Toko faha 29

1 sady namory reo tafiny iaby tao Afeka reo Filistina; 2 Nitoby teo agnilan'ny loharano zay tagny Jezirela reo Israelita. Nozaran'ireo andrian'ny Filistina an-jatony voho agn'arivony gny miaramila; Davida voho reo olony nandeha bakeo amin'ny mpiamby gny vodilala niaraky tamin'i Akisy. 3 Sady hoy reo andrian'ny Filistina:' Ino ro ataon'ireo Hebreo atoy?" Hoy akisy tamin'ireo andrian'ny Filistina hafa:" Fa tsy i Davida va io, lay mpanompon'i saoly, mpanjakan'Israely, zay fa niaraky tamiko tamin'iregny andro regny, na tamin'iregny tao regny aza, sady tsy nahita fahadisoa taminy aho hatramin'izay niarahany tamiko ka hatramin'ny androany?' 4 Nefa reo andrian'ny Filistina la masiaky taminy; hoy rozy taminy:" alefaso mandeha io igny johary io, ao ie himpoly agny amin'ny toerany zay nameanao gnazy; ka enga mandeha miaraky amintsika ho agny amin'ny aly ie, mba tsy ho lasa fahavalontsika amin'ny aly ie. fa manao akory ro ahafahan'io namana io hilongo amin'ny tompony? Moa va tsy amin'ny alalan'ireo lohan'ny olontsika? 5 Moa va tsy io i Davida lay nifampihirahiran-drozy tamim-pisindraha , nanao ho:' Nahafaty agn'arivony i saoly, fa Davida nahafaty agn'aliny?" 6 sady Akisy nikaiky gnan'i Davida ka nanao taminy hoe:' Laha mbo velo koa i Yaveh, la soa iha , sady sitrako gny miara-miboaky voho miaraky aminao ao amin'ny tafiky; fa mbo tsy nahita fahadisoa taminao aho hatramin'ny andro niavianao tatoy amiko ka hatramin'ny androany. Ndra la io aza, la tsy ankasitrahan'ireo andriana iha. 7 Ka amizao mimpolia sady mandehana am-piadagna, mba tsy hampeloky reo andrian'ny Filistina iha." 8 Hoy i davida tamin'i Akisy:' fa ino ro nataoko? Ino ro hitanao tamin'ny mpanomponao hatramin'izay naha-teo anatrehanao gnahy ka hatramin'ny androany, ro tsy afaky mandeha mialy hanohitsy reo fahavalon'ny tompoko mpanjaka aho?" 9 namaly i akisy ka nanao tamin'i Davida hoe:' Haiko fa tsy manan-tsiny manahaky gny anjelin-Dranagnahary eo imasoko iha; ndra la io aza, reo andrian'ny Filistina fa nanao hoe:' Tsy mahazo miakatsy miaraky amintsika ho agny amin'ny aly ie." 10 Ka amizao mifohaza maraindraim-be miaraky amin'ireo mpanompon'ny tomponao zay avy niaraky taminao; vantany vao mifoha iha gny maraindray be sady mazava gny andro, la mandehana." 11 sady Davida nifoha maraindray be, ie voho reo olony, mba hiala maray, mba himpoly agny amin'ny tanin'ny Filitina. Nefa reo Filistina niakatsy tagny Jzirla.