42

1 Ary fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta. Niteny tamin'ireo zanany lahy izy hoe: "Nahoana no mifampijery ianareo?" 2 Hoy izy hoe: "Indro, reko fa misy vary any Egypta. Midìna any ary mividiana any ho antsika mba hahavelona antsika fa tsy ho faty. 3 Nandeha nidina ireo rahalahin'i Josefa folo mba hividy vary any Egypta. 4 Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy nalefan'i Jakoba niaraka tamin'ireo rahalahiny, satria natahotra izy sao hisy loza mety hanjo azy. 5 Tonga ireo zanaka lahin'Israely mba hividy niaraka tamin'ireo izay tonga, fa nisy mosary tany amin'ny tany Kanàna. Ary Josefa no mpanapaka amin'ilay tany. 6 Izy ihany no nivarotra ho an'ireo vahoaky ny tany rehetra. Tonga ary nampiankohoka ny tavan'izy ireo tamin'ny tany teo aminy ireo rahalahin'i Josefa. 7 Nahita ireo rahalahiny i Josefa ary nahalala azy ireo, nefa nanova ny endriny tamin'izy ireo izy ary niteny mafy tamin'izy ireo. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Avy aiza ianareo?" Hoy izy ireo hoe: "Avy any amin'ny tany Kanàna mba hividy hanina." 8 Fantatr'i Josefa ireo rahalahiny, fa izy ireo tsy nahalala azy. 9 Dia tsaroan'i Josefa ilay nofy azony nahakasika azy ireo, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mpitsikilo ianareo! Tonga mba hizaha ireo faritra tsy mbola voaaro eto amin'ny tany ianareo." 10 Hoy izy ireo taminy hoe: "Tsia, tompoko. Tonga mba hividy hanina ireto mpanomponao. 11 Zanaky ny lehilahy iray izahay rehetra. Lehilahy marina izahay. Tsy mpitsikilo ireto mpanomponao." 12 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Tsia, tonga mba hizaha ireo faritra mbola tsy voaaro eto amin'ny tany ianareo." 13 Hoy izy ireo hoe: "Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray any amin'ny tany Kanàna. Indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, ary ny rahalahy iray dia efa maty." 14 Hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Izao no nolazaiko anareo; mpitsikilo ianareo. 15 Amin'izao no hitsapana anareo. Raha velona koa Farao, dia tsy hiala eto ianareo, raha tsy tonga eto ny faralahy aminareo. 16 Iraho ny iray aminareo ary aoka izy haka ny rahalahinareo. Ary ianareo hijanona ao am-ponja, mba hahafahana mitsapa ny teninareo, raha misy fahamarinana ao aminareo." 17 Nalefany tany am-ponja izy rehetra nandritry ny telo andro. 18 Ny andro fahatelo dia hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Izao no ataovy mba ho velona, fa matahotra an'Andriamanitra aho. 19 Raha olo-marina ianareo, aoka ny iray amin'ireo rahalahinareo tsy hiala ao amin'ny fonja, fa mandehana ianareo, mivimbìna vary ho amin'ny mosary amin'ny tranonareo. 20 Ento mankaty amiko ny faralahy aminareo hanamarinana ny teninareo sy tsy hahafaty anareo." Ary nataon'izy ireo izany. 21 Nifampiresaka izy ireo hoe: "Meloka marina tokoa isika nohon'ny amin'ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahorian'ny fanahiny raha niangavy antsika izy ary isika tsy nihaino azy. Koa noho izany no nahatonga izao fahoriana izao tamintsika." 22 Hoy Robena namaly azy ireo hoe: "Tsy efa nilaza taminareo ve aho hoe: 'Aza manota amin'ilay zazalahy,' nefa tsy nihaino ahy ianareo? Indro, izao takiana amintsika ny ràny." 23 Tsy fantatr'izy ireo fa nahafantatra ny fitenin'izy ireo i Josefa, satria nisy mpandika teny teo anelanelan'izy ireo. 24 Nihodina niala tamin'izy ireo izy ka nitomany. Niverina nankeo amin'izy ireo indray izy ary niteny tamin'izy ireo. Nalainy teo amin'izy ireo i Simeona ary nafatony teo imason'izy ireo. 25 Avy eo nibaiko ny mpanompony i Josefa mba hameno vary ny kitapon'ireo rahalahiny, ary mba hamerina ny volan'ny lehilahy tsirairay tao amin'ny lasakany, ary hanome azy ireo vatsy ho amin'ny dia. Natao ho azy ireo izany. 26 Nameno vary ny ampondrany ireo mpirahalahy ary dia niainga tany. 27 Raha nanokatra ny lasakany ny iray tamin'izy ireo mba hamahana ny ampondrany teo amin'ny toerana nandriany, dia nahita ny volany izy. Indro, teo ambavan'ny lasakany izany. 28 Hoy izy tamin'ireo rahalahiny hoe: "Naverina ny volako. Jereo; ao anaty lasakako izany." Nihontan'ny tahotra ny fon'izy ireo sady nifampitodika am-pangovitana, nanao hoe: "Inona re ity nataon'Andriamanitra tamintsika?" 29 Nandeha tany amin'i Jakoba izy ireo, ny rain'izy ireo tany amin'ny tany kanàna ary nilaza taminy izay rehetra niseho tamin'izy ireo. Hoy izy ireo hoe: 30 "Ilay lehilahy, tompon'ny tany, dia niteny mahery anay ary nihevitra fa mpitsikilo tany amin'ilay tany izahay. 31 Hoy izahay taminy hoe: 'Olo-marina izahay. Ary tsy mpitsikilo akory. 32 Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay, zanaky ny rainay. Efa maty ny iray, ary ny faralahy dia miaraka amin'ny rainay any amin'ny tany Kanàna ankehitriny.' 33 Ilay lehilahy, tompon'ny tany, niteny taminay hoe: 'Izao no hahalalako fa olo-marina ianareo. Ajanony eto amiko ny iray amin'ireo rahalahinareo, mitondrà vary ho amin'ny mosary any amin'ny tranonareo, ary zory ny lalanareo. 34 Ento eto amiko ny faralahy aminareo. Dia ho fantatro fa tsy mpitsikilo ianareo, fa lehilahy marina. Dia havotsotro ho anareo ny rahalahinareo, dia hividy eto amin'ny tany ianareo.'" 35 Ary rehefa nanafoana ny tao an-dasakany izy ireo, no indro, ny fonosam-bolafotsin'ny lehilahy tsirairay avy dia tao anatin'ny lasakany. Nony hitan'izy ireo sy ny rain'izy ireo ny fonosam-bolafotsiny, dia natahotra izy ireo. 36 Hoy Jakoba rain'izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Efa nanaisotra ireo zanako tamiko ianareo. Josefa dia efa maty, i Simeona lasa, ary dia ho entinareo lavitra koa i Benjamina. Manohitra ahy avokoa ireo zavatra rehetra ireo." 37 Niresaka tamin-drainy i Robena, nanao hoe: "Azonao vonoina ireo zanako roa lahy raha toa tsy mitondra an'i Benjamina miverina aminao aho. Apetraho eo an-tanako izy, dia hitondra azy aminao indray aho." 38 Hoy Jakoba hoe: "Tsy handeha hidina hiaraka aminareo izany ny zanako lahy. Fa efa maty ny rahalahiny ary izy irery sisa. Raha misy loza tonga aminy eny amin'ny lalana izay alehanareo, dia hitondra amin-kalahelo ny volo-fotsiko midina any amin'ny Fiainan-tsy hita ianareo."