Toko faha 26

1 Avy tagny amin'i Saoly tagny Gibea reo zifita sady nivola hoe:' Tsy mietaky agny amin'ny lohasahan'i Hakila, zay mifagnatriky amin'i Jesimona va i Davida?" 2 La niainga i Saoly ka nizotso nagnagny amin'ny efits'i Zifa, nanday joharin'Israely voafantina telo arivo niaraky taminy, mba hila gnan'i Davida agny an-tany efits'i Zifa. 3 Nitoby teo amin'ny havoan'i Hakila i saoly, zay nagnatriky gnan'i Jesimona, teo amoron-dala. Fa nipetraky tagny agn'efitsy i davida, sady hitany fa tamy hila gnazy tagny agn'efitsy i Saoly. 4 Ka nagniraky mpitsikilo i Davida ka nahay fa tena avy tokoa i saoly. 5 Nitanga i Davida sady nandeha tagny amin'ny toera zay nitobian'i Saoly; hitany lay toera nandrian'i Saoly, voho Abnera anak'i Nera, lay Jeneralin'ny tafiny; nandry tao an-toby i Saoly, sady nitoby nagnodidy gnazy reo olo, samby lentin-droro iaby. 6 La hoy i Davida tamin'i ahimeleka Hitita, voho tamin'i Abisay anak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba hoe:' Ia rohandeha hizotso ho agny amin'i Saoly ao an-toby miaraky amiko?' Hoy Abisay hoe:' zaho!Hizotso miaraky aminao aho." 7 Ka nagnagny amin'ny tafiky i Davida voho Abisay gny haly. Niroro tao an-toby niaraky tamin'ny lefony nitsatoky tamin'ny tany teo agnilan'ny lohany i Saoly. Nandry nagnodidy gnazy i Abnera voho reo miaramilany. 8 La hoy Abisay tamin'i Davida hoe:' Napetrakin-Dranagnahary ho eo an-tagnanao gny fahavalonao henanio. Engao lahy aho zao hitomboky gnazy ho amin'ny tany mamely indraiky avo amin'ny lefo. Tsy hamely gnazy fagnindroe azo aho." 9 Hoy Davida tamin'i Abisay hoe:' Ka mamono gnazy; fa ia ro afaky maninjitsy gny tagnany hamely lay voahosots'i Yvaeh ka tsy ho meloky?" 10 Hoy i Davida hoe:' Laha mbo velo koa Yaveh, la Yaveh ro hamono gnazy, lafa ho avy gny andro hahafatesany, na handeha hialy ie ka ho maty. 11 Ho raran'i Yaveh anie gny haninjirako gny tagnako hamely lay voahosony; fa amizao , miangavy aminao aho, rambeso gny lefony zay eo an-dohany voho gny sinin-dranony, sady andao handeha." 12 Ka la nalan'i Davida bakeo an-dohan'i Saoly lay lefo voho lay sinin-drano, la niala rozy. Tsy nisy nahita gnan-drzy na nahay momba gnan'io, na nisy olo nifoha, fa an-droro iaby rozy fotony nilatasky taomin-drozy gny torimaso laliky bakamin'i Yaveh. 13 La nandeha tagny ampita i Davida sady nijoro teo an-tampon'ny tendrombohitsy lavitsy tegny ; nisy halavira bevata nagnelagnela gnan-drozy. 14 Nitabataba mare tamin'ireo vahoaky voho Abnera anak'i Nera i Davida; hoy ie hoe:' Tsy mamaly va iha , ry Abnera?" La namaly Abnera ka nanao hoe:' Ia iha zao mikaikaiky gny mpanjaka zao?" 15 Hoy Davida tamin'i Abnera hoe:' Tsy iha va lay johary be herim-po? Ia ro manahaky gnanao eto Israely? Nagnino ary iha ro tsy niamby gny mpanjaka tomponao? Fa nisy olo nilitsy hamono gny mpanjaka tomponao. 16 Tsy soa zao raha natao nao zao. Laha mbo velo koa Yaveh, la mendriky gny ho maty iha fotony tsy niamby gny tomponao, la lay voahosots'i Yaveh. Amizao la jereo zay misy lefon'ny mpanjaka voho gny sinin-drano teo agnilan'ny lohany!" 17 Nahatiaro gny feon'i Davida i Saoly ka nanao hoe:" Feonao va io, ry Davida anako lahy?" Hoy Davida hoe:' Feoko io , ry moanjaka , tompoko." 18 Hoy ie hoe:' Nagnino ro magnenjiky gny mpanompony gny tompoko? Ino lahy ro nataoko? Ino ro raty eo an-agnako? 19 Amizao , miangavy aminao aho, ao gny tompoko mpanjaka hijanjy gny safan'ny mpanompony , Laha Yaveh ro nampienta gnanao hanohitsy ahy, ao Ie hanaiky fagnatitsy raiky; fa laha olombelo io, la ho voaozo eo imason'i Yaveh anie ie, fa nandroaky gnahy rozy androany,mba tsy hifikirako amin'ny lovan'i Yaveh; hoy rozy tamiko hoe: Mandehana manompo ndranagnaharin-kafa, 20 Amizao , ka enga ho trbo eo amin'ny tany lavitsy gny fagnatrehan'i Yaveh gny rako; fa fa niboaky hila lay parasy raiky manahaky gny hihazan'ny olo tsipoy raiky agny amin'ireo tendrombohitsy gny mpanjakan'Israely." 21 La hoy i saoly hoe:' Nanota aho. Mimpolia , ry Davida, anako lahy; fa tsy hagnisy raty gnanao sasy aho, fotony sarobidy teo imasonao gny aiko androany. Ingo, niadaladala aho sady nanao fahadiso raty mare." 22 Namaly i Davida ka nanao hoe:' Ingo, toy gny lefonao, ry mpanjaka! Ao hisy raiky amin'ireo tovolay hiampita sady nangalaky ka nanday gnan'io agny aminao. 23 Yaveh anie hamaly gny olo kirakiraiky noho gny fahamarina voho gny fahatokiany iaby; fotony nametraky gnanao teo an-tagnako Yaveh androany , fa imgo ts namely gny voahosony aho. 24 Ingo, manahaky gny naha-arobidy gny aimao teo imasoko androany, la enga anie ka homen-danja eo imason'i Yaveh manahaky gnan'io aiko , sady hagnavotsy gnahy amin'ny fahoria iaby anie Ie." 25 La hoy i Saoly tamin'i Davida:" Ho tahy anie iha, ry davida anako! Hanao raha bevata tokoa iha sady ho ambiny ami'io ." Ka nizotra tamin'ny lalany i Davida sady nimpoly tagny amin'ny toerany i Saoly.