Toko faha 30

1 Sady lafa avy tagny Ziklaga i Davida voho reo olony tamin'ny andro fahatel, la nanafiky teo amin'ny Negeva teo amin'i Ziklaga reo Amalekita. Nanafiky gnan'i Ziklaga rozy, sady nagnoro gnan'io, 2 Sady nanambotsy reo ampela voho gny olo iaby zay tao amin'io, ndra kely ndra bevata. Tsy namono na ia ia rozy, fa nanday gnan-drozy la nandeha tamin'ny lalany. 3 Lafa nagnagny amin'ilay tana i Davida voho reo olony, la fa ma io, sady reo valiny, reo anaky lahiny, voho reo anaky ampelany la nala ho babo. 4 Bakeo la nampiaka-peo i davida voho reo olo niaraky taminy sady nitagnymandra-paha-tsy nisian'ny hery hitagnia sasy. 5 Voababo reo valin'i Davida roe, Ahinoama Jezerelita, voho Abigaila valin'i Nabala Karmelita. 6 Ory tanteraky i Davida , fotony niresaky momba gny hitoraham-bato gnazy gny vahoaky, fotony mafaitsy ara-pagnahy gny vahoaky manontolo, gny olo kirakiraiky noho gny amin'ireo anaky lahiny voho reo anaky ampelany; fa Davida nagnatanjaky gny vatany tamin'i Yaveh, Ndranagnahariny. 7 Hoy i davida tamin'i Abiatara aak'i Ahimeleka, lay mpisoro;' Miangavy aminao aho, andeso atoy amiko lay efoda." La nandesin'i Abiatara teo amin'i davida lay efoda. 8 Nangataky torolala tamin'i Yaveh i davida, nanao hoe:' Laha magnenjiky io antoko io aho, ho azoko va rozy?' Sady Yaveh namaly gnazy:' Ihagno, fa azo antoky fa ho azonao tokoa rozy, sady azo antoky fa hampimpoly raha iaby iha." 9 La nandeha i Davida , ie voho reo eninjato lahy zay nisondry taminy;sady avy tagny main'ny reniranon'i Besora rozy, zay nijanognan'ireo tariky tagny afara. 10 Fa nanohy gny fagnenjeha i Davida, ie voho reoafajato lahy; fa gny roanjato nijano tafara, zay tena osa ka tsy afaky gny handeha eo amin'ny lohasahan-driakin'i Besora. 11 Nahita Egyptiana raiky tegny an-tsaha rozy sady nanday gnazy tagny amin'i Davida; namean-drozy mofo ie, sady nihina; namean-drozy rono hinomy ie; 12 sady namean-drozy ampahamofo mamin'aviavy voho sampam-boaloboky roe ie. Lafa nihina ie , la nahazo hery ndraiky, fotony tsy nihina mofo na nino rano nandritsa gny telo andro voho telo haly ie. 13 Hoy i davida taminy:Gnan'ia moa iha?Baka aia iha?' La hoy ie:'Tovolahin'i Egypta aho, mpanompon'ny Amalekita raiky; nagnenga gnahy gny tompoko fotony narary aho telo andro lasa zay. 14 nanafiky gnan'i Negevan'i Keretita rahay, voho zay gnan'i Joda, sady Negevan'i Kaleba, sady noroanay i Ziklaga." 15 Hoy i davida taminy;" Handay gnahy hizotso agny amin'ny antoko mpanafiky va iha?" Hoy lay Egyptiana:' Mifanta amiko amin-Dranagnahary mba tsy hamonoanao gnahy na hamadihanao gnahy eo am-pelatagnan'ny tompoko; la hanady gnanao hizotso amin'io antoko mpanafiky io aho." 16 Lafa nanday gnan'i Davida nizotso lay Egptiana, la niparitaky teo amin'ny tany iaby reo mpanafiky, nihina voho nino sady nisandraky noho reo babo iaby zay nalan-drozy tamin'ny tanan'ireo Filitsina sady tamin'ny tanin'i Joda. 17 Nanafiky gnan-drozy i davida nanomboky gny hariva ka hatramin'ny harivan'ny andro magnaraky. Tsy nisy ndra olo raiky aza tafatsoaky afa-tsy reo tovolahy efajato, zay nondra rameva ka nandositsy. 18 La tafampolin'i Davida zay nalan'ireo Amalekita iaby; sady voavots'i Davida reo valiny roe. 19 Tsy nisy raha tsy ampy, ndra kely ndra bevata, ndra reo anaky lahiny , ndra reo anaky ampelany, ndra reo babo, ndra gny raha iaby zay nobaboin'ireo mpanafiky ho gnazy. nampoli'i Davida gny raha iaby. 20 Nalan'i davida reo aondry aman'aosy iaby voho gny aomby, zay nandesin'ireo olo nialoha gny biby fihary hafa. Hoy rozy hoe;' Reo ro babon'i Davida." 21 Avy tagny amin'ireo olo roanjato zay tena osa laha hagnaraky gnazy i davida, reo zay nataon'ireo hafa nijano tagny amin'ny reniraon'i Besora. Reo johary reo la nandroso mba hihaona amin'i davida voho reo vahoaky niaraky taminy. Lafa avy teo amin'ireo olo reo i Davida, la niarahaba gnazy rozy. 22 Reo olo raty fagnahy voho reo nama tsy misy ila gnazy teo amin'ireo zay fa nandeha niaraky tamin'i Davida nilaza hoe:' Fotony tsy nandeha niaraky tamintsika reo johary reo ,la tsy hagnome gnan-drozy reo babo voho zay fa azontsika tsika. Laha tsy hoe afaky mangalaky valiny voho reo anany reo johary kirakiraiky, ka mitariky gnan-drozy, sady mandeha." 23 Sady hoy i Davida;' Tsy tokony hanao gnan'io, amin'izay fa namean'i Yaveh gnantsika, nareo ry rahalahiko. Fa narovany tsika sady fa natolony teo an-tagnantsika reo mpanafiky zay avy nanohits gnantsika. 24 Ia ro hihaino gnaao amin'io tranga io? Fa gny fizara la ho gnan'izay mandeha amin'ny aly, voho ho gnan'ny olo zay mandigny enta avao koa; fa hizara mitivy rozy." 25 La manahaky gny tamin'io andro io ka hatramin'izao, fotony nataon'i Davida ho lily voho lalagna ho gnan'ny Israely io. 26 Lafa avy tagny Ziklaga i Davida, la nandefa gy sasany tamin'ireo babo ho gnan'ireo loholon'i Joda, ho gnan'ireo namany ie, nanao hoe:' Ingo, intoy misy fagnomeza ho gnanao bakamin'ilay babo bakamin'ireo fahavalon'i Yaveh." 27 nandefa gny sasany tagny amin'ireo loholo zay agny Betela avao koa ie, sady ho gnan'ireo zay tagny Ramotan'ny antimo, voho ho gnan'ireo zay agny Jatira, 28 sady ho gnan'ireo zay agny Aroera, voho ho gnan'ireo zay agny Sifmota, sady ho gnan'ireo zay agny Estemoa. 29 Nandefa gny sasany tagny amin'ireo loholo zay agny Rakala, voho reo zay agny amin'ny tanan'i jeramelita, sady reo zay agny amin'ny tanan'ireo Kenita, 30 sady ho gnan'ireo zay agny Horma, voho reo zay agny Korsana, sady ho gnan'ireo zay agny Ataka, 31 voho reo zay agny Hebrona, sady amin'ireo toera iaby zay nandehanan'i davida voho reo olony matetky ie.