Toko faha 14

1 Ndraikik'andro, i Jonatana anak'i Saoly nivola tamin'ilay Zatovy mpanday gny fialiany hoe;' andao, andeha tsika hiampita egny amin'ny toby miaramilan'ny Filistina egny ampita." Nefa tsy nolazainy gny rainy. 2 Nipetraky teo amin'ny magnodidy gnan'i gibea ambanin'ny hazon'ampongamben-dagnitsy zay tao Migrona i Saoly. Teo ho eo amin'ny johary eninjato teo ro iaraky taminy, 3 agnisan'ip ahia, anak'i ahitoba( rahalahin'Ikaboda) anak'i Finehasa anak'i Ely, lay mpisoron'i Yaveh tao Silo, zay niakanjo efoda. Tsy hainy gny vahoka hoe lasa i Jonatana. 4 Teo amin'ny lafy kirakiraiky amin'ny fitana zay nirian'i Jonatana handehana mba hankanesa agny amin'ireo miaramilan'ny Filistina, la nisy haram-bato teo amin'ny andaniny sady haram-bato hafa teo amin'ny ankilany. Gny harambato raiky nikaihy hoe Bozeza sady gny harambato raiky hafa nikaihy hoe Sena. 5 Gny harambato raiky nijoro teo avaratsy nagnatriky gnan'i Mikmasy, sady lay hafa teo antimo teo agnatrehan'i geba. 6 Hoy i Jonatana tamin'ilay zatovo mpnaday gny fialiany:' andao, andeha tsika hiampita egny amin'ny miaramilan'ireo nama tsy voafora reo. Vasa Yaveh mba hiasa ho gnantsika , fa tsy misy na ino ino mahakasiky gnan'i Yaveh amin'ny famonjea amin'ny maro na amin'ny olo tsy ampy." 7 Namaly gny mpanday gny fialiany hoe;' ataovo gny raha iaby zay ao am-ponao. Mandrosoa, ingo, miaraky aminao aho, mba hankato reo baikonao manontolo." 8 La hoy Jonatana hoe;' hiampita ho egny amin'ireo johary tsika, sady hiseho eoamin-drozy. 9 Laha mivola amintsika rozy hoe;' Mandignasa egny mandra-piavianay egny aminareo_la hijano eo amin'ny toerantsika tsika ka tsy hiampita egny amin-drozy. 10 Kanefa laha mamaly rozy hoe;' Mamonjea atoy aminay, la hiampita tsika; fotony fa natolots'i Yaveh ho eo an-tagnantsika rozy. Io ro ho famantara ho gnantsika." 11 Ka samby niseho teo amin'ny toby miaramilan'ny Filistina rozy. Hoy reo Filistina:' Ingo, miboaky bakao amin'ireo lavaky zay nagnafenan-drozy gny vatany reo Hebreo ." 12 La nikaiky gnan'i Jonatana voho gny mpanday gny fialiny reo joharin'ny miaramila, ka nanao hoe:' Miakara atoy amiko, la hampisehoanay raha nareo . Hoy jonatena tamin'ny mpanday gny fialiany;' Magnaraha ahy bakao afara, fotony fa natolon'i Yaveh eo an-tagnan'ny Israely.' 13 Nihaniky tamin'ny tagnany voho gny Jonatana, sady nagnaraky bakao afarany gny mpanday gny fialiany. Novonoa teo agnatrehan'i Jonatana reo Filistina, sady gny mpanday gny fialiany namono gny sasany tafarany. 14 Io fanafahi voalohany zay nataon'i Jonatana voho mpanday gny fialiany io, la nahafaty tokony ho johary roapolo tao amin'ny faritsy gny atsasa-hektara. 15 Nisy savoritaky bevata tao an-toby, tagny an-tsaha, voho teo amin'ireo vahoaka. Ndra la gny miaramila voho reo mpanafiky aza la natahotsy. Nihovitsovitsy gny tany, sady nisy tahotsy bevata. 16 Sady reo mpitilin'i Saoly tagny Gibeana'ny Benjamina nijery; niparitaky gny vahoakan'ny miaramila Filistina , sady nankety sy nankeroa rozy. 17 La hoy Saoly tamin'ny vahoaky zay niaraky taminy :' Isao sady jereo zay tsy eto amintsika ." Lafa nagnisa rozy, la i Jonatana voho gny mpanday gny fialiany ro tsy teo. 18 Hoy Saoly tamin'iAhia:' Andeso atoy gny fiaran-Dranagnahary, " fa tagny amin'ny vahoakan'ny Israely io tamin'io fotoa io. 19 Laha niresaky tamin'ny mpisoro i saoly, la nitohy voho nitombo gny tabataba tao an-tobin'ny Filistina. La hoy Saoly tamin'ny mpisoro : Ahemoro gny tagnanao." 20 Nivondro sady nandeha tagny agn'aly i Saoly voho gny vahoaka iaby zay niaraky taminy. Gny sabatsy gny Filistina kirakiraiky la namely gny mpiray tana taminy, sady nisy fifanjevona bevata tokoa. 21 sady reo Hebreo zay niaraky tamin'ireo Filistina taloha reo, voho zay nandeha tagny an-toby aza la mba nikamba tamin'ireo Israelita zay niaraky tamin'i Saoly voho Jonatana. 22 Lafa ren'ny olon'Israely lafa zay nietaky tagny amin'ireo havoa agnilan'i Efraima fa nandositsy reo Filistina, la nenjehin-drozy agn'aly reo . 23 Ka tamin'io andro io la nagnavotsy gny Israely i Yaveh, sady nandilatsy nagnagny Betavena gny aly. 24 Ory gny olon'ny Israely tamin'io andro io fotony i Saoly nametraky gny vahoaky tao ambany fiaigna sady nanao hoe:' Voaozo gny olo zay mihina sakafo mandra-pahariva sady zaho la hamaly faty eo amin'ireo fahavaloko." La tsy nisy olo bakao amin'ny antoko nanendry sakafo. 25 Sady nilitsy tao agn'ala gny vahoaky iaby sady nisy tantely teo amin'ny tany. 26 Lafa nilitsy tao agn'ala gny vahoaky , la nikoria gny tantely, nefa tsy nisy olo nanao gny tagnany tao am-bavany fotony natahotsy gny fiaigna gny vahoaky. 27 Nefa tsy ren'i Jonatana fa namehy gny vahoaky tamin'ny fiaigna gny rainy. La nagnandra gny tendron'ny tehiny zay tegny an-tagnany ie sady nagnatsoboky gnan'io tao amin'ny tohon-tantely. Nampiakatsy gny tagnany teo am-bavany ie, ka nazava gny masony . 28 sady raiky tamin'ny vahoaky , namaly hoe:' Novesaran'ny rainao tamin'ny fiaigna henja tokoa gny vahoaky , tamin'ny nilazany hoe;' Voaozona gny olo zay mihina sakafo amy toy andro toy , ndra malemin'ny hanoagna aza gny vahoaky.' 29 La hoy Jonatana:' Nagnakoronta gny tany gny raiko. Jereo fa lasa nazava gny masoko fotony nagnandra kely tamy toy tantely toy aho. 30 Mainka laha nihina am-palalaha tamin'izao voaroba tamin'ireo fahavalon-drozy zay hitany androany gny olona? Fotony tsy bevata teo amin'ireo Filistina gny famonoana amizao." 31 Tamin'io andro io la nanafiky reo Filistina nanomboky tao Mikmasy hatragny Aialona rozy. Reraky tanteraky gny vahoaky. 32 Nilay mare tamin'ireo voaroba gny vahoaky ka nangalaky aondry, aomby voho anak'aomby, sady namono reo teo amin'ny tany. Nihina gnan'io niaraky tamin'ny ra gny vahoaky. 33 La hoy rozy tamin'i saoly:' Ingo, nanota tamin'i Yaveh tamin'ny fihinana niaraky tamin'ny ra gny vahoaky.' Hoy i Saoly :' Nanao zay tsy mahatoky nareo. Amizao, manakodia vato bevata eto ho ahy." 34 Hoy i saoly:' Miboaha bakeo amin'ny vahoaky, sady lazao an-drozy hoe:' ao gny olo kirakiraiky handay gny aomby voho aodriny, vono eto reo, sady hano. Ka manota amin'i Yaveh amin'ny fihinana miaraky amin'ny ra.' Ka gny kiraliariky tamin'ny vahoaky la nanday gny aomby niaraky taminy io haly sady namono io teo. 35 Nagnamboatsy alitara ho gnan'i Yaveh Saoly, zay alitara voalohany namboariny ho gnan'i Yaveh. 36 La hoy Saoly;' andeha tsika hagnenjiky reo Filistina rahalahy sady handroba gnazy reo mandra- maray ; andeha tsy engantsika hisy ho velo ndra la raiky amin-drozy aza." Namaly rozy hoe;" ataovo gny raha iaby zay mety ho soa aminao." Nefa hoy gny mpisoro;' Andeha tsika hamonjy gnan-Dranagnahary eto." 37 Nagnontany gnan-Dranagnahary i saoly hoe;' Tokony hagnenjiky reo Filistina va aho?' Hanolotsy gnan-drozy eo an-tagnan'ny Israely va Iha? Nefa tsy namaly gnazy Ndranagnahary tamin'io andro io . 38 La hoy i Saoly :' Avia eto, nareo mpitariky gny vahoaky iaby; fantaro sady jereo gny fomba nitranagan'izao fahota zao androany . 39 Fa, laha mbo velo koa Yaveh , zay magnavotsy gny Israely, ndra la ao amin'i Jonatana anako aza io, la ho maty tokoa ie." Nefa tsy nisy tamin'ireo olo teo amin'ny vahoaky iaby namaly azy. 40 La hoy ie tamin'ny Israely iaby:" Mitsanga eo amin'ny ankilany, sady zaho voho Jonatana anako la ho eo amin'ny andaniny." Hoy gny vahoaky tamin'i Saoly;' ataovo zay mety ho soa aminao." 41 Ka la hoy Saoly tamin'i Yaveh, Ndranagnahary gny Israely:' Asehoy gny Tomima." Jonatana voho saoly ro azo taminy filokagna, fa tafiala tsy voafily koa gny vahoaky. 42 La hoy Saoly;' Manaova filoka amiko voho Jonatana anako." La i Jonatana ro voafidy tamin'ny filoka. 43 La hoy Saoly tamin'i Jonatana:' Lazao ahy zay nataonao." Hoy Jonatana taminy :' Nagnandra kely tamin'ny tantely teo amin'ny vodin'ny hazo zay tety an-yagnakoaho. Intoy aho; ho maty aho.' 44 Hoy Saoly :' Hanao gnan'io Ndranagnahary sady hanao mandilatsy amiko avao koa, laha tsy maty iha , ry Jonatana." 45 La hoy gny vahoaky tamin'i Saoly:' Tokony ho maty va i Jonatana, zay nahatanteraky zao fandresea bevata ho gnan'ny Israely zao? Sagnatsia anie io! Laha mbo velo koa i Yaveh, la tsy hisy singany raiky amin'ny volon-dohany hilatsaky amin'ny tany, fa niasa niaraky tamin-Dranagnahary ie androany. Ka nagnavotsy gnan'i Jonatana gny vahoaky hay ka tsy maty ie. 46 La nijano tsy nagnenjiky gny Filistina i Saoly, sady nandeha tagny amin'ny toeran-drozy gny Filistina. 47 Lafa nanomboky nanapaky gny Israely i Saoly, la nialy tamin'ireo fahavalony iaby tegny amin'ny lafiny iaby ie. Nialy tamin'ny Moaba, reo Amonita, Edoma, reo mpanjakan'i Zoba , sady reo Filistina ie. Na taia taia nitolihany, la nampagnandesiny sazy rozy. 48 Niasa tamin-kerim-po bevata ie ka nandresy reo Amalekita. Namonjy gny Israely ho afaky tamin'ny tagnan-drozy zay nandroba gnan-drozy ie. 49 Reo anaky lahin'i Saoly la i Jonatana, Jisvy, sady Malkisoa. Gny agnaran'ireo anany roa vavy la i Meraba, vavaimatoa, sady Mikala, faravavy. 50 Ahinoama ro agnaran'ny valin'i Saoly; anaky ampelan'i Ahamaza ie. Gny agnaran'ny kapitenin'ny tafiny la Abnera anak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly. 51 Kisy ro rain'i saoly; sady Nera, rain'i Abnera, ro anaky lahin'i Abiela. 52 Nisy aly mare teo amin'ireo Filistina tamin'ny andron'i saoly manontolo. Lafa nahita olo mahery, na olo mahery fo i Saoly , la nalany ho gnazy ie.