Genesis 38

Genesis 38:1

Ary tamin'izany andro izany (...) Joda

Mampiditra fizaran-tantara vaovao izay mifantoka kokoa amin'i Joda izany.

Adolamita, izay nantsoina hoe Hira

Eto hoe Hira dia anaran-dehilahy izay nipetraka tao Adolama. Adolamita no ilazana ny olona avy ao.

izay nantsoina hoe Soa

I Soa dia vehivavy Kananita izay nanambady an'i Joda.

Genesis 38:3

Nanan'anaka izy

"Nanan'anaka ny vadin'i Joda"

Era no niantsoana azy

Afaka atao izany hoe: DH: "Era no anaran-drainy"

Era ... Onana ... Sela

Anaran'ireo zanaka lahin'i Joda ireo.

Nantsoiny hoe

"nanome anarana azy hoe"

Keziba

Anaran-toerana izany.

Genesis 38:6

Era

Anaran'ny iray amin'ireo zanaka lahin'i Joda izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:3.

ratsy teo imason'i Yaveh

Ny andian-teny hoe "teo imason'i Yaveh" dia ilazana ny fahitan'i Yaveh ny faharatsian'i Era. DH: "ratsy toetra ary hitan'i Yaveh izany"

Novonoin'i Yaveh izy

Novonoin'i Yaveh izy satria ratsy toetra. Afaka atao mazava izany. DH: "Koa dia novonoin'i Yaveh izy"

Genesis 38:8

Onana

Anaran'ny iray amin'ireo zanaka lahin'i Joda izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:3.

Ataovy aminy ny adidy amin'ny maha-zaodahy anao

amin'ny maha-zaodahy - Izany dia ilazana ny fomba hoe rehefa maty ny zoky lahy kanefa mbola tsy niteraka izy sy ilay vadiny, dia izay zoky manaraka azy no manambady sy miray ara-nofo amin'ilay mananontena. Rehefa miteraka zazalahy voalohany ilay mpitondra tena, izany zaza izany dia heverina toy ny zanak'ilay zoky ary mahazo ny anjara lovany.

Ratsy ny nataony teo imason'i Yaveh

Ny andian-teny "teo imaso..." dia ilazana an'i Yaveh izay nahita ny haratsin'i Onana. DH: "ratsy ary hitan'i Yaveh izany"

Novonoin'i Yaveh ihany koa izy

Novonoin'i Yaveh izy satria nanao izay ratsy. Afaka atao mazava izany. DH: "Namono azy ihany koa Yaveh"

Genesis 38:11

vinanto vaviny

-"ny vadin'ny zanany lahimatoa"

ao an-tranon-drainao

DH: "ary hipetraka ao an-tranon-drainao"

mandra-pahalehibe an'i Sela, zanako lahy

Nikasa ny hampanambady an'i Tamara sy Sela i Joda rehefa lehibe i Sela. DH: "ary rehefa lehibe i Sela, zanako lahy, dia afaka manambady anao"

Sela

Anaran'ny iray amin'ireo zanaka lahin'i Joda izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:3.

Satria natahotra izy hoe: ''Sao ho faty tahaka ireo rahalahiny ihany koa izy.''

Natahotra i Joda ndrao ho faty toa an'ireo rahalahany ihany koa i Sela raha manambady an'i Tamara. DH: "Satria natahotra izy, "raha manambady azy izy dia mety ho faty tahaka ireo rahalahany ihany koa"

Genesis 38:12

Soa

Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:1.

Efa nionona i Joda ary

"raha tsy nalahelo intsony i Joda, izy"

ny mpanety ny ondriny tany Timna

"Timna, any amin'ny fanetezan'ireo olony ny ondry"

Timna ...Enaima

Anaran-toerana ireo.

izy sy Hira ilay Adolamita namany

"nandeha niaraka taminy i Hira namany, izay avy any Adolama" (UDB)

Hira ilay Adolamita

"Hirama" no anaran'ilay lehilahy, ary "Adolama" no anaran'ilay vohitra izay nonenany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:1.

Nisy nilaza tamin'i Tamara

Afaka atao izany hoe: DH: "Nisy olona nilaza tamin'i Tamara"

Indro, ny rafozanao

"Mihainoa." Eto ny teny hoe "Indro" dia nampiasaina hisarihana ny sain'i Tamara.

ny rafozanao

"ny rain'ny vadinao"

ny akanjo maha-pitondratena

"izay anaovan'ny mpitondra tena"

voali(...) = voaly

lamba manify izay hanaronana ny loha sy ny tavan'ny vehivavy

nosaronany ny tenany

Ny heviny dia hoe nanafina ny tenany tamin'ny fiakanjo izy mba tsy hahalalan'ny olona azy. Araka ny fomba, misy ampahany amin'ny akanjon'ny vehivavy izay tena lava ka manarona ny tenan'izy ireo. DH: "ary nanarona ny tenany tamin'ny fiankanjony mba tsy hahalalan'ny olona azy"

teo akaikin'ny lalana

" teo amin'ny lalana" na "any amin'ny lalana"

tsy mba natolotra ho vadiny izy

Afaka atao izany hoe: DH: "tsy mba natolotra ho vadiny i Sela"

Genesis 38:15

satria nosaronany ny tarehiny

Tsy fantatr'i Joda hoe mpivarotena izy satria nisarona ny tavany ary koa nipetraka teo am-bavahady izy. DH: "satria nanarona ny lohany izy ary nipetraka teo am-bavahady toy ny fanaon'ny mpivarotena" (UDB)

Nanatona azy teny an-dalana izy

Nipetraka teo amin'ny lalana i Tamara. DH: "Nandeha tany amin'ny lalana izay nipetrahany"

Avia

"ndeha hanaraka ahy" na "avia ankehitriny"

Rehefa nahita azy i Joda

"Rehefa nahita an'i Tamara i Joda"

vinantovaviny izy

"vadin'ny zanany lahy"

Genesis 38:17

amin'ireo ondry aman'osy

"avy amin'ireo andian'osiko"

Fanombohan-kasehy sy ny kofehinao .... tehina

Ny "fanombohan-kase" dia mitovitovy amin'ny vola izay ahitana sary sokitra, ampiasaina ho toy ny marika amin'ny savoka mitsonika. Ny "kofehy" dia napetaka tamin'ny fanombohan-kase mba hahafahan'ny tompony mitondra izany amin'ny tendany. Ny tehana indray dia hazo lava mitsatoka amin'ny tany izay manampy amin'ny fandehanana.

nitoe-jaza taminy izy

Afaka atao izany hoe: DH: "nahabevohoka azy izy"

Genesis 38:19

voali..= voaly

lamba manify izay hanaronana ny loha sy ny tavan'ny vehivavy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:12.

ny lamba maha mpitondratena azy

"izay anaovan'ny mpitondra tena" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:12.

tamin'ireo ondry aman'osy

"avy amin'ireo ondry aman'osy"

Adolamita

"Adolamita" no anaran'ilay vohitra izay nonenan'i Hira. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 36:31.

hahazoany ilay antoka

Afaka ataonao mazava izany hoe: DH: "alaivo ny antoka"

teny an-tanan-dravehivavy

Eto ny "tanana" dia manasongadina fa teny ambany fahefany izany. Ny tanan-dravehivavy dia ilazana azy. DH: "avy amin'ilay vehivavy"

Genesis 38:21

Adolamita

"Adolamita" no anaran'ilay vohitra izay nonenan'i Hira. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 36:31.

ireo lehilahy nonina teo an-toerana

"ny sasany tamin'ireo lehilahy izay nonina teo an-toerana "

mpivarotena

"mpivarotena izay nanompo tao am-piangonana"

Enaima

Anaran-toerana izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 38:12.

mba tsy hanala baraka antsika

Raha fantatrin'ny olona fa nitranga izany dia ho hataony fanalana sy fihomehezana i Joda. Afaka atao mazava izany: DH: "raha tsy izany dia hihomezan'ny olona isika raha mahafantatra ny zavatra izay nitranga izy ireo"

Genesis 38:24

Ary

Nampiasaina izany teny izany mba hanamarihana ny fizaran-tantara vaovao.

nisy nilaza tamin'i Joda

Afaka atao izany hoe: DH: "nisy olona nilaza tamin'i Joda"

Tamara vinantovavinao

"Tamara, ilay vadin'ny zanakao lahimatoa"

mitoe-jaza noho izany (...) izy

Ny teny hoe: "izany" dia ilazana ny "fijangajangana" izay nataony. Afaka atao izany hoe: DH: "nahabevohoka azy izany" na "bevohoka izy"

Ento aty izy

"Ento mivoaka izy"

aoka ho dorana izy

Afaka atao izany hoe: DH: "hodorantsika ho faty izy"

Ary rehefa navoaka izy

Afaka atao izany hoe: DH: "Ary rehefa nentin'izy ireo nivoaka izy"

ny rafozany

"ny rafozan-dahiny"

Fanombohan-kasehy sy ny kofehinao .... tehina

Ny "fanombohan-kase" dia mitovitovy amin'ny vola izay ahitana sary sokitra, ampiasaina ho toy ny marika amin'ny savoka mitsonika. Ny "kofehy" dia napetaka tamin'ny fanombohan-kase mba hahafahan'ny tompony mitondra izany amin'ny tendany. Ny tehana indray dia hazo lava mitsatoka amin'ny tany izay manampy amin'ny fandehanana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:17.

Sela

Anaran'ny iray amin'ireo zanaka lahin'i Joda izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:3.

Genesis 38:27

Ary tamin'izany andro izany

Nampiasaina hanamarika fizaran-tantara vaovao izany andian-teny izany.

indro

Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika amin'ny tsy nanampoizana fa bevohoka kambana i Tamara, izay tsy mbola fantatra teo aloha.

Ary raha teo am-piterahana

Ny andian-teny "Ary raha" dia manamarika ny tranga manan-danja ao amin'ny tantara. Raha manana fomba ilazana an'izany ny fiteninao, dia mihevera ny ampiasa izany eto.

nipoitra ny tanan'ny iray

"ny anankiray tamin'ireo zaza namoaka ny tanany"

mpampivelona

olona izay manampy ny vehivavy mandritra ny fiterahany na famoahany zaza. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 35:16.

kofehy mena

"mitondra kofehy mena"

tamin'ny tanany

"manodidina ny vodivoapelatanany"

Genesis 38:29

Ary

Izany andian-teny izany dia manamarika ny tranga manan-danja ao amin'ny tantara. Raha manana fomba ilazana an'izany ny fiteninao, dia mihevera ny ampiasa izany eto.

indro

Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hifantoka amin'ny fampahafantarana izay tsy ampoizina izay ho avy manaraka.

Tamin'ny fomba ahoana no nahatafavoaka anao!

Maneho ny fahatairan'ny mpampivelona raha nahita ny zazakely faharoa nivoaka voalohany izany. DH: "Koa dia toy ny ahoana ny nivoahanao voalohany tao!" na "Nibosesika nivoaka voalohany ianao!"

nantsoina hoe

Afaka atao izany hoe: DH: "nanome anarana azy izy hoe..."

Fareza

Anaran-jazalahy kely izany. Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Fareza dia midika hoe 'fiporitsahana na fibosesehana.'''

Zera

Anaran-jazalahy kely izany. Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Zera dia midika hoe 'jaky na mena midorehitra.'''