'ny asa sarotsy voho gny raha sarotsy rahay, mba tsy ho enta mavesatsy ho gnan'ny kirakiraiky aminareo. 9 Tsy hoe nohon'ny tsy fanagna fahefa ro nanaovanay gnan'io. Fa koa, nanao gnan'io rahay mba ho fitaratsy ho gnanareo , ka mba hanahaky gnanay nareo. 10 Lafa niaraky taminareo rahay, la nandidy gnanareo hoe:" Laha misy raiky tsy te hiasa , la tsy tokony hihinana ie." 11 Fa mahajanjy rahay fa miraviravy tagna gny sasany aminareo. Tsy miasa rozy fa mpitsabaky. 12 Amizao reo olo manahaky gnan'io la didinay voho hanarinay amin'i Jesosy Kristy Tompo, mba hiasa am-pahangina voho hihina gny sakafon-drozy manokana. 13 Fa nareo , ry rahalahy, ka mamoy fo amin'ny fanaova zay marina. 14 Laha misy tsy mankato gny safantsika amy toy taratasy toy, mariho eo imason'ny olo ie sady ka mana fifandraisa aminy, ka mety ho megnatsy ie. 15 Ka rambesy ho fahavalo ie, fa hagnaro hanahaky gny rahalahy. 16 Fa gny Tompon'ny fiadagna anie hagnome fiadagna gnanareo amin'ireo fotoa voho amin'ireo fomba iaby . Ho aminareo iaby anie gny Tompo. 17 Toy ro fanaovako veloma , zaho Paoly , tamin'ny tagnako, zay famantara amin'ny taratasy iaby. Zao ro soratso. 18 Gny fahasoan'i jesosy Kristy Tompontsika anie ho aminareo iaby.