Toko faha 10

1 La nangalaky tavoangy misy gny diloilo i Samoela, nandraraky gnan'io teo agnabon'ny lohan'i Saoly, sady nanoraky gnazy . Hoy ie hoe: Moa va yaveh tsy fa nagnosotsy gnanao ho mpanapaky gny lovany? 2 Lafa hagnenga gnahy iha henanio , la hahita johary roe eo agnilan'ny fasan-dRahely , ao amin'ny faritanin'i Benjamina ao Zelza. Hivola aminao rozuy hoe;' Reo boroky zay nilanao la fa hita. Amizao gny razambenaola nijano tsy niahiahy gny amin'ireo boriky sady la manahy gny momba gnanao, mivola hoe:" Ino ro tokony hataoko mahakasiky gny anako lahy?' 4 Hiarahaba gnanao rozy sady hagnome mofo roe gnanao , zay halanao bakegny an-tagnan-drozy. 5 Afaran'io , la himpoly ho eo amin'ny havoan-Dranagnahary iha, zay misy gny miaramilan'ny Filistina. Lafa avy ao amin'ilay tana iha la hihaona amin'ny andiam-paminany hizotso bakagny amin'ny toera abo miaraky amin'ny lokanga, amponga tapaky, sodina, voho valiha eo alohan-drozy; haminany rozy. 6 Gny Fagnahin'i Yaveh hilatsaky eo aminao, sady haminany miaraky amin-drozy, ka hiova ho johary hafa. 7 Sady lafa avy aminao reo famantara reo, la atoavo zay iaby hitan'ny tagnanao fa tokony ho atao, fotony Ndranagnahary momba gnanao. 8 Mizotsoa eo mialoha gnahy agny Gilgala. La hizotso agny aminao aho hanolotsy reo fagnatitsy dorona sady hanao soro fagnati-pilongoa. Mandignasa fito andro mandra-pandehanako ho eo aminaosady hampisehoako aminao zay tokony hataonao." 9 Lafa nitodi-dambosy hangnenga gnan'i Samoela i saoly , la namean-Dranagnahary gnazy gny fo vaovao. La avy reo famantara iaby reo tamin'io andro io. 10 Lafa avy tegny amin'ny havoa rozy, la nisy andiana mpaminany nihaona taminy, sady Fagnahin-Dranagnahary nizotso teo aminy ka naminany niaraky tamin-drozy ie. 11 Lafa nahita gnazy niaraky tamin'ireo mpaminany gny olo iaby zay nahay gnazy taloha, la nifampiresaky gny olo hoe;' Ino ro nahazo gny anaky lahin'i Kisy? Agnisan'ny raiky amin'ireo mpaminany ko ava i Saoly? 12 Nisy johary nipetraky teo amin'io toera io namaly hoe:' La ia ro rain-drozy?' Nohon'io la lasa fivolagna gny hoe;' Agnisan'ireo mpaminany avao koa va i Saoly?" 13 Lafa nahavita gny faminania ie la nagnagny amin'ny fipetraha abo. 14 La hoy gny dadatoan'i Saoly taminy vohp gny mpanompony hoe:' Taia ro nandehahanareo?" Namaly rozy hoe:" Nila reo boriky. Lafa hitany fa tsy nety hatanay reo, la nagnagny amin'i Samoela rahay." 15 Hoy gny dadatoany'i saoly hoe:' Mba volagno amiko lahy zay nolazain'i Samoela taminareo.' 16 Namaly gny rahalahin-drainy i saoly hoe;' Nivola tamiany raha ie fa fa hita reo boriky." Fa tsy nivola taminy gny momba lay resaky fanjaka zay fa nolazain'i Samoela ie. 17 La nikaihin'i Samoela hiaraky teo agnatrehan'i Yaveh tao Mizpa reo fokonolo. 18 Hoy ie tamin'ieo olon'Israely hoe;' Zao ro lazain'i Yaveh, Ndranagnaharay gny Israely:' Namoaky gny Israely hiala bakao Egypta Aho sady nagnavotsy gnanareo te amin'ny tagnan'ireo Egyptianna, sady tamin'ny tagnan'ireo fanjaka iaby zay nampijaly gnanareo. 19 Fa amizao nanda gny Ndranagnaharinareo, Zay nagnavotsy gnanareo tamin'ireo loza voho fijalianareo iaby nareo; sady nilaza taminy nareo hoe:' Mametraha mpanjaka eo aminay. Amizao atolory eo agnatrehan'i Yaveh araky reo fokonareo voho vondronareo gny vatanareo." 20 La nagnariniky gnan'i Samoela reo fokon'Israely manontolo, sady gny fokon'i Benjamina ro voafily. 21 Bakeo la nandesy nagnariniky gny vondron-drozy gny fokon'i Benjamina; sady gny fokon'ny Matrta ro voafily, sady Saoly anaky lahin'i Kisy la voafily. Fa lafa nandeha nila gnazy rozy la tsy nety hita ie. 22 sady gny olo la te-hametra-pagnontania bebe kokoa tamin-Dranagnahary hoe:' Mbo misy johary hafa ho avy va?' Yaveh namaly hoe:' Nagnetaky gny vatany ao amin'ireo enta ie." 23 La nilay rozy sady nangalaky gnan'i saoly bakao. Lafa nitsanga teo amin'ireo olo ie lava mandilatsy gny olo iaby vakeo an-tsorony no ho miakatsy ie. 24 La hoy Samoela tamin'ireo olo hoe;' hitanareo va lay johary zay fa voafilin'i Yaveh? Tsy misy olo manahaky gnazy eo amin'ny fokonolo iaby! Gny olo iaby nikaikaiky hoe:' ho ela velo gny mpanjaka!" 25 La nilaza tamin'ny fokonolo reo fomba voho reo fitsipiky gny fanjaka i samoela, nanoratsy reo tao agnaty boky, sady nametraky gnan'io teo agnatrehan'i Yaveh. Bakeo la nalefan'i Samoela gny fokonolo manontolo ho agny amin'ny tragnony iaby. 26 Noly tagny an-tragnony tao Gibea avao i Saoly , sady niaraky tamin'ireo johary matanjaky sasany, zay nokasihin-Dranagnahary gny fony. 27 Fa gny sasany tamin'ireo tsy misy dikany nanao hoe;' Manao akory ro hahafahan'io johary io magnavotsy gnanay?' Nagnaraby gnan'i saoly reo olo reo sady tsy mba nanday fagnomeza ho gnazy. Fa nangina koa i Saoly.