Toko 24

1 Niboaky gny Tempoly Jesosy ka lasa nandeha. Namonjy Gnazy reo mpianany mba hagnatoro Gnazy gny rafitsy gny tempoly. 2 Nefa namaly Ie ka niresaky tamin-drozy hoe: “ts hitanareo va reo raha iaby reo? Resahako marina aminareo, tsy hisy vato tavela amin'ny raiky hafa zay tsy harava.”

3 Laha nipetraky teo an-tendrombohits'Oliva Ie, la namonjy Gnazy mangingina reo mpianany sady niresaky hoe: “Resaho gnanay, mbia reo raha iaby reo ro hitranga? Ino ro famantara gny fiavianao voho gny fara -andro?”

4 Namaly Jesosy voho niresaky gnan-drozy hoe: “Mitandrema mba tsy hisy hamitaky nareo.” 5 Fa ho maro gny ho avy amy gny agnarako. Voho hiresaky rsoy hoe: “Zaho ro Kristy; voho maro ro ho voafitaky. 6 Hahare aly voho tatits'aly nareo. Mitandrema mba tsy hitebiteby nareo, fa tsy maintsy hitranga io raha io; nefa mbo tsy avy gny farany. 7 Fa hisy firenena hitsanga hanohitsy firenena, voho gny fanjakana haohitsy fanjakana. Hisy mosary voho horohoron-tanyamin'ny toera sambihafa. 8 Nefa ioraha iaby io la fiandohan'ny fanaintaignan'ny fiteraha avao.

9 Ka hatolon-drozy ho amin'ny fijalia nareo voho ho vonoan-drozy. Halan'ny firenena iaby nareo nohon'ny agnarako. 10 Voho maro gny ho tafintohy, hifamadiky voho hifankalay gny kirakiraiky. 11 Mpaminany sandoky maro ro hitsanga ka hamitaky gn'olo maro. 12 Fotony gny faharatia la hitombo, voho hihamanintsy gny fitian'ny maro. 13 Fa lay raiky zay miaritsy hatramin'ny farany la ho vonje. 14 Toy filazantsaran'ny fanjakana toy la ho tory eran'izao tontolo zao ho vavolombelo amin'ny firenena iaby. Bakeo la ho avy gny farany.

15 Nohon'io, laha mahajery gny fahavetavetan'ny fandrava nareo, zay niresahin'i daniela mpaminany, la hitsanga eo amin'ny toera Masy nareo” (ao gny mpamaky hahatakatsy), 16 “Aoka reo zay agny Jodia handositsy ho agny an-tendrombohitsy, 17 aoka zay ao an-tempolin'ny tragno tsy hizotso hangalaky raha baka n-tragnony ao, 18 voho aoka zay agny an-tonda tsy himpoly hangalaky gny sikiny.” 19 Fa loza ho gnan'ireo bevoka voho mampinono amin'io andro io! 20 Mivavaha mba tsy ho amin'ny ririnina na amin'ny Sabata ro hitranga gny fandosiranareo. 21-22 Fa hisy fahoria bevata, zay mbo tsy nisy manahaky gnan'io bakagny am-piandohan'izao tontolo zao mandrak'androany, tsia, voho tsy hisy sasay, la tsy hisy nofo ho vonje. Fa nohon'ny gn'olom-boafily, la hafohezy reo andro reo.

23 Fa laha misy olo mivola gnanareo hoe: “Ingo, toy lay Kritsy na indroy gny Kristy la ka mino gnan'io. 24 Fa gny Kristy sandoky voho gny mpaminany sandoky la ho avy sady hampiseho famantara bevata voho raha-mahatseriky, mba hamitaky, laha azo ata, eka fa ndra la reo olom-boafily aza. 25 Ingo, fa niresahako gnanareo mialoha gny fotoa. 26 Nohon'io, laha mivola nareo rozy hoe: “Ingo, agny agn'efitsy ie, la ka magnagny agnefitsy. Na hoe ingo, agny agnay efitragno ie, la ka minognan'io. 27 Fa manahaky gnan'io raha zay mitselatsy bakagny antignana la mazava hatragny andrefa, la manahaky gnan'io gny fiavian'ny Anak'olo. 28 Ndra ia ia misy biby maty, la agny ro hivorian'ny voromahery.

29 Sady laha vao afaky gny fijalia amin'ireo andro reo la hahiky gny masoandro, tsy hagnome gny hazavany gny vola, hilatsaky bakagny an-dagnitsy gny kintana, voho hihozongozo gny herin'ny kintana, voho hihozongozo gny herin'ny lagnitsy. 30 Bakeo la hiseho egny amin'ny lagnitsy gny famantaran'ny Anak'olo, voho gny foko manontolo ambonin'ny tany hisaona. Hahajery gny Anak'olo avy amin'ny rahon'ny lagnitsy miaraky amin'ny hery voho voninahitsy bevata Rozy. 31 Handefa reo anjeliny Ie miaraky amin'ny feo trompetra mare, voho hamory gny olom-boafily rozy, manonboky amin'ny faravodilagnitsy ka hatragny amin'ny hafa.

32 Mianara gny lesona bakamin'ny aviavy. Laha vantany vao matoe gny sampany voho mamokatsy gny raviny, la hainareo fa magnariniky gny fahavaratsy. 33 Manahaky gnan'io avao koa, laha mahita gnan'io raha iaby io nareo, la tokony ho hainareo fa fa mariniky Ie, eo amin'ireo vavahady mihitsy. 34 Resahako marina aminareo, fa tsy ho lany toy avorohota toy mandra-pisehon'io iaby io. 35 Tsy hisy sasy gny lagnitsy voho gny tany, fa gny safako la tsy mba ho rava mandrakizay.

36 Kanefa gny mahakasiky gnan'io andro voho lera io la tsy misy mahay, na gny anjelin'ny lagnitsy aza, na gny Anaky lahy, fa gny Baba avao. 37 Manahaky tamin'ny andron'i Noa, la manahaky gnan'io avao koa gny fiavian'ny Anak'olo. 38 Fa manahaky gny tamin'io andro mialohan'ny safo-drano la nihina voho nino rozy, nnambaly voho nampakary mandra-piavian'ny gny androniliran'i Noa tao agnatin'ny gny sambo fiara, 39 sady tsy nahay na ino ino rozy mandra-pahatongan'ny safo-drano ka nandringa gnan-drozy iaby-la manahaky gny fiavian'ny Anak'olo. 40 Bakeo hisy johary roe egny an-tonda, gny raiky ho rambesy, voho gny raiky henga. 41 Ampela roe handisa vary- gny raiky ho harembesy, voho gny raiky enga. 42 Nohon'io la miambena, fa tsy hainareo zay andro hiavian'ny Tomponareo. 43 Fa fantaro zao, laha hainy gny tompon-tragno hoe amin'ny firy haly ro hiavian'ny mpangalatsy, la ho niamby ie voho tsy nagnenga gny tragnony ho vaky. 44 Nohon'io la tsy maintsy mivonona avao koa nareo, fa ho avy gny Anak'olo amin'ny lera tsy ampoizinareo.

45 Ka ia moa g'y mpanompo mahatoky voho hendry zay notendren'ny tompony hanapaky gny avorohotany mba hagnomeza gnan-drozy gny sakafon-drozyamin'ny fotoa mety? 46 Sambatsy io mpanompo io zay jerin'ny Tompony fa manao gnan'io lafa avy ie. 47 Resahako marina aminareo fa gny tompony ro hanapaky gnazy ho agnabon'ny raha iaby zay anagnany. 48 Fa laha misy mpanompo raty mivola ao am-pony hoe: “Ela fiavy gny tompko; 49 Ka manomboky mamono reo manompo namany, voho mihina ro mino miaraky amin'ireo mpimamo; 50 la ho avy gny tompn'ny gny mpanompo amin'ny fotoa zay tsy ampoiziny sady amin'ny lera zay tsy hainy. 51 La ho kapakapain'ny tompony ie sady hataony manahaky gnan'ireo mpiatsaravelatsihy gny anjarany, zay hisy gny fitagnia voho gny fikotrohan-kihy.