Genesis 15

Genesis 15:1

Rehefa niseho tamin'i Abrama i Yaveh, dia fampaherezana inona no nomen'i Yaveh an'i Abrama?

Nilaza tamin'i Abrama mba tsy hatahotra Yaveh, ary fa hoe Izy no ampingan'i Abrama sy valisoa lehibe tokoa.

Inona no natahoran'i Abrama?

Natahotra Abrama satria tsy mbola nanan-janaka izy, ary ny mpitatan-draharahany no mpandova azy.

Genesis 15:4

Iza no nolazain'i Yaveh fa ho mpandova an'i Abrama?

Nilaza Yaveh fa olona avy amin'ny vatan'i Abrama ihany no ho mpandova azy.

Taranaka firy no nolazain'i Yaveh fa ho azon'i Abrama?

Nilaza Yaveh fa hanan-taranaka maro tahaka ny kintana i Abrama.

Genesis 15:6

Ahoana no navalin'i Abrama ny fampanantenan'i Yaveh, dia inona izany no nataon'i Yaveh?

Nino an'i Yaveh i Abrama, ka nisainy ho fahamarinana ho an'i Abrama izany.

Fanontaniana inona no napetrak'i Abrama tamin'i Yaveh momba ny tany?

Nanontany an'i Yaveh i Abrama hoe: "Ahoana no hahafantarako fa handova izany aho?''

Genesis 15:9

Nataon'i Abrama inona izany ireo biby izay nolazaina mba ho entiny?

Notapahin'i Abrama roa ireo biby ary napetrany nifanila avy izany.

Genesis 15:12

Inona no nahazo an'i Abrama rehefa nilentika ny masoandro?

Ary rehefa nilentika ny masoandro, dia latsaka tao anaty tori-maso lalina i Abrama ary nisy aizina lalina sy nampihororo nandifotra azy.

Hafiriana no nolazain'i Yaveh fa haha-andevo sy hahaory ireo taranak'i Abrama?

Nilaza tamin'i Abrama i Yaveh fa ireo taranany dia ho andevozina sy ampahoriana mandritry ny efajato taona.

Genesis 15:14

Inona no nolazain'i Yaveh fa hanjo ny firenena izay nanandevo ireo taranak'i Abrama?

Nilaza Yaveh fa hitsara izany firenena izany Izy.

Ahoana no nolazain'i Yaveh fa hiafaran'ny fiainan'i Abrama?

Nilaza Yaveh fa ho faty am-piadanana amin'ny fahanterany tokoa Abrama.

Inona no hahatratra ny fetrany nialohan'ny niverenan'ireo taranak'i Abrama tany amin'ny tany nampanantenaina azy ireo?

Ny fahotan'ireo Amorita no hahatratra ny fetrany nialohan'ny niverenan'ireo taranak'i Abrama.

Genesis 15:17

Tamin'izany alina izany, dia inona no nitranga teo amin'ireo singan'ireo biby izay nomanin'i Abrama?

Nisy vilany nivoaka setrok'afo sy fanilo nandalo teo anelanelan'ireo singany.

Fanekena inona no nataon'i Yaveh tamin'i Abrama tamin'izany andro izany?

Nanao fanekena tamin'i Abrama i Yaveh fa hanome izany tany izany ho an'ireo taranak'i Abrama Izy.