Genesis 5

Genesis 5:1

Fampafantarana ankapobeny

Fanombohana ny lisitrin'ireo taranak'i Adama izany.

araka ny endriny ihany

Izany andian-teny izany dia midika fa Andriamanitra nanao ny olombelona ho tahaka Azy. Ity andininy ity dia tsy milaza ny amin'izay nataony tamin'ny olona ho tahaka Azy. Andriamanitra dia tsy manana vatana, noho izany dia tsy midika izany fa ny olona dia mitovy amin'Andriamanitra. DH: "ho tena tahaka antsika." Jereo ny nandikanao ny hoe "tahaka antsika" ao amin'ny 1:26.

rehefa voaforona izy ireo

DH: "rehefa namorona azy ireo izy"

Genesis 5:3

130 ... valon-jato

Ireo mpandika teny dia mety hanoratra ny tarehimarika "130" sy "800" na ny teny "telopolo amby zato" sy "valon-jato." (Ny ULB sy ny UDB dia mampiasa ny tarehimarika raha telo na mihoatra ilay andian-teny; soratana amin'ny teny kosa raha teny iray na roa.)

tonga rain'ny zazalahy iray

"nanan-janaka lahy izy"

amin'ny endriny, tahaka azy

Izany andian-teny roa izany dia manana dika mitovy. Nampiasaina izy ireo hampatsiahivana fa nataon'Andriamanitra tahaka azy ny olona. Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 1:26.

Seta

Adikao toy ny nandikanao azy ao amin'ny 4:25 izany.

Tonga rain'ny zazalahy sy zazavavy maro izy

"nanana zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy"

ary dia maty izy

Izany andian-teny izany dia hiverina ao amin'ny toko manontolo. Ampiasao ny teninao mahazatra ny hoe: "maty."

Niaina 930 taona i Adama

Lava andro iainana ny olona. Ampiasao ny teninao mahazatra ilazana ny "taona". DH: "ny fitambaran'ny taona niainan'i Adama dia 930 taona"

Genesis 5:6

tonga rain'ny Enosy izy

Eto ny "ray" dia midika hoe tena ray, fa tsy raibe. DH: "niteraka an'i Enosy zanany"

Enosy

Anaran'olona izany.

Tonga rain'ny zazalahy sy zazavavy maro izy

"nanana zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy"

niaina 912 taona i Seta

"ny fitambaran'ny taona niainan'i Seta dia 912 taona"

ary dia maty izy

Izany andian-teny izany dia hiverina ao amin'ny toko manontolo. Ampiasao ny teninao mahazatra ny hoe: "maty."

Genesis 5:9

Fampafantarana ankapobeny:

Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 5:6-27 dia manana endrika mitovy. Adikao araka ny fanazavana ao amin'ny 5:6.

Genesis 5:12

Fampafantarana ankapobeny:

Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 5:6-27 dia manana endrika mitovy. Adikao araka ny fanazavana ao amin'ny 5:6.

Genesis 5:15

Fampafantarana ankapobeny:

Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 5:6-27 dia manana endrika mitovy. Adikao araka ny fanazavana ao amin'ny 5:6.

Genesis 5:18

Fampafantarana ankapobeny:

Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 5:6-27 dia manana endrika mitovy. Adikao araka ny fanazavana ao amin'ny 5:6.

Genesis 5:21

Tonga rain'ny Metosela

"nanana an'i Metosela zanany izy"

Metosela

Anaran-dehilahy izany.

Nandeha niaraka tamin'Andriamanitra i Enoka

Ny mandeha niaraka amin'ny olona dia sarin-teny hilazana ny fananana fifandraisana akaiky miaraka aminy. DH: "Nanana fifandraisana akaiky tamin'Andriamanitra i Enoka" na " Niaina tamin'ny fifandraisana tamin'Andriamanitra i Enoka"

Tonga rain'ny zazalahy sy zazavavy maro izy

"nanana zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy"

Niaina 365 taona i Enoka

"ny fitambaran'ny taona niainan'i Enoka dia 365 taona"

ary dia lasa izy

Ny teny hoe "izy" dia ilazana an'i Enoka. Tsy teto an-tany intsony izy.

fa nalain'Andriamanitra izy

Midika izany fa nalain'Andriamanitra i Enoka mba hiaraka aminy (Andriamanitra).

Genesis 5:25

Fampafantarana ankapobeny

Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 5:6-27 dia manana endrika mitovy. Adikao araka ny fanazavana ao amin'ny 5:6.

Lameka

Ity Lameka ity dia hafa noho ilay Lameka ao amin'ny 4:18.

Genesis 5:28

tonga rain'ny zazalahy iray

"nanana zanaka lahy"

Noa

Ireo mpandika teny dia mety hanampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe" izany anarana izany dia mitovy fanonona amin'ny teny Hebreo izay midika hoe 'fitsaharana.'"

amin'ny asantsika sy amin'ny asa mafy ataon'ny tanantsika

Niteny izany zavatra mitovy izany indroa i Lameka mba hanasongadinana ny hamafin'ny asa. DH: "amin'ny asa mafy ataon'ny tanantsika"

Genesis 5:30

Niaina 777 taona i Lameka

"ny fitambaran'ny taona niainan'i Lameka dia 777 taona"

Genesis 5:32

tonga rain'i

"nanana ireo zanany lahy." Tsy milaza amintsika izany ny amin'ny nahaterahan'ireo zanany lahy tamin'ny andro iray na tamin'ny taona samy hafa.

Sema, Hama sy Jafeta

Mety tsy voalahatra araka ny nahaterahany ireo zanany lahy ireo. Misy ny tsy fitovian-kevitra mahakasika an'izay zokiny indrindra. Ialao ny fandikana izany ho toy ny mametraka fa ny lisitra dia milahatra araka ny taonan'izy ireo.