Toko 1

1 Paoly, apostoly raiky gnan'i Kristy tamin'ny sitrapon-Dranagnahary, voho Timoty rahalahintsika , ho gnan'ny fiangonan-Dranagnaharintsika zay ao amin'ny Korinto , sady ho gnan'ireo mpino manontolo manera gny faritsy Akaia. 2 Ho aminareo anie gny fahasoava voho gny fiadagna bakamin'ny Ndranagnahary Babantsika voho Tompo Jesosy Kristy. 3 Ho renge anie Ndranagnahary voho Baban'ny Tompontsika Jesosy Kristy. Ie ro Baban'ny famindram-po iaby voho Ndranagnaharin'ny fampionona iaby. 4 Ndranagnahary la mampionona gnantsika amin'ny fahoriantsika iaby, ka mba ahafahantsika mampionina reo zay ao agnaty fahoria. Tsika la mampionona reo hafa manahaky gny fampionona zay nampiasan-Dranagnahary ampionona gnantsika. 5 fa manahaky gny hitomboan'ny fijalian'i Kristy nohon'ny aminay, ro hitomboan'ny fampionona gnanay koa amin'ny alalan'i Kristy. 6 Fa laha nampahory rahay, io la ho gnan'ny fampionona voho famonjea gnanareo. Sady nampionony rahay , io la ho gnan'ny fampionona gnanareo. Gny fampionona la mandaitsy lafa manam-pahareta hizara reo fijalia zay mitovy amin'ny fijalianay koa. 7 Fa gny fahatokisanay momba gnanareo la azo antoky , fotony rahay la mahay fa nareo koa la mizara reo fijalia, nareo koa la mizara fampionona. 8 Fa tsy tianay nareo tsy hahay , gny rahalahy, gny amin'ireo olo nanjo gnanay tsgny Asia. Rahay la nivesary tanteraky mandilatsy zay tokony ho anakay, maro loatsy ka tsy nanantena gny hiay ela sasy rahay. 9 Teo aminay tokoa gny fanameloha ho maty. Fa io ro nahatonga gnanay tsy hametraky gny tokinay eo amin'ny vatanay avao, fa koa amin-Dranagnahary zay mampitsanga gny maty. 10 Nagnavotsy gnanay tamin'ny loza mahafaty manahaky gnan'io Ie, sady mbo hagnavotsy ndraiky. Rahay la nametraky gny tokinay fa mbo hagnafaky gnanay ndraiky Ie. 11 Ie la nahazo gnan'io fotony nare koa la magnampy gnanay amin'ny alalan'ny vavakareo . Sady maro bakeo ro hagnome fisaora amin'ny agnaranay noho gny tombom-pahasoava namea gnanay tamin'ny alalan'ireo vavaky gny maro. 12 Rahay la mirehareha amin'izao: Fijoroa vavolombelo gny amin'ny feon'ny fieretseretanay. Fa tamin'ny fikasa malio voho fahatsoram-po zay bakamin-Dranagnahary zay nagnandesanay gny vatanay ao amin'izao tontolo zao. Rahay la nahavita gnanio iaby io sady gny ankabeazany niaraky taminareo__ tsy tamin'ny fahendren'izao tontolo zao, fa tamin'ny fahasoavan-Dranagnahary. 13 Rahay la tsy nanoratsy raha tsy ho voavaky na ho azonareo. Zaho la manantena fa, 14 fotony nareo nahazo gny momba gnanay amin'ny ampahany, rahay la ho anton'ny reharehanareo amin'ny andron'ny Tompontsika Jesosy, manahaky gnanareo ho antony hireharehanay. 15 Fotony natoky gny momba gnan'io aho, la te ho agny aminareo aloha, mba hahafahanareo mahazo tombony amin'ny fitsidiha roe. 16 Niomana gny hamangy gnanareo lafa tegny amin'ny lalako ho agny Makedonia aho. sady bakeo la mbo nagniry hamangy gnanareo ndraiky aho tamin'ny liako bakagny Makedonia, sady gny mba hagnateranareo gnahy tegny amin'ny lalako ho agny Jodia bakeo. 17 Lafa nieritreritsy manahaky gnan'io aho, nisalasala va aho? Nagnoma reo raha reo araky gny nofo va aho, mba ivolagnako " Eka, eka" voho" Tsia, tsia" amin'ny fotoa raiky avao? 18 Fa fotony Ndranagnahary la mahatoky , tsika la tsy afaky gny hiresaky na " Eka" na " Tsia." 19 Fa gny Anakin_dranagnahary, Jesosy Kristy, zay nitorian'i Sylvanosy, Timoty voho zaho taminareo, la tsy " Eka" na "Tsia". Fa Ie la niresaky foana hoe " Eka." 20 Fotony gny fampanantenan-Dranagnahary manontolo la " Eka" avokoa ao aminy. Ka amin'ny alalany koa tsika la hiresaky hoe " Amena" ho gnan'ny voninahitsin-Dranagnahary. 21 Sady Ndranagnahary zay magnamafy gnanay aminareo ao amin'i Kristy, sady Ie ro nagniraky gnantsika. 22 Ie la nagnisy tombo-kase tamintsika sady nagnome gny Fagnahy ho ao am-pontsika ho antok'izay mbo hameany gnantsika ao afara. 23 Fa nikaiky gnan-Dranagnahary aho, hijoro vavolombelo ho gnahy zay antony tsy nahatongavako tao Korinto mba hamindrako fo aminareo. 24 Io la tsy sagnatsia noho rahay miezaky gny mamehy zay tokony ho finoanareo. Fa koa, rahay la miara-miasa aminareo amin'ny fifalianareo, fotony nareo mijoro ao amin'ny finoanareo.