Genesis 16

Genesis 16:1

Inona no hevitr'i Saray mba hanomezana taranaka an'i Abrama?

Nilaza tamin'i Abrama ny hiarahany mandry amin'ny mpanompony, dia Hagara, i Saray mba hanan-janaka amin'ny alalany izy.

Nisy inona teo amin'i Hagara sy Saray rehefa nitoe-jaza tamin'i Abrama i Hagara?

Rehefa nitoe-jaza Hagara, dia nijery an'i Saray tamin'ny fanamavoana Hagara.

Genesis 16:5

Fitarainana inona no nentin'i Saray tamin'i Abrama, ary ahoana no navalin'i Abrama?

Nitaraina i Saray fa hadisoan'i Abrama izany ka nanao tsinontsinona azy Hagara, ary nilaza tamin'i Saray mba hanao izay noheverina ho tsara ho an'i Hagara i Abrama.

Nataon'i Saray ahoana i Hagara rehefa nitoe-jaza i Hagara, ary inona no nataon'i Hagara?

Nanao fitondrana mafy an'i Hagara i Saray, ka nandositra i Hagara.

Genesis 16:9

Tany an'efitra, dia inona no nolazain'ny anjelin'i Yaveh mba hataon'i Hagara?

Nilaza an'i Hagara ny mba hiverenany any amin'i Saray ary hiaritra ny fahefany ny anjelin'i Yaveh.

Fampanantenana inona no ntaon'ny anjelin'i Yaveh tamin'i Hagara?

Nampanantena an'i Hagara ilay anjely fa ho maro tsy tambo isaina ireo taranany.

Genesis 16:11

Nahoana Hagara no nolazaina mba hiantso ny zanany lahy hoe Ismaela?

Nolazaina mba hiantso ny zanany lahy hoe Ismaela i Hagara satria nandre ny fahoriany Yaveh.

Ahoana no hanaovan'i Ismaela ny olona hafa?

Handrafy ny olona rehetra i Ismaela, ary honina lavitry ny rahalahiny rehetra.

Genesis 16:13

Iza no anarana nomen'i Hagara an'i Yaveh?

Nanome anarana an'i Yaveh hoe "Andriamanitra izay mahita ahy" i Hagara.

Genesis 16:15

Firy taona i Abrama rehefa teraka i Ismaela?

Enina amby valo-polo taona i Abrama rehefa teraka i Ismaela.