Genesis 8

Genesis 8:1

Ahoana no nanalan'Andriamanitra ny rano?

Nampitsoka rivotra eran'ny tany, nakatona ny loharanon'ny lalina Andriamanitra, ka nitsahatra ny orana.

Genesis 8:4

Tonga taiza no nijanona ny fiara?

Niantsona teo amin'ny tendrombohitr'i Aratata ny fiara.

Genesis 8:8

Inona no nitranga ny andro voalohany nandefasan'i Noa voromailala avy tao amin'ny fiara?

Ny andro voalohany, dia tsy nahita toerana nametrahany ny tongony ilay voromailala ka niverina tany amin'i Noa tao anatin'ilay sambo fiara.

Genesis 8:10

Inona no nitranga ny andro faharoa nandefasan'i Noa voromailala avy tao amin'ny fiara?

Ny andro faharoa, dia niverina niaraka tamin'ny ravin'oliva maitso ilay voromailala.

Inona no nitranga ny andro fahatelo nandefasan'i Noa voromailala avy tao amin'ny fiara?

Ny andro fahatelo, dia tsy niverina teo aminy intsony ilay voromailala.

Genesis 8:13

Inona no hitan'i Noa rehefa nanala ny saron'ny fiara ka nijery tany ivelany izy?

Hitan'i Noa fa maina ny tany.

Genesis 8:15

Taiza no tian'Andriamanitra mba handehanan'ireo zava-manan'aina rehetra sy ataony raha niala tao amin'ny fiara ireo?

Tian'Andriamanitra hamokatra sy hitombo eo ambonin'ny tany ny zava-manan'aina rehetra.

Genesis 8:20

Inona no nataon'i Noa rehefa niala tao amin'ny fiara izy?

Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh i Noa ary nanolotra fanatitra dorana teo amin'ny alitara.

Inona avy ireo fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'ny olombelona tamin'izany fotoana izany?

Nampanantena ny tsy hanozona ny tany intsony, ary tsy hamotika ny zava-manan'aina rehetra intsony Andriamanitra.

Inona no nolazain'Andriamanitra fa nironan'ny olona hatramin'ny fahazazana?

Nilaza Andriamanitra fa ratsy hatramin'ny fahazazana ny fironan'ny olona.