Genesis 9

Genesis 9:1

Inona no nolazain'Andriamanitra mba hataon'i Noa sy ireo zanany lahy rehefa niala tao amin'ny fiara izy ireo?

Nilaza tamin'i Noa sy ireo zanany lahy mba hamokatra, hitombo, ary hameno ny tany Andriamanitra.

Genesis 9:3

Inona no nomen'Andriamanitra ho sakafon'i Noa sy ireo zanany lahy?

Nanome ireo zava-maitso sy ny zavatra mihetsika izay niaina ho sakafon'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra.

Ahoana no nandidian'Andriamanitra fa tsy hihinanana ny hena?

Nandidy Andriamanitra fa tsy hohanina ny hena raha mbola mandeha rà izany.

Inona no nolazain'Andriamanitra fa ao anatin'ny rà?

Nilaza Andriamanitra fa ao anatin'ny rà no misy ny aina.

Genesis 9:5

Inona no nambaran'Andriamanitra fa sazy noho ny fandatsahana ràn'olona?

Nanambara Andriamanitra fa ny olona izay mandatsaka ràn'olona dia tsy maintsy alatsaka ny ràny.

Tamin'ny endrik'iza no nanaovan'Andriamanitra ny olona?

Nanao ny olona tamin'ny endrik'Andriamanitra Andriamanitra.

Genesis 9:11

Famantarana inona no nomen'Andriamanitra ho fanekena izay nataony tamin'ny tany?

Nametraka avana teny amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena izay nataony tamin'ny tany Andriamanitra.

Genesis 9:14

Fampanantenam-panekena inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny zavatra rehetra izay miaina eto an-tany?

Nanao fampanantenam-panekena fa tsy handringana ny nofo rehetra amin'ny safo-drano intsony Andriamanitra.

Genesis 9:18

Iza no anaran'ireo zanak'i Noa telolahy?

Sema, Hama ary Jafeta no anaran'ireo zanak'i Noa telolahy.

Genesis 9:20

Inona no nahazo an'i Noa rehefa avy namboly voaloboka izy?

Rehefa avy namboly voaloboka izy, dia nisotro ny sasany tamin'ireo divay ka mamo.

Genesis 9:22

Ahoana no nandrakofan'i Sema sy Jafeta ny fitanjahan'ny rainy?

Nitorona nitondra akanjo i Sema sy Jafeta, raha nitodi-doha, mba handrakotra ny fitanjahan'ny rainy.

Genesis 9:24

Inona no ozona nataon'i Noa tamin'i Hama?

Nanozona an'i Hama i Noa ary nanao hoe: "Ho voahozona anie Kanana. Ho isan'ireo mpanompon'ireo rahalahiny anie izy."

Genesis 9:26

Iza no notahian'i Noa?

Nitahy an'i Sema sy Jafeta i Noa.