Toko faha 15

1 Hoy Saoly tamin'i Saoly :' Yaveh nagniraky ahy hagnosotsy gnanao ho mpanjaka eo amin'ny Israely olony. Amizao la janjigno gny tenin'i Yaveh. 2 Zao ro lazain'i Yaveh tompon'ny maro;' Fa tsinjoko gny nataon'i Amaleka tamin'ny vahoakan'Israely tamin'ny nanoherany gnan-drozy tegny an-dala, lafa niakatsy bakagny Egypta rozy. 3 Amizao mandehana ka tafiho i amaleka sady poteho tanteraky zay iaby hanagnan-drozy . ka miaro gnan-drozy , fa samby vonoy na gny lahy na gny ampela, gny aja voho zaza, gny aomby voho gny aondry, sady gny rameva voho boriky." 4 Nampikaiky i Samoela sady nanisa gnan-drozy tao amin'ny tanan'i Telaima; johary nandeha an-tomboky roe hetsy, sady joharin'i Joda ray aly. 5 Bakeo la avy tagny amin'ny tanan'i amaleka sady nandigny tagny an-dohasaha. 6 La hoy i saoly tamin'ireo Kenita;' Mandehana, miala, miboaha bakeo amin'ireo Amalekita, mba tsy handringako gnanareo miaraky amin-drozy. Fa nampiseho hasoam-pagnahy tamin'ny Israely iaby nareo, fony avy bakagny Egypta rozy." Nohon'io la niala teo amin'ireo Amalekita reo Kenita. 7 Bakeo la namely gnan'ireo Amalekita i saoly, hatragny Havilaha ka hatragny Ora, zay agny antignanan'i Egypta. 8 Sady nataony sambo-belo i Agaga mpanjakan'i Amalekita; naringany tanteraky tamin'ny lelan-tsabatsy gny vahoaky iaby. 9 Fa niaro gnan'i Agaga, mbamin'ireo aondry , aomby, aombivavy mifahy, sady anak'aondry soa mare i Saoly voho reo olo. Gny raha iaby zay soa, la tsy nopotehin-drozy. Fa nopotehin-drozy koa gny raha iaby zay namavoa voho tsy misy dikany. 10 La avy tamin'i Samela gny safan'i Yaveh, nanao hoe:' 11 Nanegnenako gny nanaovako gnan'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin'ny fagnaraha Gnahy ie sady tsy nampihatra gny liliko. Nasiaky i Samoela; nikoraky mare tamin'i Yaveh ie nandritsa gny haly tontolo. 12 Nifoha aloha i samoela mba hihaona amin'i Saoly gny maray. Nagnambara tamin'i Samoela hoe;'Avy tagny Karmela i Saoly sady nananga tsangam-bato ho gnan'ny vatany, sady nitodi-doha ka nanohy nizotso nagnagny Gilgala." 13 La avy tagny amin'i Saoly i Samoela, sady hoy Saoly taminy hoe;' Endrey voatahin'i Yaveh iha! Tanterako gny lilin'i Yaveh." 14 Hoy i Samoela hoe:" Ino io fitrenan'ny aondry ao an-tsofiko io, voho fitrenan'ny aomby zay reko io?' 15 Namaly i Saoly jhoe; Fa nandesiko rozy bakamin'ireo amalekita io. Fa niaro reo aondry voho aomby soa mare reo olo, mba hanaova soro ho gnan'i Yaveh Ndranagnaharinao. Fa naringanay tanteraky gny sisa tavela." 16 La hoy i Samoela tamin'i Saoly hoe;' Lignaso , la ho volagniko gnanao zay nambaran'i Yaveh tamiko tamin'ny haly ;' Mivolagna!" Hoy i Samoela hoe;' Ndra la kely eo imasonao avao aza iha , moa tsy natao ho lohan'ireo fokon'Israely va iha? Sady Yaveh nagnoitsy gnanao ho mpanjaka eo amin'Israely, 18 sady Yaveh nagniraky gnanai tamin'ny lalanao nanao hoe:' Mandehana sady haringano tanteraky reo mpanota, reo Amalekita, sady mialia amin-drozy. 19 Nagnino iha ro tsy nankato gny feon'i Yaveh, fa nangalaky reo babao koa iha sady nanao zay raty teo imason'i Yaveh?" 20 La hoy i Saoly tamin'i Samoela ;' Nankato gny feon'i Yaveh tokoa aho, sady fa nandeha tamin'ny lala zay nagnirahan'i Yaveh gnahy. Fa nosamboriko i Agaga, mpanjakan'ny Amaleka, sady fa narinagako tanteraky reo Amalekita. 21 Fa zao nangalaky gny sasany tamin'ireo babo__aondry, raha soa mare tokoa ho gnan'ny fandrava, mba hanaova soro ho gnan'i YavehNdranagnaharinao agny Gilgala gny olo." 22 Namaly i Samoela hoe:" Mankasitraky gny fagnatitsy dorana voho gny soro tokoa va Ndranagnahary, manahaky gny amin'ny fankatoava gny feon'i Yaveh? Soa noho gny soro gny fankatoava, sady gny mijanjy ro soa mandilatsy gny tavin'aondry lahy. 23 Fa gny fikomiana la manahaky gny fahotan'ny sikily, sady gny fagamafisan-doha al manahaky gny faharatia voho heloky. Fotony fa nolavinao gny safan'i Yaveh, la nanda gnanao tsy ho mpanjaka avao koa Ie." 24 La hoy i Saoly tamin'i Samoela hoe:' Fa nanota aho; fotony nandika gny lilin'i Yaveh voho reo safanao, fotony natahotsy gny olo aho sady nankato gny feon-drozy . 25 Amizao , mba mamela lahy gny heloko, sady mimpolia miaraky amiko mba hanompoako gnan'i Yaveh." 26 Hoy i Samoela tamin'i Saoly hoe;' Tsy himpoly hiaraky aminao aho, fotony nanda gny safan'i Yaveh iha, sady fa nanda gnanao tsy ho mpanjaka eo amin'ny Israely i Yaveh. 27 Laha igny nitodi-doha hiala igny Samoela, la nitanan'i Saoly gny moron-tombok'akanjony, ka nitriatsy io. 28 Hoy i Samoela taminy:' Fa nalan'i Yaveh hiala aminao gny fanjakan'Israely androany sady fa nameany ho gnan'ny namanao, zay soa noho iha. 29 Sady koa, tanjak'Israely la tsy havandy na hampiva gny heviy manao akory; fa tsy olo Ie, ka hiova hevitsy." 30 La hoy i Saoly hoe;' Fa nanota aho fa ingo mba omeo voninahitsy eo agnatrehan'ireo loholon'ny vahoakako voho eo agnatrehan'ny Israely lahy aho amizao. Miaraha mimpoly amiko ndraiky, mba hanompoako gnan'i Yaveh Ndranagnaharinao." 31 Ka nimpoly nagnaraky gnan'i Saoly ndraiky i Samoela, sady nanompo gnan'i Yaveh i Saoly.' 32 La hoy i Samoela hoe;' Andeso atoy amiko etoa i Agaga mpanjakan'ireo Amalekita ." La nagnagny aminy i Agaga mifehy amin'ny gadra-vy sady nanao hoe;" Fa lasa tokoa gny hafaitsin'ny fahafatesa." 33 Namaly i Samoela hoe:" Araky gny nanaovan'ny sabatsy reo ampela ho momba, la ho momba manahaky gnan'io koa gny reninao eo amin'ireo ampela ." La nokapakapahin'i Samoela teo agnatrehan'i Yaveh tagny Gilgaga i Agaga. 34 Nagnagny Rama i Samoela, sady Saoly niakatsy tagny an-tragnony tagny Gbean'i Saoly. 35 Tsy nahita gnan'i Saoly i Samoela hatramin'ny andro nahafatesany, fa nalahelo mare gnan'i Saoly ie. Sady nanegny i Yaveh gny amin'ny nanaovany gnan'i Saoly ho mpanjaka teo amin'ny Israely.