Toko faha 11

1 Bakeo Nahasy Amonita nandeha sady nitoby tagny Jabesi-Gileada. Hoy gny olon'i Jabesy iaby tamin'i nahasy hoe: Manaova fagnenkea miaraky aminay, la hanompo gnanareo rahay." 2 La namaly i Nahasy Amonita hoe:" Amin'izo petraky zao hanaovako fifagnenkea aminareo, la gny hipotsirako gny maso ankavanananareo iaby, sady io ro fomba hagnandesa fahafaham-baraka eo amin'Israely manontolo." 3 Sady gny loholon'i Jabesy namaly gnazy hoe:' Engao raiky mandritsa gny fito andro rahay, mba hahafahanay mandefa iraky magnagny amin'ny fari-tanin'Israely manontolo. Sady , laha tsy misy ndra raiky aza hamonjy gnanay, la hitolo-bata aminareo rahay." 4 La avy tagny Gibea, zay nipetrahan'i Saoly reo iraky,sady nilaza zay raha nitranga tamin'ny fokonolo manontolo. 5 Sady magnaraky reo aomby bakao an-tsaha i Saoly. Hoy i Saoly:' Ino ro mahazo gnan'ireo fokonolo ka mampitagny gnan-drozy?' La noresahan-drozy tamin'i Saoly zay nivolagnin'ny joharin'i Jabesy. 6 Lafa ren'i Saoly zay nolazain-drozy, la nilatsaky teo aminy gny Fagnahin-Dranagnahary, ka nasiaky mare ie. 7 Nangalaky ziogan'aomby raiky ie, ka nokapakapahiny, sady nalefany nanera gny Israely miaraky tamin'ireo iraky reo. Hoy ie:'Zay iaby tsy hiboaky hagnaraky gnan'i Saoly voho Samoela , la manahaky gnan'iregny fatao aomby." Sady nilatsaky tamin'ny fokonolo gny horohoron'i Yaveh, ka niara-niboaky manaky gny olo raiky rozy. 8 Lafa namory gnan-drozy tagny Bezeka ie, la nisy telo hetsy gny fokonolon'Israely, sady gny olon'ny Joda la telo aly. 9 Hoy rozy tamin'ireo iraky zay avy: ' Hilaza amin'ny olon'ny Jabesi-Gileada nareo hoe:' hamaray , amin'ny fotoa mampahamay gny masoandro , la ho voavonjy nareo." Ka nandeha reo iraky sady nilaza tamin'ny olon'i Jabesy, sady nazoto rozy. 10 La hoy gny olon'i Jabesy tamin'i Nahasy:' Hitolo-bata aminao rahay hamaray, la afaky ataonao aminay zay hitanao fa mety aminao." 11 Gny hamaray la napetrak'i Saoly agnaty vondro telo gny fokonolo. La nandeha teo agnivon'ny toby tamin'ny fiambena maray rozy, sady nanafiky rozy ka naharesy reo Amonita manadra-pahamay gny andro. Reo zay mbo velo la naely, mba tsy hisian'ny roe hiara-tavela. 12 La hoy gny fokonolo tamin'i Samoela:' Zay lay nivola hoe;' Hanjaka eto amintsika va i Saoly? andeso reo olo, mba hahafahantsika mamano gnan-drozy." 13 Fa hoy i Saoly:' ao mba tsy hisy ho maty ndra raiky amy toy andro toy, fotony nagnavotsy gnan'Israely Yaveh androany." 14 Bakeo la hoy i Samoela tamin'ny fokonolo;' Andao , andeha tsika handeha agnny gilgala sady hagnavao gny fanjaka agny ndraiky. 15 Ka nandeha tagny Gilgala gny folokonolo manontolo sady nanao gnan'i Saoly ho mpanjaka teo agatrehan'i Yaveh tagny gilgala. Tagny ro nanaovan-drozy soro fagnati-pilongoa teo agnatrehan'i Yaveh, sady Saoly voho reo joharin'Israely la feno hazotoa tanteraky.