Toko faha 2

1 Amizao gny momban'ny fiavian'i Jesosy Kristy Tompontsika voho gny namory gnantsika iaraky aminy: magnontany gnanareo rahay, ry rahalahy, 2 mba tsy ho mora helengelegny na hihorohoro nareo, na amin'ny fanahy , na amin'ny hafatsy , na amin'ny taratasy zay manahaky gny hoe ho avy aminay, noho gny vokatsy gny fiavian'io andron'ny Tompo io. 3 Ka enga hisy olo hamitaky gnanareo na amin'ny fomba manao akory. Fa tsy ho avy io laha tsy afaran'ny fiavian'ny filavoa, sady gny johary mpandika lalagna la aseho, gny anaky gny fahasimba .[ Fanamarihana: gny dikan-teny sasany la mivaky hoe: " sady johary mpanota la aseho"]. 4 Ie gny manohitsy voho manandratsy gny vatany amin'izay iaby atao hoe Ndranagnahary na zay ivavaha. Vokatr'izay , la nipetraky tao amin'ny Tempolin-Dranagnahary ie sady mampiseho gny vatany hanahaky gnan-Dranagnahary. 5 Tsy ilanareo va fa fony zaho niaraky taminareo la fa niresaky reo raha reo? 6 Amizao hainareo ino ro mita gnazy, mba hisehoany amin'ny fotoa mety raiky avao. 7 Fa gny raha mietaky fandikan-dalagna la fa miasa, misy olo raiky avao misaka gnazy amizao mandra-pangala gnazy teo amin'ny lala 8 Bakeo gny tena mpandika lalagna la haseho , zay hovonoan'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany. Gny Tompo la handay gnazy amin'ny tsy misy dikany amin'ny alalan'ny fisehoan'ny fiaviany. 9 Gny fiavian'izay tena mpandiky lalagna la noho gny asan'ny Satana miaraky amin'ny hery iaby, reo famantara , sady reo fahagaga tsy to, 10 sady miaraky amin'ny fitaky iaby gny amin'ny tsy fahamarigna. Reo raha reo la ho gnan'ireo zay trobo, fotony rozy la tsy nandramby gny hatean'ny fahamarigna mba ahavoavonjy gnan-drozy. 11 Nohon'io antony io la mandefa asan'ny fahadisoa Ndranagnahary mba hinoan-drozy vandy. 12 Vokatr'io la hotsara iaby rozy iaby, reo zay tsy mino gny fahamarigna fa koa mangalaky fahafinareta amin'ny tsy fahamarigna. 13 fa rahay la tokony magnome fisaora gnan-Dranagnahary avao ho gnanareo , ry rahalahy nitiavin'ny Tompo. Fa Ndranagnahary ro nifily gnanareo manahaky gnan'ireo voaloham-bokatsy ho gnan'ny famonjea amin'ny fahamasigna gny Fagnahy voho gny finoa gny fahamarigna. [Fanamarihana: gny dikan-teny hafa la mivaky manahaky gnan'izao:" Fa Ndranagnahary la nifily gnanareo hatramin'ny voalohany ho gnan'ny famonjea]. 14 Io ro niakiany gnanareo tamin'ny alalan'ny filazantsaranay mba ahazoanareo gny voninahits'i Jesosy Kristy Tompontsika. 15 Ka nohon'io, ry rahalahy , mijoroa mare. Tano reo fahamarigna zay nampianary gnanareo. Na tamin'ny safa na tamin'ny taratasinay. 16 Amizao ao i Jesosy Kristy Tompontsika tenany, voho Ndranagnahary Babantsika zay tiantsika voho nagnome gnantsika fankahereza mandrakizay voho gny fahatokisa soa ho gnan'ny ho bakamin'ny alalan'ny fahasoava, 17 hankahery sady hametraky gny fonareo amin'ny asa soa iaby voho gny safa.