Toko 1

1 Adama, Seta , Enosy, 2 Kenana, Mahalalila, Jareda, 3 Enoka, Metosela, Lameka. 4 Sema, Hama voho Jafeta ro anaky lahin'i Noa. 5 Reo anaky lahin'i Jafeta la Gomera, Magoga, Maday, Javana, Tobala, Maseta, voho Tirasa. 6 Sady reo anaky lahin'i Gomera la Askenaza , Rifata, voho Togarma. 7 Reo anaky lahin'i Javana la Elisa, Tarisiky, Kitima, voho Dodanita. 8 Reo anaky lahin'i Hama la i Kosy, Mizraima, Pota, voho Kanana. 9 Reo anaky lahin'i Kosy la i Seba, Havila, Sabta, Ragama, voho Sabketa. Reo anaky lahin'i Ragama la i Seba voho Dedana. 10 Kosa niteraky gnan'i Nimroda, zay mpandresy voalohany teto an-tany. 11 Mizraima la lasa razamben'ireo Lodita, Anamita, Lehabita, Naftohita, 12 Patrosita voho Kaslohita(zay niavian'ireo Filistina), voho reo Kaftorita. 13 Kanana niteraky gnan'i Sidona, lahimatoany, voho Heta. 14 Lasa razamben'ny Jebosita, voho Girgasita, 15 Hivita, Arkita, Sinita, 16 Arvadita, Zemarita, voho gny Harnatita avao koa ie. 17 Reo anaky lahin'i Sema la Elama, Asyra, Arpahada, Loda, Arama, Oza, Hola, Gatera, voho Maseka. 18 Arpaksada niteraky gnan'i Sela, sady Sela niteraky gnan'i Ebera. Nana gnanaky roe lahy i Ebera. 19 Gny agnarany gny raiky la Palega, fotony tamin'ny androny la nizara gny tany. Joktana gny agnaran'ny rahalahiny. 20 Joktana niteraky gnan'i Almodada, Salefa, Hazarmaveta, Jera, 21 Hadorama, Ozala, Dikla 22 Ebala, Abimaela, Seba, 23 Ofira, Havila, Jobaba; avorohotan'i Joktana iaby rozy. 24 Sema, Arpaksada, Sela, 25 Ebera, Palega, Reo, 26 Seroga, Nahora, Tera, 27 Abrama, zay Abrahama io. 28 Reo anaky lahin'i Abrahama la Isaka voho Ismaela. 29 Reto iaby gny anaky lahin-drozy:" Gny lahimatoan'Ismaela la i Nebaiota, bakeo Kedara, Addela, Mibsama, 30 Misma, Doma, Masa, Hadada, Tema, 31 Jetora, Nafisy, voho Kedma. Reo ro anaky lahin'Ismaela. 32 Reo anaky lahin'i Ketora, Vaditsindranon'i Abrahama, la i Zimrama, Joksana, Medana, Midiana, Jisbaka, voho Soaha. Reo anaky lahin'i Joksana la i Sheba voho Dedana. 33 Reo anaky lahin'i Midiana la i Efaha, Efera, Hanoka, Abida, voho Eldaha. Reo iaby reo la avorohotan'i Ketora. 34 Abrahama niteraky gnan'Isaka. Reo anaky lahin'Isaka la Esao voho Israely. 35 Reo anaky lahin'i Esao la Elifaza, Regoela, Jeosy, Jalama, voho Kora. 36 Reo anaky lahin'i Elifaza la Temana, Omara, Zefo, Gatama, Kenaza, Timna, sady Amaleka. 37 Reo anaky lahin'i Regoela la i Nahata, Zera, Sama, voho Miza. 38 Reo anaky lahin'i Seira la i Lotana, Sobala, Zibona, Ana, Disona, Ezera, voho Disana. 39 Reo anaky lahin'i Lotana la i Hori voho Homana, sady Timna ro anabavin'i Lotana. 40 Reo anaky lahin'i Sobala la Aliana voho Manahata, Ebala, Sefy, voho Onama. Reo anaky lahin'i Zibona la Aia voho Ana. 41 Gny anaky lahin'i Ana la Disona. Reo anaky lahin'i Disona la Hamrana, Esbana, Jitrana sady Kerana. 42 Reo anaky lahin'i Ezera la i Bilana, Zavana, voho Jakana. Reo anaky lahi'i Disana la Oza voho Arana. 43 Reto reo mpanjaka zay nanjaka tagny amin'ny tany Edoma talohan'ny nanjakan'izay mety ho mpanjaka teo amin'ireo Israelita: Bela anaky lahin'i Beora, voho gny agnaran'ny tanany la Dinaba. 44 Lafa maty Bela, la Jbaba anaky lahin'i Zera bakagny Bozra ro nanjaka nandimby gny toerany. 45 Lafa maty Jobaba, la Hosama bakagny amin'ny tanin'ny Temanita ro nanjaka nandimby gny toerany. 46 Lafa maty Hosama, la i Hadada anaky lahin'i Bedada, zay nandresy reo Midianita tagny amin'ny tanin'i Moaba, ro nanjaka nandimby gny toerany.Avita ro agnaran'ny tanany. 47 Lafa maty Hadada, la nanjaka teo amin'ny toerany i Samla bakagny Masreka. 48 Lafa maty Samla, la nanjaka nandimby gny toerany i Saoly bakagny Rehobota hanahara. 49 Lafa maty Saoly, la nanjaka nandimby gny toerany i Bala-hanana anaky lahin'i Akbora. 50 Lafa maty Bala-hanana anky lahin'i Akbora, la nanjaka nandimby gny toerany i Hadara. Pao ro agnaran'ny tanany. Gny agnaram-baliny la Mehetabela anaky ampelan'i Matreda anaky ampelan'i Me-zahaba. 51 Maty Hadada. Sady gny lohan'ireo foko tagny Edoma la i Timna, Alva, Jetata, 52 Oholibama, Elaha, Pinona, 53 Kenaza, Temana, Mibzara, 54 Magdiela, voho Irama. Reo ro lohan'ireo foko tagny Edoma.