Genesis 4

Genesis 4:1

Ralehilahy

"ny olombelona" na "Adama" (UDB)

nandry niaraka

Ny fiteninao dia mety hanana fomba fiteny mihaja ho an'izay . Ny dikan-teny tranainy manao hoe:"nahalala".

Namokatra zazalahy aho

Ny teny hoe "lehilahy" matetika dia manondro olon-dehibe, fa tsy zaza na ankizy. Raha hahatonga fifangaroana izany, dia azo adika hoe: '"zazalahy" na "lahy kely"na "zanaka lahy."

Kaina

Ireo mpandika teny dia mety te hampiditra fanamarihana ambany pejy izay milaza hoe: "Ny anarana hoe:"Kaina" dia mitovy fanonona amin'ny teny Hebreo midika hoe' mamokatra'. Nataon'i Eva ho Kaina ny anarany satria izy no namokatra azy."

Ary dia niteraka izy

Tsy fantatsika ny elanelan'ny fotoana nahaterahan'ny Kaina sy Abela. Mety ho kambana izy ireo, na teraka tao aorian'ny nahabevohoka indray an'i Eva i Abela. Raha azo atao dia mampiasa teny izay tsy milaza ny elanelan'ny fotoana.

namboly

Ny dikany dia nanao ny asa rehetra izay tokony hataony mba hahafahan'ny zava-maniry mitombo tsara izy. Jereo ny nandikana ny "mamboly" ao amin'ny 2:4

Genesis 4:3

ary

Izany teny izany dia nampiasaina mba haneho ny fanombohan'ny fizaran'ny tantara vaovao. Raha misy fomba hanaovana izany amin'ny fiteninao, dia mihevera ny ampiasa izany fomba izany eto.

tamin'ny nandehanan'ny fotoana

Ireo mety ho heviny dia 1)" rehefa nandeha ny fotoana" na 2) "tamin'ny fotoanany"

vokatry ny tany

Izany dia ilazana ny sakafo izay avy amin'ny zava-maniry izay novoleny. DH: "vokatra"

sasany tamin'ny matavy

Ilazana ny faritra matavy amin'ny zanak'ondry izay novonoiny, ny faritra tsara indrindra amin'ny biby izany. DH: "sasany amin'ny faritra mataviny"

nanaiky

"nankasitraka " na "faly tamin'izany"

tezitra mafy

Misy fiteny sasany manana fomba fiteny ho an'ny hatezerana toy ny hoe: "nirehitra izy" na "nirehitra ny fahatezerany."

vinitra izy

Midika izany fa ny endrikin'ny tavany dia maneho fa tezitra izy na mialona. Ny fiteny sasany dia manana fomba fiteny izay hahafahana manoritsoritra ny endrikendrikin'ny tavan'ny olona rehefa tezitra izy.

Genesis 4:6

Nahoana ianao no tezitra ary nahoana no vinitra?

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Andriamanitra mba hilazana amin'ny Kaina fa diso izy ny amin'ny fahatezerany sy ny fahavinirany. Mety miezaka manome an'i Kaina ny fahafahana hibaboka izay ratsy nataony koa izany.

Raha manao ... ianao, tsy ho hankasitrahana ve?

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Andriamanitra mba hampatsiahivana an'i Kaina ny amin'ny zavatra izay tokony efa fantatr'i Kaina. DH: "Fantatrao fa raha manao ny marina ianao, dia nankasitraka anao Aho"

Fa raha tsy manao ... tsy maintsy manapaka eo amin'izany ianao

Miresaka ny fahotana ho toy ny olona Andriamanitra. DH: "Fa raha tsy manao izay marina ianao, dia te hanota bebe kokoa, ary dia hanao zava-dratsy. Handà ny hankato izany ianao"

hamitsaka ny ota ... hibaiko anao

Ny ota eto dia resahina ho toy ny biby masiaka izay miandry ny fahafahana hanafika an'i Kaina. DH: "ho tezitra fatratra ianao ka tsy ho afaka hanajanona ny fahotana"

fahotana

Ny fiteny izay tsy manana ny anarana izay midika hoe:"fahotana" dia handika izany hoe: "haniry ny hanota ianao" na "ny zava-dratsy no tianao atao."

tsy maintsy hanapaka an'izany ianao

Miresaka ny fanirin'i Kaina hanota ho toy ny olona izay tsy maintsy hanapaka an'i Kaina i Yaveh. DH: "Tsy maintsy mifehy izany ianao mba tsy hanotanao"

Genesis 4:8

Niresaka tamin'i Abela rahalahiny i Kaina

Misy fiteny sasany mila manampy ny fampafantarana tsy mazava fa Kaina niresaka tamin'ny rahalahiny mba handehana any an-tsaha.

rahalahy

I Abela dia zandry lahin'i Kaina. Misy fiteny sasany mila mampiasa ny teny ho an'i "zandry lahy."

nitsangana hanohitra

"hanafika"

Aiza i Abela rahalahinao

Fantatr'Andriamanitra fa namono an'i Abela i Kaina, fa nametraka izany fanontaniana izany Izy mba hamalian'i Kaina.

mpiandry ny rahalahiko ve aho?

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana i Kaina mba hialana amin'ny filazana ny marina. Azo adika toy ny fanambarana izany. DH: "Tsy mpiandry ny rahalahiko aho!" na "Tsy asako ny mikarakara ny rahalahiko!"

Genesis 4:10

Inona ity nataonao?

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Andriamanitra mba hitenenana mafy an'i Kaina. Izany dia azo adika toy ny fanambarana. DH: "mahatsiravina izay nataonao!" (UDB)

Ny ràn'ny rahalahinao dia miantso Ahy mafy

Ny ràn'i Abela dia sarinteny ilazana ny fahafatesany, toy ny olona izay miantso mafy an'Andriamanitra izany mba hanasazy an'i Kaina. DH: "Ny ràn'ny rahalahinao dia toy ny olona miantso Ahy mafy mba hanasazy ny olona izay namono azy "

Ankehitriny dia voaozona izay avy amin'ny tany

DH: "Manozona anao aho mba tsy hamokaranao sakafo avy amin'ny tany"

izay nanokatra ny vavany mba hitelina ny ràn'ny rahalahinao

Miresaka ny tany toy ny olona izay afaka misotro ny ràn'i Abela Andriamanitra. DH: "izay vonton'ny àn'ny rahalahinao"

avy amin'ny tananao

Resahan'Andriamanitra ho toy ny nandraraka ny ràn'i Abela tamin'ny "vavan'ny" tany ny tanan'i Kaina. DH: "izay niraraka raha namono azy ianao" na "avy aminao"

hamboly

Ny dikan'izany dia manao ny asa rehetra izay tokony hatao mba hahafahan'ny zava-maniry mitombo tsara. Jereo ny nandikana ny "hamboly" ao amin'ny 2:4.

tsy hamokatra ny heriny ho anao

Ny tany dia nomena toetran'ny olona toy ny olona izay very ny hery"

Ho mpanjenjena sy mpirenireny

Afaka hatambatrao miaraka ireo teny ireo. DH: "mpirenireny tsy manan-kialofana"

Genesis 4:13

hiafina hiala amin'ny tavanao aho

Ny voambolana "ny tavanao" dia maneho ny fanatrehan'Andriamanitra. DH: "Tsy afaka hiresaka aminao aho"

mpanjenjena sy mpirenireny

Adikao toy ny ao amin'ny 4:10 izany

ny valifaty dia hovaliana im-pito aminy

DH: "Hamaly faty azy impito aho" na "Hanasazy izany olona izany impito ho mafy toy izay nanasaziko anao Aho" (UDB)

tsy hanafika azy

"tsy hamono an'i Kaina"

Genesis 4:16

niala tamin'ny fanatrehan'i Yaveh

Na dia manerana izao rehetra izao ary Yaveh, izany fomba fiteny izany dia miresaka toy ny hoe nandeha alavitra i Kaina. DH: "niala lavitra avy teo amin'ny niresahan'i Yaveh taminy"

Noda

Ireo mpandika teny dia mety hanampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "ny teny hoe Noda dia midika 'mpirenireny.'"

nandry taminy

Ny fiteninao dia mety hanana fomba fiteny mihaja ho an'izany . Ny dikan-teny tranainy manao hoe:"nahalala". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:1.

Nanorina tanàna izy

"Nanorina tanàna i Kaina"

Genesis 4:18

Enoka niteraka an'i Irada

Izany dia ilazana fa Enoka dia nihalehibe ary nanambady vehivavy. DH: "nihalehibe Enoka dia nanambady ary lasa rain'ny zazalahy kely nantsoina hoe Irada" (UDB)

Irada tonga rain'i Mehojaela

"nanana zanaka lahy Irada ary nantsoiny hoe Mehojaela izy"

Ada ... Zila

anaram-behivavy

Genesis 4:20

Ada ... Zila

Adikao toy ny ao amin'ny 4:18 ireo anarana ireo

Rain'ireo mpitoetra an-day izy

Ireo mety ho heviny dia 1) "izy no olona voalohany nitoetra tao amin'ny lay" na 2) izy sy ireo taranany dia nitoetra amin'ny lay."

ireo mitoetra an-day izay manana biby fiompy

Olona izay mitoetra amin'ny lay ary koa mikarakara biby

Rain'ny ireo mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina izy

Ireo mety ho heviny dia 1)" izy no olona voalohany nitendry lokanga sy nitsoka sodina" na 2) "izy sy ireo taranany dia nitendry lokanga sy nitsoka sodina."

Tobala Kaina, mpanefy fitaovana varahina sy vy

"Tobala Kaina. Nanefy fitaovana varahina sy vy izy"

vy

Izany dia vy tena mafy nampiasaina hanaovana fitaovana sy fiadiana.

Genesis 4:23

Ada ... Zila

Adikao toy ny ao amin'ny 4:18 ireo anarana ireo.

henoy ny feoko ... henoy izay lazaiko

Nilaza zavatra anankiray mitovy indroa i Lameka ho fanasongadinana. Ny feony dia sarin-teny ilazana ny tenany manontolo. DH: "henoy tsara aho"

lehilahy iray ... tovolahy iray

namono lehilahy iray i Lameka

nohon'ny fandratrana ahy ... nohon'ny fanorotoroana ahy

"satria izy nandratra ahy ... satria izy nanorotoro ahy" na "satria nandratra ahy izy"

Raha valiana fito heny izay mamono an'i Kaina, dia ... Lameka

Nahafantatra i Lameka fa Andriamanitra hamaly faty fito heny izay namono an'i Kaina. DH: "Satria Andriamanitra hanasazy fito heny izay mamono an'i Kaina, Lameka"

dia fito amby fitopolo heny kosa ny an'i Lameka

impito amby fitopolo- .DH: "N'iza n'iza mamono ahy, Andriamanitra hanasazy azy impito amby fitopolo"

fito amby fitopolo

fito-77

Genesis 4:25

nandry taminy

Ny fiteninao dia mety hanana fomba fiteny mihaja ho an'izany . Ny dikan-teny tranainy manao hoe:"nahalala". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:1.

ary niteny, "Nomen'Andriamanitra zanaka hafa aho

Izany no antony nanomezany azy ny anarana hoe Seta. Afaka azavaina izany. DH: "ary nazavaina, 'Andriamanitra efa nanome zanaka hafa ho ahy ."

Seta

Ireo mpandika teny dia mety hanampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe" izany anarana izany dia mitovy fanonona amin'ny teny Hebreo izay midika hoe 'efa nanome'"

Niteraka zazalahy i Seta

Afaka azavaina izany. DH: "Ny vadin'i Seta dia niteraka zazalahy taminy"

niantso ny anaran'i Yaveh

Izany no fotoana voalohany niantson'ny olona an'Andriamanitra tamin'ny anarana hoe Yaveh. Afaka azavaina izany. DH: "hidera an'Andriamanitra amin'ny fampiasana ny anarana hoe Yaveh"