Toko 23

1 Sady Jesosy nivola tamin'ireo vahoaky voho reo mpianany. 2 Hoy Ie hoe: “Reo mpanora-dalagna voho fariseo la mipetraky eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy.' 3 Noho izay na ino na ino handidian-drozy gnanareo ho atao, la ataovo regny raha regny ka mitandrema an-drozy. Fa ka ala manahaky gny asan-drozy, fotony rozy la mivola raha nefa bakeo tsy manao izay. 4 Eka, fehezin-drozy gny enta-mavesatsy zay sarotsy andesy, sady bakeo la apetrakin-drozy eo amin'ny soroky gny olo. Fa tsy hanetsika gny ratsan-tagnana raiky akory gny safan-drozy mba handay an-drozy. 5 Manao gny asany iaby rozy mba ho jerin'ny olo. Fa ataon-drozy malalaky gny filakiterany, sady itarin-drozy gny sisin'akanjony. 6 Tian-drozy gny fipetrahan'ny manan-kaja agny amin'ny fanasana voho gny fipetrahan'ny bevata ao amin'ny synagoga, 7 voho gny fiarahaba miavaky egny an-tsena, sady mba ho kaihin'ny olo hoe: 'Raby.' 8 Fa nareo tsy azo kinaiky hoe: 'Raby', fa raiky avao gny mpampianatrareo, sady mpirahalahy nareo iaby. 9 Sady ka mikaiky gny olo etoy an-tany hoe babanareo, fa raiky avao gny babanareo, sady Ie la agny an-dagnitsy. 10 Nareo ka mety kaihy hoe: 'Mpampianatsy', fa raiky avao gny mpampianatrinareo, la i Kristy. 11 Fa zay bevata mare agnaminareo ro ho mpanomponareo. 12 Na ia na ia mandra-tena la ahetry, sady na ia na ia manetry tena la hasandratra.

13 Fa lozanareo, ry mpanora-dalagna voho fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa arindrinareo amin'ny olo gny fanjankan'ny lagnitsy. Fa nareo tsy mampilitsy gny vatanareo, sady tsy enganareo reo zay mila hilitsy. 14 1

15 Lozanareo, ry mpanora-dalagna voho fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandeha mitety gny ranomasy voho gny tany nareo mba hampiova fo gny olo raiky, sady lafa miova ie, la ataonareo gny anaky gny helo abo roe heny mihoatsy noho nareo ie.

16 Lozanareo, ry mpitariky jiky, nareo zay mivola hoe: 'Na ia na ia miania amin'ny tragno be Ndranagnahary, la tsy misy dikany izay. Fa na ia na ia miania amin'ny volamenan'ny tragnobe Ndranagnahary, la voafehy gny fiaigna le.' /b 17 Nareo jiky adala! ia ro bevata mare, gny volamena va gny tempoly zay manao gny volamena ho masy? 18 Sady, 'Na ia na ia miania amin'ny alitara, la tsy misy dikany izay. Fa na ia na ia miania amin'ny fanatitsy zay eo ambonin'izay, la voafatotsy gny fianianany ie.' 19 Nareo ry olo jiky! ia ro bevata kokoa, gny fagnatitsy sa gny alitara zay manao gny fagnatitsy ho masy? 20 Noho izay, zay miania amin'ny alitara, la miania amin'izay voho amin'ny raha iaby eo amboniny. 21 Gny raiky zay miania amin'ny tragno be Ndranagnahary, la miania amin'izay voho amin'izay monina ao aminy, 22 sady gny raiky zay miania amin'ny lagnitsy, la miania amin'ny seza fiandrianan-Dranagnahary voho aminy zay mipetraky eo ambonin'izay.

23 Lozanareo, ry mpanora-dalagna voho fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandoa gny fahafolon'ny solila voho voho gny aneta sady gny komina nareo, fa nareo la tsy nankato gny raharaha mavesa-danja mare amin'ny lalana-dia gny rariny voho gny famindram-po sady gny finoa. Fa reo ro tokony nataonareo sady tokony nenganareo ho tsy vita gny raiky hafa. 24 Nareo ry mpitariky jiky, nareo zay sivagny gny lagnitsy nefa mitely rameva!

25 Loza ho gnanareo, ry mpanora-dalagna voho fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa liovinareo gny ivelan'ny kapoaky voho gny finga, nefa gny ao agnatiny la feno fitsiririta voho fila. 26 Nareo ry fariseo jiky! Diovo aloha gny ao agnatin'ny kapoaky voho gny finga, mba ho lasa malio avao koa gny ivelany.

27 Loza ho gnanareo, ry mpanora-dalagna voho fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa nareo la manahaky gny olo voalalotsy foty; zay soa ivelany, fa gny ao agnatiny kosa la feno gny taolam-paty voho gny loto iaby. 28 Manahaky izay avao koa, etoy ivelany nareo miseho ho to eo amin'ny olo, nefa gny ao agnatinareo la feno fihatsaram-belatsihy voho heloky.

29 Loza ho gnanareo, ry mpanora-dalagna voho fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa magnory gny fasan'ny mpaminany nareo sady mampihaingo gny fasan'ny olo-to. 30 Hoy nareo hoe: 'Laha niay tamin'ny andron'ny razambetsika tsika, la tsy ho nandramby anjara niaraky tamin-drozy tamin'ny fandatsaha gny lion'ny mpaminany tsika.' 31 Noho izay la mijoro vavolombelo amin'ny vatanareo nareo fa anak'ireo zay namono gny mpaminany. 32 Nareo avao koa la nahafeno gny fahotan'ireo razambenareo 33 Nareo ry bibilava, nareo ry avorohotany gny menarana, manao akory ro handosiranareo gny fanameloha ho agny amin'ny helo? 34 Noho izay, ingo, magniraky mpaminany sy olon-kendry sady mpanora-dalagna ho gnanareo Zaho. Gny sasany amin-drozy la ho vononareo voho hombohanareo; sady gny sasany ho vangoenareo ao amin'ny synagoganareo sady handroaky gnazy hiala ao an-tana. 35 Gny vokatr'izay la hanody gnanareo gny lio to iaby zay nalatsaky teto an-tany, nanomboky tamin'ny lion'i Abela to, ka hatramin'ny lion'i Zakaria anak'i Barakia, zay novononareo voho gny Alitara. 36 Ambarako to aminareo, fa gny raha iaby la ho avy amy toy avorohota toy.

37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, iha zay mamono gny mpaminany voho mitora-bato zay irahy ho aminao! Impiry Zaho ro magniry gny hamory gny anakao miaraky, manahaky gny akoho vavy raiky mamory gny akoho kely ao ambany elany, nefa tsy mety nareo! 38 Ingo, gny tragnonareo ro enga ho simba ho gnanareo. 39 Fa ambarako agnaminareo, hatramin'izao, tsy hahajery Gnahy vatany nareo mandra-pivolagnanareo hoe: 'Isaora anie zay avy amin'ny agnaran'ny Tompo.”'


1Fanamahira: Gny antotan-taratasy taloha la tsy ahita gny fehezanteny hoe: 'Fa lozanareo, ry mpanora-dalagna voho gny fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandany gny tragnon'ny mpanday vata, sady manao vavaky lava nareo. Noho izay la hahazo fanameloha lehebe nareo.'