Toko 1

1 Petera, apostolin'i Jesosy Kristy, ho gnan'ireo anaky am-pieleza, reo zay voafily, manera gnan'i Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia, voho Bitynia. 2 Izay la araky gny hain-Dranagnahary Baba mialoha, voatokan'ny Fagnahy ho fankatoava voho ho famafaza gny lion'i Jesosy Kristy. Ho agnaminareo anie gny fahasoava, sady hitombo anie gny fiadagnanareo. 3 Ho tahy anie Ndranagnahary voho Baban'i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin'ny famindram-po, ro nagnomeny antsika fahateraha vaovao ho gnan'ny fahatokisan'ny lova. Izay lova izay la tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. 4 Izay la ho gnan'ny lova zay tsy ho maty, tsy ho simba, sady tsy ho rava. Izay la voatoka ho gnanareo agny an-dagnitsy. 5 Nareo la arovan'ny herin-Dranagnahary amin'ny alalan'ny finoa, ho gnan'ny famonjea zay fa vonona ho ambara amin'ny fotoa farany. 6 Tena ravoravo mikasiky izay nareo, na la ilanareo aza gny hahatiaro malahelo amin'ny ola maro samby hafa henanio. 7 Izay la ho gnan'ny fana-porofoa gny finoanareo, zay sarobidy mare noho gny volamena zay simba, na la nosendra tamin'ny bolo aza. Miseho izay mba ho hita gny vokatsy gny finoanareo amin'ny fandrengea, voninahitsy, sady haja amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy. 8 Tsy nahita Gnazy nareo, nefa tea Gnazy. Tsy majery Gnazy nareo henanio, nefa mino Gnazy tena faly amin'ny fifalia tsy hay volagny, mahafinaritsy. 9 Rambesonareo henanio gny vokatsy gny finoanareo, la gny famonjea gny fagnahinareo. 10 Reo mpaminany la nikaroky voho nagnontany soa gny mikasiky izay famonjea izay, gny mikasiky gny fahasoava zay ho gnanareo. 11 Rozy la nila gny hahay gny mikasikin'ny hoe ia voho mbia gny Fagnahin'i Kristy ao amin-drozy ro nivola tamin-drozy. Izay la nitranga manahaky gny nambarany gnan-drozy mialoha mikasiky reo fijalean'i Kristy voho gny voninahitsy magnaraky izay. 12 Nambara tamin-drozy izay mba tsy hanompo gny vatany rozy, fa nareo, lafa nivola reo raha zay voambara tagnaminareo henanio rozy tamin'ny alalan'ireo tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masy nalefa bakagny an-dagnitsy--raha zay tean'ireo anjely ho hay. 13 Noho izay homano gny sainareo. Mahonogna tena. Mametraha fitokia amin'ny fahasoava zay ho andesy eo agnaminareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy. 14 maha-anaky mpankato, aza mampifagnaraky gny vatanareo amin'ireo fagniria zay narahinareo tamin'ny mbo tsy nahaizany anareo. 15 Fa manahaky gny raiky zay nikaiky gnanareo hoe masy, nareo, avao koa, ao ho masy amin'ny fitondran-tegnanareo iaby. 16 Fa voasoratsy hoe: " Ao ho masy, fotony masy Zaho." 17 Ka laha mikaiky gny raiky zay mitsara tsy misy fagnavakavaha araky gny asan'olo kiraidraiky aby hoe: " Baba" nareo, la handany gny fotoan'andronareo amin'ny fanehoa fanaja. `18 Hainareo fa tsy bakamin'ny volafoty na volamena mety rava ro nagnavota gnanareo tamin'ny fitondran-tena adala zay nianaranareo tamin'ireo razanareo. 19 Fa koa, navota tamin'ny lio sarobidin'i Kristy nareo, zay manahaky gny anak'aondry tsy misy kilema na tsiny. 20 Voafily talohan'ny nanangana an'izao tontolo izao Kristy, fa henanio la tamin'ireo fotoa farany ro nagnambara Gnazy tagnaminareo. 21 Amin'ny alalany ro hinoanareo an-Dranagnahary, zay nananga gnazy tamin'ny maty voho tamin'ireo nomeny voninahitsy mba ho ao amin-Dranagnahary gny finoa voho fahatokianareo. 22 Nagnalio gny fagnahinareo tamin'ny fankatoava gny fahamarigna nareo. Izay la ho gnan'ny fitiava ara-pirahalahia malio; noho izay mifankatiava mare amin'ny fo. [Fanamariha: Reo dikan-teny sasany la mivaky hoe: " Nagnalio gny fagnahinareo tamin'ny fankatoava gny fahamarigna tamin'ny alalan'ny Fagnahy nareo"] 23 Nateraky ndraiky nareo, tsy bak'amin'ny voa mety, fa bak'amin'ny voa tsy maty, amin'ny alalan'ny safan-dranagnahary velo voho mipetraky. 24 Fa "gny nofo iaby la manahaky gny akata, sady gny voninahiny iaby la manahaky gny ravin'akata. Maiky gny akata, sady malazo gny raviny, 25 fa gny safan'ny Tompo la mipetraky mandrakizay." Izay gny vaovao mahafaly zay nambara tagnaminareo.