Toko faha 27

1 Nivola tao am-pony i Davida hoe:' Ho matin'ny tagnan'i Saoly aho ndraiky andro agny; tsy misy soa ho gnahy afa-tsy gny mandositsy magnagny amin'ny tanin'ireo Filistina; tsy hila gnahy eran'ny fari-tanin'ny Israly manontolo sasy i Saoly; amin'io lala io ro handosirako hiala amin'ny tagnany." 2 Nitsanga i Davida sady niainga , ie voho reo johary enin-jato zay niaraky taminy, ho agny amin'i Akisy anak'i Maoka, mpanjakan'i Gata. 3 Nipetraky tamin'i Akisy tao Gata i Davida, ie vho reo johariny, gny johary kirakiraiky miaraky amin'ny avorohotany iaby, sady Davida miaraky amin'ireo valiny roe, Ahinoama Jerizelita voho Abigaila Karmelita, valin'i Nabala. 4 Nambara tamin'i Saoly fa nandositsy agny Gata i Davida , ka tsy nila gnazy sasy ie. 5 Hoy i Davida tamin'i Akisy :' Laha nahita fitia teo imasonao aho, ao rozy hagnome toera ao amin'ny tana raiky eo amin'ny firenena ho gnahy, ka hahafahako mipetraky agny: fa nagnino gny mpanomponao ro hiara-hipetraky ao an-tanan'ny mpanjaka miaraky aminao? 6 La namean'i Akisy gnazy gny androtr'io Ziklaga, io ro antony nahatonga gnan'i Ziklaga ho gnan'ny mpanjakan'i Joda nanomboky tamin'io andro io . 7 Herintao feno voho afa-bola ro isan'ny andro zay nipetrahan'i Davida tagny amin'ny tanin'ireo Filistina. 8 Sady toera maro isan-karazany ro notafihin'i Davida voho reo johariny, nanao fanafiha tagny Gesorita, Gizrta, voho Amalekita; fotony reo firenena reo la olo tao amin'ny tany, laha hagnagny sora, ka hatragny amin'ny tany Egypta iha . fa nipetraky tagny rozy taloha. 9 Nanafiky gny tany Davida sady tsy nisy nengany ho velo ndra johary ndra gny ampela, nandesiny gny aondry , gny aomby, gny ampondra, gny rameva, voho gny fisikigna; sady nimpoly ho agnyamin'i akisy ndraiky ie. 10 La hoy i Akisy hoe:' Ia ro notafihinareo androany?" La namaly i Davida hoe:" Gny antimon'i Joda," na Gny antimon'ireo Jaramelita," na " Gny antimon'ireo Kenita." 11 Tsy nisy nengan'i Davida ho velo mba handesy agny Gata ndra johary ndra ampela, fa hoy ie hoe:" Mba tsy hahafahan-drozy mivola hoe:" Manao zao voho zao Davida." Io ro nataony nandritsa gny fotoa iaby nipetrahanytagny amin'ny firenenan'ireo Filistina. 12 Nino gnan'i davida i Akisy ka nanao hoe:' fa nataony zay hagnalagnan'ny Israely vahoakany gnazy tanteraky; nohon'io la ho mpanompoko mandrakizay ie."