43

1 Nisy mosary nahery vaika teo amin'ilay tany. 2 Ary izao no nitranga rehefa lanin'izy ireo ny vary nentin'izy ireo avy tany Egypta, hoy ny rainy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana indray; dia mividiana sakafo ho antsika." 3 Niteny azy Joda hoe: "Nampitandrina mafy anay ralehilahy hoe: 'Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka amin'ny rahalahinareo.' 4 Raha alefanao miaraka aminay ny ralahinay, dia andeha hidina sy hividy sakafo ho anao izahay. 5 Nefa raha tsy alefanao miaraka aminay izy, dia tsy handeha hidina izahay. Satria ralehilahy niteny taminay hoe: 'Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka amin'ny rahalahinareo.'" 6 Hoy Israely hoe: "Nahoana ianareo no nampidi-doza ahy tamin'ny filazana ilay lehilahy fa manana rahalahy hafa ianareo?" Hoy izy ireo hoe: "Nanontany ny antsipirihany momba anay sy ny fianakavianay ralehilahy. 7 Hoy izy hoe: "Mbola velona ve rainareo? Mbola manana rahalahy hafa ve ianareo?' Dia novalianay araka ireo fanontaniany ireo izy. Ahoana no hahafantaranay fa hiteny izy hoe: "Ento midina ny rahalahinareo?'" 8 Hoy Joda tamin'i Israely rainy hoe: "Alefaso miaraka amiko ny zazalahy. Hiainga ka handeha izahay mba ho velona fa tsy ho faty isika, dia izahay sy ianao sy ireo zanakay ihany koa. 9 Ho antoka ho azy aho. Hotazominao ho tompon'andraikitra aho. Raha tsy entiko miverina eo anoloanareo izy, dia aoka ho zakaiko mandrakizay ny tsiny. 10 Fa raha tsy tara izahay, dia tena efa niverina teto fanindroany izahay." 11 Hoy Israely rainy tamin'izy ireo hoe: "Raha izany, dia ataovy izao. Ataovy ao amin'ny kitaponao ny sasany amin'ireo vokatry ny tany tsara indrindra. Midina ary mitondrà fanomezana ho an-dralehilahy: balsama sy tantely, zava-manitra sy miora, voanjo sy amandy. 12 Ataovy avo roa heny ny vola eo an-tananareo. Ny vola izay naverina tao amin'ny vavan'ny lasakanareo, dia ento miverina eny an-tananareo indray. Sao mantsy mba hadisoana ihany izany. 13 Ento ihany koa ny rahalahinareo. Mitsangàna ary mandehana indray any amin-dralehilahy. 14 Andriamanitra Tsitoha anie hanome famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hanafahany ilay rahalahinareo hafa sy Benjamina ho aminao. Raha misaona ireo zanako aho, dia misaona." 15 Nalain'ireo lehilahy niaraka tamin'i Benjamina ilay fanomezana, ary nitondra vola avo roa heny teny an-tanan'izy ireo. Lasa izy ireo ary niverina nidina tany Egypta ary niseho teo anoloan'i Josefa. 16 Rehefa nahita an'i Bejamina niaraka tamin'izy ireo i Josefa, dia hoy izy tamin'ilay tompon'andraikitra mpampandroso tao an-tranony hoe: "Hampandrosoy ao an-trano ireo lehilahy, mamonoa biby iray ary karakarao izany, fa hiaraka hisako amiko izy ireo rehefa mitatao vovonana." 17 Nataon'ireo mpanompo izay nolazain'i Josefa. Noentiny tao an-tranon'i Josefa ireo lehilahy. 18 Natahotra ireo lehilahy satria nentina tao an-tranon'i Josefa izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Noho ilay vola naverina tao anaty lasakantsika tamin'ny voalohany nampidirana antsika tato, mba hahafahany manararotra antsika. Mety hisambotra antsika sy hanandevo antsika izy ary haka ireo ampondrantsika." 19 Nanatona an'ilay mpanompon'i Josefa izy ireo, ary niresaka taminy teo am-baravarana, nanao hoe: 20 "Tompoko, tonga nidina taty izahay tamin'ny voalohany mba hividy sakafo. 21 Ary nony tonga teo amin'ny toeram-pitsaharana izahay, ka nanokatra ireo lasakanay, dia indro, samy tao ambavan'ny lasakan'ireo lehilahy ny volany, tsisy nanimbinana ny volanay. Naverinay ary ety am-pelan-tananay izany. 22 Nitondra vola nidina hafa ihany koa izahay hividianana sakafo. Tsy fantatray izay namerina ny volanay tao anaty lasakanay." 23 Hoy ilay mpanompo hoe: "Fiadanana anie ho anareo, aza matahotra. Ny Andriamanitrareo sy ny Andriamanitry ny rainareo no nametraka ny volanareo tao anaty lasakanareo. Efa noraisiko ny volanareo."Dia nentin'ilay mpanompo teo amin'i Simeona izy ireo. 24 Nampandroson'ilay mpanompo tao an-tranon'i Josefa ireo lehilahy. Nomeny rano izy ireo, ka nanasa ny tongony izy ireo. Ary nomeny sakafo ny ampondran'izy ireo. 25 Dia nanomana ireo fanomezana amin'ny fiavian'i Josefa amin'ny mitatao vovonana izy ireo, satria ren'izy ireo fa hisakafo ao iz. 26 Nohon'ny tonga tao an-tranony i Josefa, dia nentin' izy ireo tao an-trano ny fanomezana teny an-tanan'izy ireo, ary niankohoka tamin'ny tany teo anoloany izy ireo. 27 Nanontany azy ireo momban'ny fahasalamany izy ireo izy, ka nanao hoe: "Salama ve ny rainareo, ilay lehilahy antitra noresahinareo iny? Mbola velona ve izy?" 28 Hoy izy ireo hoe: "Salama ny mpanomponao izay rainay. Mbola velona izy. Niondrika sy nihankohoka izy ireo. 29 Raha nanopy ny masony izy dia naita an'i Bejamina rahalahiny, izay zanaky ny reniny, ary hoy izy hoe: "Inty ve ilay faralahinareo izay noresahinareo tamiko?" Dia hoy izy hoe: "Andriamanitra anie hitahy anao, ry zanako." 30 Nivoaka haingana tao an'efitra i Josefa, satria nientanentana mafy noho ireo rahalahiny izy. Nitady toerana hitomaniana izy. Niditra tao an'efitrany izy ary nitomany tao. 31 Nosasany ny tavany dia nivoka izy. Nanindry fo izy, niteny hoe: "Arosoy ny sakafo." 32 Nomen'ireo mpanompo an'i Josefa ny anjarany sy ny anjaran'ireo rahalahiny. Niara-nihinana taminy ireo Egyptiana tao satria ny Egyptiana tsy mahazo mihinana mofo miaraka amin'ny Hebreo, satria zavatra maharikoriko eo amin'ireo Egyptiana izany. 33 Nipetraka teo anoloany ireo rahalahy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny zandriny indrindra araka ny hatanorany. Talanjona izy ireo lehilahy. 34 Nomen'i Josefa anjara tamin'ny sakafo teo anoloany izy ireo. Nefa ny anjaran'i Benjamina dia indimy mihoatra noho ny an'ireo rahalahiny. Nisotro izy ireo ary faly niaraka taminy.