Genesis 28

Genesis 28:1

Didy inona no nomen'i Isaka an'i Jakoba nialohan'ny nandehanany?

Nandidy an'i Jakoba mba tsy haka vady Kananita Isaka.

Taiza no nolazain'Isaka hangalan'i Jakoba vady?

Nilaza an'i Jakoba mba haka vady avy amin'ireo zanaka vavin'i Labana, anadahin'i Rebeka i Isaka.

Genesis 28:3

Ny tso-dranon'iza no nangatahin'i Isaka an'Andriamanitra mba homena an'i Jakoba?

Nangataka an'Andriamanitra mba hanome ny tso-dranon'i Abrahama ho an'i Jakoba i Isaka.

Genesis 28:8

Avy taiza no nakan'i Esao ny iray tamin'ireo vadiny rehefa hitany fa tsy nankasitrahan'Isaka ireo vehivavy Kananita?

Naka vady iray avy amin'ireo zanaka vavin'i Ismaela, zanak'i Abrahama i Esao.

Genesis 28:12

Inona no hitan'i Jakoba tao anatin'ny nofiny raha teny an-dalana ho any Harana izy?

Nahita tohatra teto an-tany mankany amin'ny lanitra niaraka tamin'ireo anjely niakatra sy nidina tamin'izany, ary Yaveh nitsangana teo ambonin'izany Jakoba.

Inona no nolazain'i Yaveh momba ny tany izany nandrian'i Jakoba?

Nilaza Yaveh fa ny tany izay nandrian'i Jakoba dia homena azy sy ireo taranany.

Ny tso-dranon'iza no nomen'i Yaveh an'i Jakoba?

Nomen'i Yaveh an'i Jakoba ny tso-dranon'i Abrahama.

Genesis 28:16

Inona no nolazain'i Jakoba momba ny toerana izay nonofisiny?

Nilaza Jakoba fa ilay toerana dia tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.

Genesis 28:18

Inona no anarana nomen'i Jakoba ilay toerana izay nonofisiny?

Nantsoin'i Jakoba hoe Betela ilay toerana.

Genesis 28:20

Inona no nolazain'i Jakoba fa tsy maintsy ataon'i Yaveh mba ho Andriamaniny i Yaveh?

Nilaza Jakoba fa tsy maintsy momba azy sy miaro azy amin'ny lalany mba hiverenany soa aman-tsara any an-tranon-drainy Yaveh.

Inona no nampanantenain'i Jakoba mba homena an'i Yaveh raha nanao ireo zavatra rehetra ireo ho azy Yaveh?

Nampanantena ny hamerina ny ampahafolon'ny zavatra rehetra nomen'i Yaveh an'i Jakoba ho an'i Yaveh i Jakoba.