Genesis 37

Genesis 37:1

ilay tany izay nitoeran'ny rainy (...) tao amin'ny tany Kanana

"tany amin'ny tany Kanana izay nitoeran'ny rainy"

Izao ny tranga mahakasika an'i Jakoba

Izany fehezanteny izany dia mampiditra ny tantaran'ireo zanak'i Jakoba ao amin'ny Genesisy 37:1-50:26. Eto "Jakoba" dia ilazana ny fianakaviana manontolo. DH: "Tantaran'ny fianakavian'i Jakoba izany"

fito ambin'ny folo taona

"17 taona"

Bila

Anaran'ny mpanompo vavin'i Rahely izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 29:28.

Zilpa

Anaran'ny mpanompo vavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 29:23.

ireo vadi... = ireo vady

"vaditsindrano" (UDB).Ireo vehivavy ireo dia mpanompo vavin'i Lea sy Rahely izay nomena an'i Jakoba hamokarany zaza.

tatitra ratsy momba azy ireo

"tatitra ratsy momba ireo rahalahiny"

Genesis 37:3

Ary

Nampiasaina izany teny izany mba hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Israely sy Josefa.

tia

Ilazana ny fitiavan'ny mpirahalahy na fitiava-namana na fitiavana ny havana izany. Fitiavana voajanahary eo amin'ny olona mpinamana na mpihavana.

...n'ny fahanterany

Ny heviny dia hoe nandritra ny fahateran'i Israely no nahaterahan'i Josefa. DH: "izay teraka nandritra ny fahateran'i Israely"

Nanjairany (...) izy

"Nanjairan'i Israely (...) Josefa"

akanjo tsara tarehy

"akanjo lava tsara tarehy"

tsy niteny am-pitiavana taminy

"tsy nahavita niteny taminy tam-pitiavana"

Genesis 37:5

Nahazo nofy i Josefa, ary notantarainy tamin'ireo rahalahiny izany

Famehezana ireo tantara izay nitranga ao amin'ny 37:6-11 izany.

Vao maika nankahala azy izy ireo

"Ary ireo rahalahin'i Josefa dia nankahala azy mihoatra lavitra nohon'ny fankahalany azy teo aloha"

Mba henoy anie izao nofiko izay nonofisiko izao

"Mba henoy ity nofiko ity" (UDB)

Genesis 37:7

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nitantara tamin'ireo rahalahany mahakasika ny nofiny i Josefa.

indro

Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.

isika (...)

Ny teny hoe "isika" dia ilazana an'i Josefa mbamin'ireo rahalahiny rehetra.

namehy amboaram-bary

Rehefa masaka ny voa dia fehezina ho amboara ary ajanona eo mandra-pahatongan'ny fotoana hanesorana ny voa hiala amin'ny mololo.

ary indro

Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa gaga tamin'izay hitany i Josefa.

niarina ny amboarako ka tafajoro tsara ... nilahatra nanodidina ny ahy kosa ireo amboaranareo ary niankohoka teo anatrehan'ny amboarako

Eto ny amboaram-bary dia mitsangana sy mandohalika toy ny hoe olona izy ireo. Ireo amboara dia maneho an'i Josefa sy ireo rahalahany.

Dia hanjaka aminay tokoa ve ianao? Hanapaka anay tokoa ve ianao?

Izany andian-teny roa izany dia milaza zavatra iray ihany. Mampiasa izany fanontaniana izany ireo rahalahin'i Josefa mba hanesoany an'i Josefa. Azo soratana toy ny fanambarana izany. DH: "Tsy ho mpanjaka anay mihitsy ianao, ary tsy mba hiankohoka aminao na oviana na oviana izahay!"

hanjaka aminay

Ny teny "...anay = ...nay" dia hanondrona ireo rahalahin'i Josefa koa tsy tafiditra na lazaina amin'izany i Josefa.

noho ireo nofiny sy ireo teniny

"noho ny amin'ireo nofiny sy izay nolazainy"

Genesis 37:9

mbola nanofy hafa indray izy

"mbola nanofy hafa indray i Josefa"

ny kintana iraika ambin'ny folo

"kintana 11"

notenenin-drainy mafy izy. Hoy izy taminy hoe:

"nibedy azy Israely, nanao hoe"

Inona izany azonao nofy izany? Dia hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao tokoa ve (...) sy ny reninao (...)?

Mampiasa izany fanontaniana izany Israely mba hanitsiana an'i Josefa. Azo soratana toy ny fanambarana izany. DH: "Tsy mitombina izany nofinao izany. Ny reninao, ireo rahalahinao, ary izaho dia tsy hiankohoka eo anatrehanao!"

nialona

Ny heviny dia hoe tezitra nohon'ny fahombiazana na ny mampahalaza ny hafa.

nitadidy izany zavatra izany tao an-tsainy

Ny heviny dia mitadidy mahakasika ny hevitrin'ny nofin'i Josefa. DH: "mihevitra izay mety ho dikan'ny nofy"

Genesis 37:12

Moa tsy lasa niandry ireo ondry aman'osy any Sekema ve ireo rahalahinao?

Nampiasa izany fanontaniana izany Israely hanombohana ny resaka.DH: "Miandry ireo ondry aman'osy any Sekema ireo rahalahinao."

Avia

Eto dia azo lazaina fa miteny an'i Josefa mba hiomana sy handao ary handeha hijery ireo rahalahiny i Israely. DH: "Miomana"

Vonona aho

Vonona ny handeha izy. "Vonona ny handeha aho"

Hoy izy taminy hoe:

"niteny tamin'i Josefa i Israely"

tatero aty amiko

Ilain'i Israely hiverina i Josefa ary hilaza aminy mahakasika ireo rahalahiny sy ireo ondry aman'osy. DH: "Avia ka tantarao ahy izay hitanao" na "itondray tatitra aho" (UDB)

nihoatra ny lohasaha

"niala ny lohasaha"

Genesis 37:15

Ary nisy lehilahy iray nahita an'i Josefa. Indro, i Josefa nirenireny teny an-tsaha

"nisy lehilahy iray nahita an'i Josefa nirenireny teny an-tsaha"

Indro

Manamarika ny fiandohan'ny tranga hafa ao amin'ny tantara iray manontolo izany. Mety hahakasika olona maro samihafa noho izay tao amin'ny tranga teo aloha izany. Mety hanana fomba filazana an'izany ny fiteninao.

Inona no tadiavinao?

"Inona no zahainao?"

Miangavy, mba lazao ahy re, aiza

"Miangavy mba lazao ahy hoe aiza"

miandry ireo ondry aman'osy

"miandry ireo ondry aman'osin'izy ireo"

Dotana

Anaran-toerana izay eo ho eo amin'ny 20 kilometatra miala an'i Sekema izany.

Genesis 37:18

Tazan'izy ireo avy lavitra izy

"Hitan'ireo rahalahany i Josefa raha mbola lavitra"

nanao tetika hamonoana azy izy ireo

"nanao drafitra hamonoana azy izy ireo"

iny tamy iny ilay mpanonofy

"indro fa tamy ilay iray izay nanonofy"

Avia ankehitriny, andeha

Izany andian-teny izany dia maneho fa notanterahiny ny tetik'izy ireo. DH: "Koa ankehitriny"

bibidia

"biby mitera-doza" na "biby masiaka"

Narapak(a)

nihinana tsy ampihambahambana

Dia ho hitantsika eo izay hiafaran'ireo nofiny

Nikasa ny hamono hahafaty azy ireo rahalahiny, noho izany dia nataon'izy ireo eso ny firesahana ny fahatanterahan'izany nofy izany, satria ho faty izy. DH: "Amin'izany fomba izany no hahazoan'izy ireo antoka fa tsy ho tanteraka ireo nofiny"

Genesis 37:21

Nandre izany

"Nandre izay noresahin'izy ireo"

teo am-pelan-tanan'izy ireo

Ny andian-teny hoe "tanan'izy ireo" dia ilazana ny tetik'ireo rahalahiny hamono azy. DH: "hiala amin'izy ireo" na "hiala amin'ny tetik'izy ireo"

Aleo tsy esorintsika ny ainy

Ny andian-teny hoe "esorintsika ny ainy" dia fanalefahan-teny ho an'ny famonoana olona. DH: "Aoka tsy hamono an'i Josefa isika"

aza mandatsa-drà

Ny "mandatsa-drà" ihany koa dia fanalefahan-teny ho an'ny famonoana olona. DH: "Aza manapitika rà" na "Aza mamono azy"

aza mikasi-tanana azy

Ny heviny dia tsy manao ratsy azy na mandratra azy. DH: "aza mandratra azy"

mba hafahany manavotra azy

Afaka adika ho fehezanteny vaovao izany: "Nilaza izany Robena mba hahafahany manavotra an'i Josefa"

eo an-tanan'izy ireo

Ny andian-teny "eo an-tanan'izy ireo" dia ilazana ny tetik'ireo rahalahiny hamono azy. DH: "hiala amin'izy ireo" na "hiala amin'ny tetik'izy ireo"

ka hitondra azy miverina

"ary hamerina azy"

Genesis 37:23

Ary rehefa tonga teo

Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarika ny tranga manan-danja ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza izany ny teninao, dia mihevera ampiasa an'izany eto.

nendahan'izy ireo taminy ilay akanjo tsara tarehy

"Notriarin'izy ireo hiala aminy ilay akanjo tsara tarehy"

akanjo tsara tarehy

"akanjo lava tsara tarehy." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 37:3.

Genesis 37:25

Nipetraka izy ireo mba hihinana mofo

"mofo" dia sarinteny ilazana ny "sakafo". DH: "Nipetraka ambany na nitorevaka tamin'ny tany mba hinan-kanina na "nipetraka ambany ireo rahalahin'i Josefa mba hisakafo"

Nanandratra ny masony izy ireo ka nijery, indreny, (...) niara-dia

Eto ny mijery ambony dia resahina ara-bakinteny toy ny olona manandratra ny masony. Ny teny hoe "indro" ihany koa eto dia nampiasaina hisintomana ny fifantohan'ny mpamaky amin'izay hitan'ireo lehilahy. DH: "Niandrandra izy ireo ary tampoka teo dia nahita (...) niara-dia"

nitondra

"nilanja" na "nampilanjaina"

"zavatra manim-pofona"

"hanitra"

balsama

menaka manim-pofona nampiasaina hitsaboana na hiarovana hoditra. "fanafody"

Nandeha izy ireo mba hitondra izany hidina ho any Egypta

"nitondra izany hidina any Egypta." Afaka atao mazava kokoa izany. DH: "nitondra izany hidina any Egypta ho hamidy"

Inona no tombotsoa ho azontsika raha mamono ny rahalahintsika sy manafina ny ràny isika?

Afaka soratana ho lasa fanambarana izany. DH: " Tsy misy tombony azontsika amin'ny famonoana ny rahalahintsika sy fanamenana ny ràny"

manafina ny ràny

Izany dia manana hevitra am-badika ilazana ny fanafenana ny fahafatesan'i Josefa. DH: "manafina ny famonoana azy"

Genesis 37:27

amin'ireo Ismaelita

"amin'ireo lehilahy taranak'i Ismaela ireo" (UDB)

tsy hisy hikasi-tanana azy

Ny heviny dia tsy manao ratsy azy na mandratra azy. DH: "aza mandratra azy"

rahalahintsika izy, nofontsika

Ny teny hoe "nofo" dia sarinteny ilazana ny havana. DH: "havantsika iray rà amintsika izy"

Nihaino azy ireo rahalahiny

"Nihaino an'i Joda ireo rahalahiny" na "niombon-kevitra tamin'i Joda ireo rahalahiny"

Midianita ... Ismaelita

Ireo anarana roa ireo dia samy ilazana ny vondron'olona mpivarotra izay nifanena tamin'ireo rahalahin'i Josefa.

farantsa volafotsy roa-polo

"mitovy amin'ny sandan'ny farantsa volafotsy 20"

nentin'ireo (...) tany Egypta i Josefa

"nitondra an'i Josefa tany Egypta" (UDB)

Genesis 37:29

Niverina teo amin'ilay lavaka Robena, ary, indro, tsy tao anaty lavaka i Josefa

"Niverina teo amin'ilay lavaka Robena, ary, gaga ny amin'ny tsy fahitana an'i Josefa tao intsony." Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa taitra ny amin'ny fahitana fa tsy tao intsony i Josefa.

Norovitiny ny fitafiany

Izany dia maneho ny adin-tsaina lalina sy fahoriana . Afaka soratana mazava kokoa izany. DH: "Ory indrindra izy ka nandriatra ny fitafiany"

Tsy ao ilay zazalahy! Aiza no tany halehako?

Nampiasa izany fanontaniana izany i Robena mba hanindrina fa olana ny tsy fahitana an'i Josefa. Afaka soratana ho toy ny fanambarana izany. DH: "Lasa ilay zazalahy! tsy afaka ny handeha hody any an-trano aho!"

Genesis 37:31

ny akanjon'i Josefa

Ilazana ilay akanjo tsara tarehy izay namboarin'ny rainy ho azy izany.

ilay rà

"ràn' ilay osy"

nentin'izy ireo (...) izany

"nentin'izy ireo (...) ilay akanjo"

Narapak(y) (...) izy

"nihinana (...) azy"

Tena rotidrotika tokoa Josefa

Nihevitra i Jakoba fa norotidrotehin'ny bibidia ny vatan'i Josefa. DH: "Tena nandrotindrotika an'i Josefa ho torotoro tokoa izany"

Genesis 37:34

Nandrovitra ny fitafiany Jakoba

Izany dia maneho ny adin-tsaina lalina sy fahoriana . Afaka soratana mazava kokoa izany. DH: "Ory indrindra izy ka nandriatra ny fitafiany"

nisikina lamba fisaonana teo am-balahany

Eto ny "valahana" = " ...balahany" dia ilazana ny faritra afovoan'ny vatana na ny andilana. DH: "nisikina lamba fisaonana"

Nitsangana

Ny fahatongavan'ireo akizy tany amin'ny rain'izy ireo dia resahina toy ny hoe "nitsangana." DH: "tonga teo aminy"

fa tsy nety nampiononina izy

Afaka atao izany hoe: DH: "Fa tsy namela azy ireo hampionona azy izy"

Namidin'ireo Midianita (...) izy

"Namidin'ireo Midianita i Josefa"

Hidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita tokoa aho hisaona

Ny heviny dia hoe hisaona izy amin'izany andro izany ka hatramin'ny hahafatesany. DH: "Eny tokoa, rehefa maty sy hidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita aho dia mbola hanohy hisaona"

ilay lehiben'ny mpiambina

"ilay mpitarika ireo miaramila izay niambina ny mpanjaka"