Toko faha 2

1 Reto iaby reo anaky lahin'Israely:Robena, Simeona, Levy, Joda,Isakara,Zebolona, 2 Dana,Josefa,Benjamina, Naftaly,Gada, voho Asera. 3 Reo anaky lahin'i Joda la i Era, Onana, voho Sela, zay naterany tamin'ny anaky ampelan'iBatsoa, zay kaninita. Era, lahimatoan'i Joda, la raty fagnahy teo imason'i Yaveh, voho novoan'i Yaveh ie. 4 Tamara, vinantony ampela, niteraky gnan'i Fareza voho Zera taminy. Nana gnanaky lahy limy i Joda. 5 Hezrona voho Hamola ro anaky lahin'i fareza. 6 Reo anaky lahin'i Zera koa la Zimry, Etana, Hemana, Kalkola, voho Dara, limy gny fitambarany. 7 Gny anaky lahin'i karmy la i Akara, zay nanday finkorontana teo amin'Israely iaby nangalatsy zay voatoka ho gnan-Dranagnahary ie. 8 Azaria ro anaky lahin'i Etana. 9 Jeramela. Rama, voho Kelobay ro anaky lahin'i Hezrona. 10 Rama niteraky gnan'i Nasona, mpitariky gny raiky eo amin'ireo avorohotan'i Joda. 11 Nasona niteraky gnan'i Salma, voho Salma niteraky gnan'i Boaza. 12 Boaza niteraky gnan'i Obeda, voho Obeda niteraky gnan'i Jese. 13 Jese niteraky gnan'i Eliaba lahimatoany, i Abinadaba faharoe, Simea fahatelo, 14 Netanela fahaefatsy, Raday fahalimy, 15 Ozema fahaeny, voho Davida fahafito. 16 Abigaila voho Zeroba ro anabavin-drozy.Abisay , voho Asahela, telo mirahalahy ro anaky lahin'i Zeroba. 17 Abigaila niteraky gnan'i Amasa, zay Jitra zay Ismaelita gny rany. 18 Kaleba anaky lahin'i Hezrona niteraky anaky bakamin'i Azoba, valiny , voho tamin'i Jeriota. Jasera, Sobaba, voho Ardona ro anaky lahiny. 19 Maty Azoba, voho la nalan'i Kaleba ho valy i Efrata, zay niteraky gnan'i Ory, voho Ory niteraky gnan'i Bezalila. 21 Tatoy afara kely Hezrona( lafa enimpolo tao ie) la nangalaky gny anaky ampelan'i Makira ho valiny, rain'i Gileada. Niteraky gnan'i Segoba taminy ie. 22 Segoba niteraky gnan'i Jaira, zay nifehy tana roapolo teloamby tao amin'ny tanin'i Gileada. 23 Nalan'i Gesora voho Arama gny renivohits'i Jaira voho Kenata, miaraky amin'ireo renivohitsy enimpolo magnodidy. Samby avorohotan'i Makira, rain'i Gileada iaby reo olo iaby reo. 24 Tadaran'ny nahafatesan'i Hezrona, la nandry niaraky tamin'i Efrata, valin'i Hezrona rainy i Kaleba. Niteraky gnan'i Asora, rain'i ekoa taminy ie. 25 Sady reo anaky lahin'i Jeramela. zay lahimatoan'i Hezrona, la i Rama zay lahimatoa, Bona, Orena, Ozema, voho Ahia. 26 Mbo nana valy hafa koa i Jeramela, zay Atara ro agnarany. Ie ro renin'i Onama. 27 Reo anaky lahin'i Rama , zay lahimatoan'i Jeramela, la i Maza, Jamina, voho Ekera. 28 Samay voho Jada ro anaky lahin'i Onama. Nadaba voho Abisora ro anaky lahin'i Samay. 29 Gny agnaran'ny valin'i Abisora la Abihaila, sady niteraky gnan'i Abana voho Molida taminy ie. 30 Saleda voho Apaima ro anaky lahin'i Nadaba, fa Saleda koala maty tsy nana gnanaky. Jisy ro anaky lahin'i Apaima. 31 Sesana ro anaky lahin'i Jisy. Ahelay ro anaky lahin'i Sesana. 32 Reo anaky lahin'i Jada, rahalahin'i Samay , la Jareta voho Jonatana. Maty tsy nana gnanaky i Jatera. 33 Paleta voho zaza ro anaky lahin'i Jonatana. Reo ro avorohotan'i Jeramela. 34 Voho Sesana tsy nana gnanaky lahy, fa anaky ampela avao. nana mpanompo i Sesana, zay Egyptiana, jara ro agnarany. 35 Namean'i Sesana ho gnan'i Jara mpanompony gny anaky ampelany mba ho valiny. Niteraky gnan'i Atahy taminy ie.

36 Atahy niteraky gnan'i Natana, voho Natana niteraky gnan'i Zabada.
37 Zabada niteraky gnan'i Efiala, voho Efiala niteraky gnan'i Obeda. 38 Obeda niteraky gnan'i Jeho, voho Jeho niteraky gnan'i Azaria. 39 Azaria niteraky gnan'i Haleza , voho Haleza niteraky gnan'i Elasa. 40 Elasa niteraky gnan'i Sismay , voho Sismay niteraky gnan'i Saloma. 41 Saloma niteraky gnan'i Jekamia, voho Jekamia niteraky gnan'i Elisama. 42 Reo anaky lahin'i Kaleba , rahalahin'i Jeramela, la Mesa anakilahiny voalohany, zay razamben'ny agny Zifa. Gny anaky lahy faharoe, Maresa, ro razamben'ny agny Hebrona. 43 Kora, Tapoa, Rakema, voho Sema ro anaky lahin'i Hebrona. 44 Sema niteraky gnan'i Rahama, rain'i Jorkeama. Rakema niteraky gnan'i Samay. 45 Maona ro anaky lahin'i Samay, voho Maona ro razamben'i Beti-zora. 46 Efaha, vaditsindranon'i Kaleba, niteraky gnan'i Harana, Moza, voho Gazeza. Sady Harana niteraky gnan'i Gazeza. 47 ragema, Jotama, Gesana,Paleta, Efaha, voho Safa ro anaky lahin'i Jeday. 48 Maka, vaditsindranon'i Kaleba, niteraky gnan'i Sabera voho Tirana. Niteraky gnan'i Safa razamben'ny agny Madmana, Seva razambeny agny Makbena voho razambeny agny Gibea avao koa ie. 49 Gny anaky ampelan'i Kaleba la Aksa. Reo ro avorohotan'i Kaleba. 50 Reto iaby gny anaky lahin'i Hora, anaky lahiny voalohany bakamin'i Efrata: Sobala rambeny agny Kiriata-jearima, 51 Salma razamben'i Betlehema, voho Harefa razambeny agny Beti-gadera. 52 Sobala razambeny agny Kiriata Zarima la nana avorohota: Haroe, gny antsasaky gny vahoaky Hamenakota, 53 sady reo fokon'i Kiriata Zarima: la reo Jitrita, Potita, Somatita, voho Misraita. Reo Zoraita voho Estaolita la avorohota bakamin-drozy 54 Reto magnaraky reo gny fokon'i Salma: Betlehema, reo Netofatita, atrota Beti-joaba, voho gny antsasak'ireo Hamanitita__reo Zoraita, 55 Reo fokon'ireo mpanora-dalagna zay nipetraky tagny Jabeza la: reo Tiratita, Simeatita, voho gny Sokatita. Reo ro Kenita zay avorohota bakamin'i Hamata, razamben'ireo Rekabita.