Toko 1

1 1 Paoly , Silasy voho Timoty ho gnan'ny fiangonanireo Tesaloniana ao amin-Dranagnahary Baba voho Jesosy Kristy Tompo. Ho aminareo anie gny fahasoava voho fiadagna.[ Fanamarihana : Reo dikan-teny sasany taloha la mivaky hoe: Ho aminareo anie gny fahasoava voho fiadagna bakamin-Dranagnahary Baba voho Jesosy Kristy Tompo."] 2 Magnome fisaora gnan-Dranagnahary mandrakariva rahay gny aminareo iaby, ka magnoma gnanareo amin'ny vavaky . 3 Rahay la tsy mijno gny mahatiaro gnanareo eo agnatregan-Dranagnahary Raintsika gny asan'ny finoanareo, gny asan'ny hateanareo, voho fahatokianareo maharitsy ho gnan'ny ho bakao amin'i Jesosy Kristy Tompontsika. 4 Ry rahalahy tean-Dranagnahary , hainay fa Ie la fa nifily gnanareo, 5 fotony gny filazantsaranay la bakaminareo tsy tamin'ny safa avao, fa tamin'ny hery avao koa, tamin'ny Fagnahy Masy, voho gny fahatokia be. Mitovy amin'io, nareo avao koa la mahay hoe olo manao akory rahay teo aminareo noho gny aminareo. 6 Nanjary nanahaky gnanay voho gny Tompo nareo, tamin'ny nandrambesanareo gny safa tamin'ny aly sarotsy bevata voho tamin'ny fifalia bakamin'ny Fagnahy Masy. 7 Volatrin'io , nanjary ohatsy ho gnan'ny iaby zay mino ao Makedonia voho Akaia nareo. 8 Fa bakaminareo ro nanehoan'ny safan'ny Tompo , voho tsy tao Makedonia voho Akaia avao.. Fa koa, safa amin'ny toera iaby ro nielezan'ny finoanareo gnan-Dranagnahary. Vokatr'izay , la tsy mila mivola ndra ino ino tsika. 9 Fa rozy avao ro niresaky zay fandraisa azonay teo aminareo. Rozy la miresaky gny fomba nitolihanareo tamin-Dranagnahary ka niala tamin'ireo sampy mba hanompo gnan-Dranagnahary velo voho marina. 10 Rozy la nitatitsy fa nareo la mandigny Gnanany vakagny an-danitsa zay natsangany tamin'ireo maty. Jesosy io, zay magnafaky gnantsika amin'ny fahatezera ho avy.