Toko 1

1 Paoly , voho Silasy, voho Timoty, ho agny amin'ny fiangonan'ireo Tesaloniana ao amin-Dranagnahary Babantsika voho Jesosy Kristy Tompo. 2 Ho aminareo anie gny fahasoava voho fiadagna bakamin-Dranagnahary Babantsika voho Jesosy Kristy Tompo. 3 Rahay la tokony hagnome fisaora gnan-Dranagnahary ho gnanareo avao, ry rahalahy. Fa io ro soa atao, fotony tena mitombo mare gny finoanareo, sady gny hateanareo kirakiraiky la mitombo ho gnan'ny hafa. 4 Nohon'io la rahay vatanay la miresaky am-pirehareha mikasiky gnanareo eo amin'ireo fiangonan-Dranagnahary. Rahay la miresaky gny mikasikin'ny faharetanareo sady gny finoanareo tamin'ny zay iaby nagnenjeha gnanareo. Miresaky momban'ireo famantara gny fitsara marin-Dranagnahary. Gny vokany la horambesy ho mendriky gny fanjakan-Dranagnahary zay nijalianareo nareo. 6 To amin-Dranagnahary gny hamaly fahoria gnan'ireo zay nampahory gnanareo, 7 sady hagnome fitsara ho gnanareo zay nampahory niaraky tamiany. Hataony io amin'ny fisehoan'i Jesosy Tompo bakagny an-danitsy miaraky amin'ireo anjelin'ny heriny. 8 Ao amin'ny bolo miredareda ro hanaovany gny valifaty amin'ireo zay tsy mahay gnan-Dranagnahary voho amin'ireo zay tsy mamaly gny filazantsaran'i jesosy Tompontsika. 9 Rozy la hijaly amin'ny famaizan'ny fandriangana mandrakizay lavitsy gny fagnatrehan'ny Tompo voho gny voninahitsy gny heriny. 10 hanao gnan'io rozy lafa avy amin'io andro io mba hagnomezan'ny olony voninahitsy gnazy voho higagan'ireo iaby zay nino. Fa gny fijoroanay vavolombelo aminareo la ninoa 11 Nohon'io la mivavaky mandrakariva ho gnanareo avao koa rahay. Mivavaky rahay mba ho mendriky gny ho rambesin-Dranagnaharintsika ain'ny fikahia nareo. Mivavaky rahay mba ho tanterahy amin'ny hery gny fagnirianareo gny hasoa voho gny asan'ny finoa iaby. 12 Mivavaky ho gnan'ireo raha reo rahay mba amianareo voninahitsy gny agnaran'i Jesosy Tompontsika. Mivavaky rahay mba hagnomezany voninahitsy gnanareo, nohon'ny fahasoavan-Dranagnaharintsika voho Jesosy Kristy Tompo.