Avy any Harana ireo lehilahy.
Rahely, zanaka vavin'i Labana, ihany koa dia tonga teo amin'ny lava-drano niaraka tamin'ireo andian'ondry.
Nanakodia ny vato teo amin'ny vavan'ny fantsakana, ka nampisotro rano ny ondry aman'osy i Jakoba.
Nilaza tamin'i Rahely i Jakoba fa havan-drainy izy, dia nihazazaka i Rahely ka nilaza tamin-drainy.
Nihazakazaka mba hitsena an'i Jakoba i Labana, namihina azy, nanoroka azy, ary nitondra azy tany an-tranony.
Lea no zanany zokiny ary nalefa-pijery izy, raha i Rahely kosa no zandriny ary tsara bika sy tarahy izy.
Nanaiky izy ireo fa hanompo an'i Labana fito taona hahazoana an'i Rahely i Jakoba.
Ny fito taonan'ny asa dia tahaka ny andro vitsy monja ho an'i Jakoba nohon'ny fitiavan'i Jakoba an'i Rahely.
Nanome an'i Lea ho an'i Jakoba, ho solon'i Rahely, ny alin'ny fanambadiana i Labana.
Nanome an'i Zilpa mpanompo vaviny an'i Lea zanany vavy i Labana, mba ho mpanompony.
Nilaza Labana fa tsy fomban'izy ireo ny manome ny zanaka vavy zandriny ho amin'ny fanambadiana mialohan'ny vavimatoa.
Nifanaraka izy ireo fa hanompo an'i Labana fito taona indray i Jakoba ho solon'i Rahely.
Nanome an'i Bila ho an'i Rahely zanany vavy, mba ho mpanompony i Labana.
Nataon'i Yaveh nitoe-jaza i Lea, fa momba kosa i Rahely.
Nanantena i Lea fa ho tia azy i Jakoba raha niteraka zazalahy ho azy izy.
Ny anaran'ny zanaka lahimatoan'i Lea dia Robena.
Rehefa niteraka an'i Joda izy dia hoy Lea: "Ankehitriny dia hidera an'i Yaveh aho."